Afaka telo taona ve vao hisy entana vita tena malagasy
Ohatrany mba te hahita yaourt na dobera vita tena malagasy
Ankoatra izany, mba te hanana fanaka trano vita "bois de rose"
Ohatrany mba te hanana trano vita vato soa ny rindrina sy gorodona
Ohatrany mba te hihinana hena omby steak vita malagasy isan andro ho an ny tsirairay
Ohatrany mba te hitaingina bisikileta misy goudron sahaza ho an ny bisikileta ihany
Ohatrany mba te hampianatra zanaka ho avin ny firenena mba ho olombanona
Ohatrany mba te hijery ny tanora malagasy tafita daholo na araky ny asa na ara fivelomana na ara toetsaina
Ohatrany mba te hahita hoe ahoana moa ny fomba malagasy fahiny fahagola...te hahalala fa izany bainga mivadika izany tsy mba nisy nikasika mihitsy
Ohatrany ohatrany ohatrany nofinofy izany, kanefa raha hahatahotra vahiny mpanaraoraotra, toa efa feno eraky i Gasikara ny fisehoan ny vahiny mpanaraoraotra, mamarotra entana vita vahiny amin ny fomba vidinjavatra mihoampapana, tsy voavidin ny tsirairay
Madagasikara dia natao ho an ny Malagasy fa tsy natao ho an ny vahiny mpanaraoraotra
ity gvt vao2 miandry ny famatsiambola vahiny iraisampirenena, mbola atao radio io, taratra mangarahara, mbola tsikilovona satria ity rajaomampianina ity tsy lanimbahoaka miisa 22 millions fa halambato be, malagasy 7millions fotsiny no afaka nifidy tamin izany fotoana izany, sady tery fery mamay fotsiny ....tsiss fahazavana sy lalana mahitsy
Mahandrasa 6 volana, asa vita no ifampitsarana, efa tsy mby vaky rano, na vaky lalana intsony fa tena efa misy izany atao hoe vaky fasana
Aiza ho aiza ny tantara Malagasy hatramin izay, ny Tantara mantsy no hanatsoahana ny lesoka indrindra ara politika misy eo amin ny firenena iray, tsy misy afa tsy ny tantara....
Enga anie ka tsy mba ho angano angano arira arira!!!!