Misy zavatra mampanahy ahy mafy ity dia lazaiko ho an'ny rehetra

1. rabaradaka ( 14/10/2014 05:07)
Manahy aho fa terena havoaka ny faritra Madagasikara i Ravalomanna Marc dia halefa any Maurice na Mozambika. Vitan'i Hery sy ny HVM ny manao an'izany. Raha izay no hiseho tokoa dia ady tsy vita satria tena efa sangy mihoatra ny loha izany. Enganie tsy hisy izany fa dia ho raharaha no hiseho. Angatahantsika amin'ny Tompo ny hisian'ny filaminana.
répondu par mpisotrtoaka le 16/10/2014 08:27
2. hery ( 14/10/2014 07:45)
Tsy possible izany satria tsy maintsy hanome passeport azy sy hangataka visa. Sa ve haterina antsokosoko? :-)
Ny eto Madagasikara ihany no misy tafiditra antsokosoko izany.

Ny nahatonga an-dRavalo tafavoaka tamin'ny 2009 dia izy mihitsy no nangataka asile, fa amin'izao izy nody izao tsy mampino hoe hiverina hangataka asile indray izy.
3. rabaradaka ( 14/10/2014 08:59)
ny conseil des ministres teo dia nanapaka fa haverina any Afrique du Sud i Ravalomanana. Ingahy Ravatomanga Rolland dia nanitrikitrika fa tsy ilaina aloha ny fodian'ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Tena nokaikerin'ny amboa kely tiany i Ravalomanana leretsy a ! Raha eo amin'ny lafiny diplomatika aloha dia tsy possible izany handroahana teratany izany fa dia hoe gadraina angamba ! Tena lasa adala ry Hery sy Rivo ary Bari-Njaka leretsy a !
4. vahiny2004 ( 14/10/2014 09:20)
Tsy sahy managadra fa matahotra ny vahoaka
Tsy sahy mamela azy halalaka fa matahotra ny ho voaongana

Aiza re izany e !

@ lazain'i Hery hoe fa angaha azo averina fotsiny ohatr'izao any Afrique du Sud izy raha tsy manaiky ny any
5. rhaj0 ( 14/10/2014 15:59)
FAnontaniana (efa tara na tsy misy dikany intsony) ny ahy : "iza" no nisambotra an-dRa8 ?
Ny zandarma toa nilaza fa tsy zareo fa ny nataon'ny zandarma dia nanakana ny olona (tsy) mirotaka..

(sao dia mbola ry Bombino? satria ry Bombino toa nakisaka tsy namena andraikitra, ka sao dia hoe, io no "nampandraiketana" azy, sa tonga dia "nandray an-tanana "ny lalAna" tahaka ny efa nataony taloha indray zareo ireo?)
6. rhaj0 ( 14/10/2014 18:34)
Hozy ny namana iray hoe
> Araka ny fantatra d asan'ny G6 na groupe d'intervention spéciale, voaofana @lutte antigang & anti-terroriste

Dia izay izany: groupe d'intervention spéciale... antigang & anti-terroriste... iny raharaha iny.

Dia iza indray no "nanome ny baiko" ?

Dia ho ny ministry ny Fitsarana ve?
Fa iza k'lou no tokony hanome ny baiko rahefa raharaha hotr'itony e...

Dia fanontaniana hafa koa hoe, miankina @ iza io groupe io?
(Hotry ny ilay FIS taloha ve io sa ...)

7. rhaj0 ( 14/10/2014 20:03)
ngo ho'a hoe, miala FIS dia miditra ny GIS (groupe d'intervention special)..
dia miala GIS dia miditra HIS (HeryRajao Intervention speciale...)

Resak'hehy iny fa ts mampihomehy...
8. rabaradaka ( 15/10/2014 05:16)
Any Diégo aloha izy zao e
9. andrywui ( 15/10/2014 07:00)
Non , tsy ny Gsis na Fis ( florens aza gaga.) No nisambotra azy. Tsy izy Ravalo no nisamborana azy hono fa le vava beany hoe hanongapanjakana no napipempo ny miaramila oe tany.misy lalana
10. rhaj0 ( 15/10/2014 10:25)
Dia IZA hono no nanome baiko ny miaramila ?

Ny miaramila dia misy manome baiko fa tsy mandehandeha hotry ny akoho tapa-Doha. (Tokony ny sivily no manome baiko azy, ministra na prezida)

(sa tonga dia hotry ny t@ coup d'état iny ihany, ka dia noraisiny an-Tanana ny lalAna?)
11. ombelline ( 15/10/2014 12:15)

andrywui:

Non , tsy ny Gsis na Fis ( florens aza gaga.) No nisambotra azy. Tsy izy Ravalo no nisamborana azy hono fa le vava beany hoe hanongapanjakana no napipempo ny miaramila oe tany.misy lalana


Pfffff ....

Miditra izy tsisy mahita
Misy maka an-keriny izy tsisy mahita tsisy mahalala hoe iza

Maizina marina ao Iarivo ao fa tsy mandeha tsara angamba ilay JIRAMA :-)
12. hadji ( 16/10/2014 02:50)
dia raikitra ny ravavany ra andrwii
13. mpisotrtoaka ( 16/10/2014 08:27)
Efa mazava izao fa afaka miditra eto ny gasy na mis passeport na tsia ! Mbà mihainoa tsara ho'ah
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5681