Ny mpitondra fanjakana no mahazo tombony amin'ny DINA

1. rabaradaka ( 07/10/2014 04:25)
Raha resaka DINA no atao indraim-bava dia tsy zava-baovao tamin'ny fiainan-dramalagasy io fa raha ny tantara dia efa tany amin'ny taon-jato faha XVIII no efa nisy dina nifampifehezana. Fa raha asiana dina mikasika ny halatra omby, vaky fasana, vono olona, halatra madinidinika sy ny sisa dia tokony ho tafiditra ao anatin'io dina io ny Président du Tribunal, ny Gendarmerie nationale, ny Délégué d'arrondissement sy ireo mpiray asa aminy. Matetika ary tena zavatra hitan'ny masoko tany Amboasary, Tsivory, Andranovory, Antanimora atsimo fa ireo delegem-panjakana sy ny veterinera no tena mpanao trafic halatra omby ary rehefa tratran'ny dina ilay mpangalatra dia ny tribunal indray no manafaka azy. Tsisy dikany izany ny Dina ary tsy omeko tsiny raha izay tratra dia vonoina toy ny tao Menabe. Ampidiro anatin'ny dina ny mpitondra fa raha tsy izany resaka mandany vola fotsiny indray io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1359