Fa iza tokoa moa ity RABARADAKA ity e ?

1. rabaradaka ( 05/08/2014 08:12)
Be dia be ianareo no manontany sy mandefa hafatra hoe fa iza tokoa ity rabaradaka ity ? Ho valiako izany anio.
Betsaka no nieritreritra fa olon'ny mpanohitra aho nandritra ny fitondrana TIM nentin'Atoa Ravalomanana Marc, tao koa no nilaza fa olon-dRavalo akaiky aho nandritra ny Tetezamita. Tsia tompoko, tsy natao hanohitra fitondrana i rabaradaka fa natao hilaza ny tsy rariny, ny herisetra atao amin'ny olona, ny halatra harem-pirenena, ny fanavakavahana ara-poko, sy ny sisa.
RABARADAKA dia monina lavitra an'Antannarivo, asa an-tsaha no tena fivelomanay, mamboly sy miompy izahay. Nianatra tany ivelan'ny Nosy nandritra ny taona maro ary nomen'Andriamanitra anjara amin'ny fahaizana maro tokoa. Tsy mpanao politika i Rabaradaka fa olon-tsotra e ! Olom-pirenena tsotra.
Izay aho tompoko
répondu par rabaradaka le 08/08/2014 13:30
2. mirananirina ( 05/08/2014 08:49)

rabaradaka:

Faly mahafantatra an i Rabaradaka .
3. Vony501 ( 05/08/2014 12:08)
Dia faly mahafantatra an'i Rabaradaka koa ny tenanay.
Dia manontany kely raha tsy mahadiso hoe inona moa izany no nahatonga ilay anarana Rabaradaka, satria raha ara-pamaritana (raha ny fahaizako azy), ny mibaradaka dia olona mihaiky heloka, mihaiky fahadisoana, tena mibaradaka fa diso eh...mamôsa hoy izahay aty @ sisiny aty ?
mirananirina:

rabaradaka:

Be dia be ianareo no manontany sy mandefa hafatra hoe fa iza tokoa ity rabaradaka ity ? Ho valiako izany anio.
Betsaka no nieritreritra fa olon'ny mpanohitra aho nandritra ny fitondrana TIM nentin'Atoa Ravalomanana Marc, tao koa no nilaza fa olon-dRavalo akaiky aho nandritra ny Tetezamita. Tsia tompoko, tsy natao hanohitra fitondrana i rabaradaka fa natao hilaza ny tsy rariny, ny herisetra atao amin'ny olona, ny halatra harem-pirenena, ny fanavakavahana ara-poko, sy ny sisa.
RABARADAKA dia monina lavitra an'Antannarivo, asa an-tsaha no tena fivelomanay, mamboly sy miompy izahay. Nianatra tany ivelan'ny Nosy nandritra ny taona maro ary nomen'Andriamanitra anjara amin'ny fahaizana maro tokoa. Tsy mpanao politika i Rabaradaka fa olon-tsotra e ! Olom-pirenena tsotra.
Izay aho tompoko

Faly mahafantatra an i Rabaradaka .
4. rhaj0 ( 05/08/2014 20:50)
mety hoe raba+radaka = izy ilay mpanome ba, dia avy eo mpanome daka :)
5. hadji ( 06/08/2014 04:47)
akay lasy papia a
6. andrywui ( 06/08/2014 08:17)
Sao kosa de i Paul Rabary iany no i Rabaradaka e , mitovitovy tarehy nareo ?
Na sao de rabaradaka de tsy iza fa i Pastera Mailhol ihany
7. rabaradaka ( 07/08/2014 10:50)
faly aho tena faly aho tompokolahy sy tompokovavy amin'ny fitiavanareo ahy,. Ny teny hoe baradaka dia teny malagasy tena malagasy tokoa, samy manana ny heviny araka ny hiheverany azy ny olona fa ny tena dia dia hoe miteny tsy anontaniana.
Mirary soa ho antsika rehetra e ! Ho lasa lavitra anie ity seraserantsika ity ary miala tsiny sahady fa misy hevitra somary misy tsindrim-paingotra maharary tokoa, nefa koa misy toraka voninkazo tsara mihitsy
8. andrywui ( 07/08/2014 19:56)
Rabaradaka ndray tam vo itako nanoratra hevitra tato de tsy de tena ireny oul masiatsiaka reny fa le mpamely tsindrona ambadika manaikitra be reny ....misy ventiny tsara ny hevitra avoakanao eto rabaradaka fa alefaso a ...
9. rabaradaka ( 08/08/2014 13:30)
Misaotra ny namana andrywui, ilay tsidrom-paingotra aloha marina e, fa hajaina koa ny mpamaky mba tsy hiteniteny foana ary tsy hanely tsaho koa. Ny tena tiakoa koa dia efa alefan'ny dadatoa Hery any amin'ny facebook ityseraserantsika ity
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3308