Ny fanitsian'Andriamanitra ny olony

1. Tefigasy ( 20/06/2014 05:30)
Ny boky 2.samoela.12:1-20 no hitondrako fizarana fohy ho anao indray anio, mikasika ny fanitsian'Andriamanitra, ny fananaran'Andriamanitra ny olony rehefa solafaka, nanana fahadisoana teo amin'ny zavatra nataony.
Maro ireo mpanompon'Andriamanitra no mieritreritra ny tenany tsy ho mety diso intsony, tsy ho mety solafaka intsony satria efa voafidy, efa voavidy sy nomena ny lakilean'ny lanitra angaha, ka tsy mety ny hanaiky sy handray fananarana sy fampianarana avy amin'ny hafa manodidina azy intsony, indrindra fa amin'ny mpanompo hafa toa azy koa. Zavatra efa niseho teo amin'ny mpianatra izany fahiny ary mbola mitranga foana mandrak'ankehitriny.
Eto amin'ity bokin'i Samoela ity dia nampiasa ny mpanompony Andriamanitra mba hitondra fananarana ho an'ny mpanompony hafa ihany koa. Tena fomba fiasan’Andriamanitra ny maniraka olona mba hazahoany manitsy ny mpanompony. Natana no nirahiny eto: Jehovah naniraka an'i Natana ho ao amin'i Davida. Nitantara sy nanambara ny zava-nitranga ilay iraka, mampahafantatra ny zavatra nataon'i Davida. Tsy dia nazava tsara teo amin’I davida anefa ny fanoharana natao taminy ka nitsarany fa tsy maintsy atao maty ny olona nahavita izany zava-nitranga izany. Tsy nampoiziny fa izy no noresahina. Ary rehefa nolazaina azy fa izy no nolazain’ilay tantara dia tena fantany ny lanjan’ny zavatra nataony ary tsy nanamari-tena intsony izy.
Izany no fomba fanitsian’Andriamanitra: ampahafantariny ny zavatra nataon’ny olona, ny lanjan’ny fahadisoany, ary hampaneken’Andriamanitra ny zavatra nataony ny olona. Nanaiky I Davida fa olona mendrika ny ho faty noho ny zavatra nataony, fantany ny zavatra miandry azy.
Eo andanin'izany koa anefa dia mbola mamerina nilaza ny fitahiana sy ny asa ary ny zavatra efa nataony sy nomeny an’I Davida Andriamanitra. Inona no tsy nataon’Andriamanitra tamin’I Davida? Novonjeny teo amin’ny tanan’I Saoly, nomena harena, fahefana, voninahitra, laza, na mbola tsy ampy aza izany dia mbola vonona ny hanome Andriamanitra. Andriamanitra nanao zava-dehibe teo amin’ny mpanompony, ary naveriny nampahafantarina izany. Izany no nataony dia ny mba hahatongavana any amin’ny faharesen-dahatra amin’ny fanitsiana ny olona izay tiana hahitsy.
Mpanjaka nanana fahefana I Davida; azony natao ny namono an’I Natana, na niteny hoe iza koa no mba hanarinao. Tsy izany anefa no nataony fa niaiky izyrehefa nampahafatarin’ Andriamanitra ny sazy, endriky ny fahatezerana tokony hampiarina noho ny fahadisoana. Ny olona mahalala ny fahadisoany, ny olona mahatakatra ny alehibean’ny fahotany, ny olona mahalala ny zavatra miandry azy, rehefa mibebaka marina izy dia avela ny helony. Ambara aminy ny famelana ny helony. Tena nisy ny fikasan’Andriamanitra, ary tsy fanambanambanana, na fampitahorana akory izay nolazain’Andriamanitra ho valin’ny fahotana natao, tena sazy tandrify, ary fantatr’I davida fa mifandraika tsara amin’ izay noeritreretiny, saingy avela heloka izy rehefa mifona. Izany no antoka ahazoana manitsy: ny famelan-keloka.
Raha tsy nisy ny famelan-keloka, mba nanao ahoana moa ity izao tontolo izao ity. Andriamanitra mamela heloka no mbola mampisy ny taranaka mandrak’ankehitriny. Ao amin’ny Salamo 51 ny teny nataon’I Davida rehefa avy nanarin’I Natana izy : "Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, araka ny fahasoavanao; Araka ny haben' ny fiantranao vonoy ny fahadisoako. Sasao madio aho ho afa-keloka, Ary diovy aho mba ho afa-pahotana. .Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; Ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; Ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko”

Amin’ny mahapanompon’Andriamanitra, dia misy fotoana hanirahan’Andriamanitra mba hitondra fanitsiana ho an’ny hafa. Misy mpanompon’Andriamanitra hafa ihany koa mba hanirahan’ny Tompo koa izay tsy maintsy hahitsy. Mba jereo izao paikam-panitsiana hanirahanan’ Andriamanitra an’I Natana ahazoana manitsy an’I Davida mpanjaka izao dia ampiharo amin'ny tenanao izay mieritreritra fa mpanompon'Andriamanitra ihany koa. Manaova toa an'i Davida fa nankasitrahan'Andriamanitra ny fibebahany !
Ho an'Andriamanitra ihany ny voninahitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.336