olona matory sa maty dia avy eo mitsanga-ko velona indray !

1. 100tinl ( 22/05/2014 12:24)
misy ny maty natsangan'ireo mpanompon'Andriamanitra dia velona indray , toy izany koa ILay Mesian'Andriamanitra ,velona dia niakatra any an-danitra : ny Baiboly no manamarina izany ; fa ahoana ny amin'ireo "milaza tena " na lazain'ny manodidina azy fa maty dia avy eo velona indray : asa mahagaga ve sa fanafody mahery toy ny fanaon'ny peaux rouge tant Amarika na koa fanafody mahery toy iulay tao Afrika atsimo...? Ahoana no hevitrareo ?
2. mamonjy1 ( 22/05/2014 20:15)
Amiko de manaiky aho,fa manana hery lehibe satana,kanefa voafetra ny heriny,tsy hitovy @andriamanitra mihitsy izy.
Raha olona maty aloha de misy karazany maro,ary misy @ireny tsy tena maty fa dans le coma.
fa izay efa natao formul tahaka an'i mama hova kosa de tsy lainga zany amiko.
Ary Angelica zambrano koa dia tsy lainga velively,Eny fa na dia Marc TaTandraza de mbola ekeko,satria ny hafatra oentiny de tena marina daholo.
Ary ny voa no ahafantarana ny hazo.
Raha ny hafatra sy zavatra oentiny olona ireo de mitovy daholo.
Yve koa de ekeko ny hafany,
fa i fabiola no mampisalasala ahy.Satria ny hafany de toa hafa kely.
3. andrywui ( 11/06/2014 06:28)
Marina zany mamonjy1 ,
Manaratsy olona no "voa" amin i Fabiola de mapisalasala na tsy milamina le "matiny"
4. mandalomiserana ( 12/06/2014 10:06)
ny hanamarinana fa maty ny olona iray dia efa nampianarina ny dokotera, izany indrindra no inatsoana azy ireny hanamarina fa maty tokoa ny olona iray ka izy ireo no manome taratasy hhafahana mandevina ny razana.
raha eto Tana- ville ianao no maty dia tsy maintsy miantso BMH (afa-tsy hoe: tany @ ny tobi-pitsaboana no niala aina) mba hojeren'ny dokotera izay vao mahazo miteny hoe: maty ny olona iray (avy eo mahzo acte de deces).
tsy misy BMH manery anao izany hoe : tsy maintsy alevina izao dia izao fa ianao no manapaka ny fotoana handevenanao ny razanao, fa tsy maintsy manaraka ny fitsijovana ara-pahasalamana kosa raha misy atahorana.
milaza i fabiola fa maty, dia nitsangana, azo lazaina daholo ny zava-drehetra, fa raha mahafinaritra azy ny miteny hoe maty veivetika izy dia tokony nasainy nantsoin'ireo havany aloha ny BMH hanamarina izany, avy eo, rehefa velona indray dia nantsoina indray ry zareo (bmh)HANDROVITRA ilay taratasy handevenana sy saika hanamboarana acte de deces any @ ny firaisana fa nitsangana t@'ny maty izy.
t@ny andron'i Jesosy anie , ny version officielle dia nisy nangalatra ny fatiny e; nefa 2000 taona aty aoriana dia manaiky ny mpino fa nitsangana t@'ny maty Izy; noho izany ny marina tsy azo foronina ary tsy mety maty na dia tsy nekena aza t@'izany ,saingy misy version officielle atao reference aloha fa tsy affirmation gratuite.
Hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra, fa tompon-daka koa ny devoly raha hamafy lainga;
hoy ny Tompo hoe: zahao toetra ny fanahy.......Aza mora minomino foana fa very @'izany.
saingy ny safidy dia anao ihany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0422