Tokony hankalaza ny 1ere Mai ve ny Kristiana???

1. Maranatha ( 30/04/2014 10:38)
Ny daty ny 1ere Mai dia voalaza fa fetin'ny asa. Noho izany tsy misy miasa ny mpiasa eny na ireo izay milaza ny tenany fa Kristiana aza.

Ny 1ere Mai anefa dia fankalazana ny daty izay namoronana ny Illuminati (1ere Mai 1776) Jereo ity rohy ity http://fr.wikipedia.org/wiki/Illumin%C3%A9s_de_Bavi%C3%A8re .
sy ity blog-ny ity http://www.hiram.be/Le-1er-mai-des-Illuminati_a1525.html

Ny tokony hatao ??? tokony ho toherina izany. Raha mpiasa @ orin'asa, na @ fanjakana hianao dia manaova asa hafa any an-trano f'aza maka aina na mametraka io daty io ho fialam-boly.

Ny hevitrareo
répondu par ombelline le 05/05/2014 08:35
2. toriteny ( 30/04/2014 10:58)
Tonga indray Maranatha. Ianao ve tsy reraka e?



1)Sur v ianao fa tena resaka illuminati no tsy hiasana amin'ny 1 MAi?
2)D lasa Illuminati daholo izany izay tsy miasa amin'io?
3) Fa anga mou misy zavatra na fombafomba atao (rituel) tsy mifanaraka amin'ny baiboly ny 1er MAi ka hoe tsy tokony hankalazaina?
4)Mety ho pont zao amin'ny vendredi d tsy hiasa. D Hijery ianao am net mety hahita zavatra hafa mitovitovy amin'izay. Tsy haiko mety hoe andron'ny pretra hindouiste, anniversaire an'i Bouddha. D tsy tokony hiasa koa v satria andro fankalazana an'ireo?

3. bor2lais ( 30/04/2014 11:05)
Inona aloha no antsoinao hoe "mankalaza" ?
Ny maka aina sy miala voly v ? :-)
4. Noue ( 30/04/2014 12:28)

Maranatha:

Ny daty ny 1ere Mai dia voalaza fa fetin'ny asa. Noho izany tsy misy miasa ny mpiasa eny na ireo izay milaza ny tenany fa Kristiana aza.




tsy azoko hoe inona no hidiran'ny 1er Mai fetin'ny asa @ maha kristiana sy ny tsy maha kristiana ee

fa nga raha kristiana dia tsy mahazo miala sasatra @ io 1er mai io ?????

andro iray mba omena anao satria natao hoe fetin'ny asa ka inona no olana ????

andro iray natokana , tena natokana tsy hiasana satria fetin'ny asa ka fanontaniana kidaladala ny fahitako ny anao hoe tokony hankalaza ny 1er mai ve ny kristiana ?
5. rhaj0 ( 30/04/2014 13:05)

Noue:
tsy azoko hoe inona no hidiran'ny 1er Mai fetin'ny asa @ maha kristiana sy ny tsy maha kristiana ee


Mety hoe izaho no m(p)anitatra, fa raha ny fahitako azy, dia tahaka ny ataon'ireo fondamentaliste any @ finoana hafa izao resaka izao. Ampidirina "finoana" sy ny "fombafomba raikitra @ finoana" daholo izao resaka rehetra izao.

Ohatra fotsiny hoe, in-1 mandeha, hoy aho hoe mi-google rahefa manana fanontaniana.. dia hoy i Maranatha toatoa ny hoe, "kristianina? baiboly ihany" (nefa io izao izy mba mi-wikipedia ihany.. favy e...). Io izao resaka fiainana andavanandro, 1er mai fetin'ny asa.. asisihana resaka finoana.. resaka homoseksoaly iaraha-monina.. resaka siansa sy fahalalana izao tontolo izao.. aoka re sy Mose Fondamentalista...

Izay no itiavako ary hanajako ambony an'i Obama. Hoz'izy tao @ bokiny "The Audacity of Hope", raha ny fahazoako azy gilobaloba..
Ny Finoana dia ataovy ho "inspiration" ho anao irery ao, fa ny zavatra sy resaka arosonao, dia amarino sy amafiso ara-lojika/siansa/sosiolozia/psikolozia/...
(indrindra rahefa manao politika dia manao "compromis", izany hoe manana ny laha-kevitrao ianao, principe & valeur, ary mijoro na mirona hatrany ho @izany, fa kosa, satria miaina anaty fiaraha-monina, hevitra samy manan'ny azy, dia misy resaka tsy maintsy ileferanao, anajanao ny (resaka) hafa...
6. Liber_T ( 30/04/2014 16:17)
Mba tsy reraka tokoa ilay Maranata. Tokony ho fantany fa andrl natokan'ny katolika hanajana manokana an'i Md Josefa mpiasa (Ray nitaiza an'i Jesoa) ny 1 mai. izany hoe fony tsy mbola niala akory i Luther. Sa rehefa anniversaire-n-janakao ohatra ny 26 juin 1990 dia tokony hofoanana ny fetim-pirenena 1960 fa toy ny hoe mankalaza an'ilay zanakao? Mampihomehy ihany ny olona rehefa ampiampy kely na ny mifanohitra amin'izay raha tsy tiany ilay mihoatra
7. Noue ( 30/04/2014 16:34)

Maranatha:

Noho izany tsy misy miasa ny mpiasa eny na ireo izay milaza ny tenany fa Kristiana aza.




ny fahitako ity voalaza ity dia na manesoheso , na manao tsinontsinona , na maniratsira ny kristiana !!

hita zany zao fa tsy kristiana ny mpandefa ny dinika raha tsy zany tsy hanao zao dinika zao

sa kristiana hafahahafa ?

sa ve hanadala fotsiny ? satria na dia ankizy kely vao firy taona aza tsy hametraka fanontaniana kidaladala tahaka zao
8. moustaraf ( 01/05/2014 06:43)
Salama namana isany,
Olana ho an'ny kristiana raha bdb tahaka izao ny mahantra ara pahalalana.
Io baiboly ampelatananareo io ve de tsy mba vakiana mihitsy e??
Ny fety na andro na fankalazana inspiree avy amn sampy na Elohym sandoka tsy voararan'ny baiboly tanteraka, eny fana ny fanononana anaran tsampy aza dia voarara tsy ho heno avy amn vava.
Izany no tsy tokony hanaovana ny fetin'i janus arius (1er janvier ), 25 dec (Mitra ), 1er mai (Maya ) sns.. izay samy avy amn fiankohofana amn sampy avokoa.
Ohatra goavana no nasehon dry Daniela sy ny namany, ...
9. moustaraf ( 01/05/2014 06:52)
Ny tsy miasa ve mankalaza?
tsy mankalaza ianao, fa ianao dia mitsahatra mitovy amn ireo rehetra mankalaza ihany. Misy ve fiangonana sahy milaza hoe izahay dia hanao fotoampivavahana fa tsy hanao an'io 1er mai io?
Rehefaa nampahafantarina ianao dia misaora ary mivavaha sy mifona ao amponao fa na dia mitsahatra aza ianao dia tsy isan'ny mankasitraka ny fankalazana ny andron'i Maya
10. rhaj0 ( 01/05/2014 16:33)
Ka dia harary fo @izany ao ianao Moustaraf, ary dia tsy hankalaza n'inon'inona mihintsy...

Ianao izany izao sahala @ ilay fanaon'ny olona fihomehezana aty hoe:

.. noho ny finoany , dia mihidy tao an-tranony, namato-tena tao am-pandriana tao izy ny Azoma alina, ary dia neefany, tsy mety mahita tory, ka dia manompanompa sy manozona ireo tsara revy any ivelany rehetra any...

Esy e.. efa hitan'ny tanora io : vendredi jolie.. :)
11. ombelline ( 05/05/2014 08:35)
Dia tokony hanao inona izany ny kristianina ? Ny birao aza mihidy ka na te hiasa aza tsy afaka

Io ange raha hotadiavina dia hahitàna tsininy daholo ny andro 365 @ taona e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4164