Naninona teto Madagasikara ny GICM
1. notron
(
01/04/2014 07:16)
salama e!
Nandalo teto Madagasikara ny GICM (Groupe de Contact International pour Madagascar), izany hoe : ireo vondrona aty @ faritr'i Afrika (COMESA, COI, SADC, UA, sns..) izany hoe ireo rantsan'ny antsoina hoe "Communauté Internationale" (CI), ny CI izay azo faritana hoe "Vondron'ireo firenena tandrefana mpanjanaka ireo miahaka, na ara-tsaina, na arak'harena, na ara-teknolojia. Izany hoe : Vondron'ireo Jiolahim-politika Avo lenta Iraisam-pirenena.
Inona no antony nahatongavany teto amintsika?
Notokanana tamin'io andro io ny vokatra solitany voalohany eto Madagasikara.
Notokanana @ fomba ofisialy moa no marimarina kokoa e! Fa raha ny solitany eto Madagasikara dia efa ela no nisy sy notrandrahana. Tsimiroro, Bemolanga, sns...
Koa aza misy taitra isika raha misy tsipoapoaka etsy sy eroa, misy trano may tsy amin'antony, misy zaza na olon-dehibe very, sns... fa fanombohany ihany izany (Tsy mampitahotra aho akory an!)
Io ilay antsoina hoe "Politikan'ny dona", izany hoe domina mafy ny saina ka rehefa voa avy eo dia mora manaiky ho azy satria ny Malagasy tsy tia gidragidra.
Ny solitany eto amintsika no anton'izany satria efa manomboka ho lany ny any @zareo. Iva toerana rahateo ny solitany eto amintsika ka eto no ahitana izany farany rehefa ritra ny any rehetra any.
Mety hahazo antsika ny mahazo an'i Iran, Irak, Arabie Saoudite, Koweit, sns... (enga anie tsy hisy izany. Ilay Filoha teo aloha izay iarahan'ny rehetra manaiky tena kinga saina indrindra miohatra @zay Filoha rehetra nitondra dia heveriko ankehitriny fa ny tsy hitiavany korontana no tsy namelany hitrandrahana an'i Bemolanga (Lasa hira ambavan'ny tanora moa io Bemolanga io)
Ho lava ny soratra fa aleo faranako. Miankina be dia be @ Mpitondra ny ho tohin'izany.
Fampatsiahivana fotsiny no ilazako hoe efa renareo va ilay hoe "BRICS" (Brésil, Russie, Inde, Chine, South Africa), Manana politika ekonomika ireisana ireo ary hatanjaka atsy ho atsy nefa firenena tsy mifanakaiky toerana akory. Ary afaka 20 na 30 taona dia i Chine no firenena matanjaka indrindra eran-tany.
I Madagasikara taiza, aiza ary ho aiza??????
Mahereza daholo ry namana a!

répondu par vonynive le 02/05/2014 06:24
2. hery
(
01/04/2014 21:07)
Firenena avy (mbola) nandalo krizy Madagasikara ka manana zo hitsabaka daholo aloha hatreto izay te hitsabaka. Hadalàna ve sa fanahinian'ny Gasy izany? Raha hadalàna dia mba ekeko ihany hoe atao ahoana fa donto, fa raha fanahiniana dia misy "haute trahison" ao. Izany hoe misy olona vitsivitsy mivarotra tanindrazana tanteraka. Aleoko ihany indray olona mivarotra tany satria iny hitanao eo no hikarakarany azy fa ny solika sns dia tsy fantatra mihitsy hoe firy no laniny ao sns...
Tsy manan-tsafidy isika e. Efa lasan'ny mpanao politikany fitantanana... ny fanantenana fotsiny dia mba hiasa tsara ny feo fahadimy dia ny mpanao gazety izany ka ho afaka hamoaka araka ny tokony ho izy ny zavatra tsy mety. Raha toa tsy afaka manova zavatra moa izany dia ho tahiry ho an'ny taranaka fara mandimby.

3. milamm
(
03/04/2014 12:49)
Salama daholo e, mikasika ny GICM sy ny antondiany teto dia itovizako hevitra tanteraka amin'i notron Vondron'ireo Jiolahim-politika Avo lenta Iraisam-pirenena, oh. hafa manamafy izany ny 1 aprily teo senatera frantsay tonga eto amintsika avy @ vondrony parlemantaire france-Madagascar tonga nanakiana ampahibemaso ny andrimpanjakana mpanatanteraka (presidence) tsy tokony itsabaka ny raharaha ny mpanao lalana HCC izy ireo (vaovao namafisiny filoha lefitry antenimiera Abel Zafimahatratra avy any fianaratsoa teo anatrehany mpanao gazety tvplus) mitory fitsabahana tanteraka @ fitantanana ny fiainampirenena izany mazava ny toerany frantsay mikasika izany.
Betsaka ny zavatra nafenina antsika rehetra hatraminy 1958 nifanarahana Itpkl Tsiranana sy momba ny fahaleovantena marina sy ireo nosy manodidina antsika, saribakoly sy rajakombazaha manaraka ny baiko ny elysee sy quai d'orsay daholo no nifandimby ankoatry ny filoha Ravalomanana izay nino fa efa mahaleo tena isika afaka manodina ny motera ampandrosoana ny firenena, jereo ny niseho 2009 hatrizao nandritra ny fitondrana mpanonganampanjakana tsy nisy na 1 aza ireo firenena lehibe nihetsika ankoatry ny amerikana(satria voaambana basy ny ambasadaory N.Marquardt henatra tanteraka antsika tsy adinon'izy ireo mandrakizay)nilaza ny tsy fahafaliany, taiza ny ONU tsy nanao inon2 nefa jereo fotsiny Crimea atsinanany eropa sy ukrainia(nipoirany revolisiona oranjy) nipoitra daoly zao rehetra izao niseho iaro ny demokrasia, tena fantatry ireo firenena 5 matanjaka ao @ ONU zany malahelo aho milaza fa mbola zanatany frantsay isika fa ny vahoaka fotsiny no mahaleo
tena izay no mahatonga ireny fitsabahany frantsa nandritra ny 60 taona ireny ka ao ny fototra aiza ny fanajana izany fifanarahana 1958 izany inona marina no voarakitra tao

4. milamm
(
03/04/2014 14:41)
niteny ny BRICS ra norton teo ka ndao ary iala kely aminy fisainana mahazatra isika(think outbox) fantatra mazava oh. korontana politika sy ekonomika rehetra miseho eraky zao tontolo zao (fandaharan'asa ao anatiny fanatotontoloina erantany ahitana ny World Trade Organisation) fa miodikondina ao anatiny solitany, entona fandrehitra, harena ankibontany(geopetrol stake) izay feheziny ireo antsoina oe global corporatocracy Seven sisters (orinasa avo lenta erantanyiombonany ireo firenena kapitalista)niforona tany Scotland misy ny Exxon mobile izay nihaonany raforsa tany New York sy ny solotenany teto Mkara, Total frantsay, BP britanika, Chevron holanday sns anisany mibaiko sy mamatsy vola ny governemanta ny tsenambarotra eratany financial market(city, wall St...) banky iraisampirenena(international bank cartel BCE misahana ny fitotongany na fiakarany sandambola tsenambola iraisampirenena sy tahany tsy fananan'asa, FED izay fantatsika fa nanome fanampiana faha11 an'i Madagasikara farany teo)
Iverina @ BRICS ary isika aiza ho aiza no toerana misy azy @ zany rehetra izany fantatra fa nikaondoha voalohany ny 2006 io @ rafitra sy fandaharan'asa katsahiny ary ny tanjona ho tratrariny @ zany dia ny ifaninana @ ireo banky iraisampirenena mpamatsy vola toy ny IMF sy WB rantsa-mangaika sy fitaovana ekonomika ampiasainy tandrefana anjanahana ireo tany madinika mifandraharaha aminy, hevitra iray hafa ihany koa azo jerena momba ny fitrandrahana ny harena ankibontany eto amintsika izy ireo momba ny famatsiambola sy fiarahamiasa aradrariny na ho an'ny andaniny na ankilany, ny olana efa mba nifampidinika na nadefa solotena ijery momba izany ve raforsa sa vonona ampandohalika lava ny firenena Malagasy hiankidoha @ frantsay indrindra2, tadidintsika tsara fa ny tena antony ampindramany IMF na WB antsika vola de tsotra ampitontongana ny sandambola malagasy mihoatra ny euro na dollar ka ho mora sy kely ny vola omeny ary ho lafo be ny mamerina izany avy eo miaraka @ zanabola zany oe tsy ho afatrosa mandrakizay isika ka omena maimaipoana ireo harena ankibontany rehetra eto.
Ankoatry zay dia na dia efa mitaky aza Ratsiraka taorinany 1975 mikasika ny iles eparses, juan de nova sns t@ frantsay dia namerina izany fitakiana izany ny filoha Ravalomanana ka dia isany nanongany frantsay iny azy noho ireo tahiryintsolika izany, ireo izao no tena vaindohandraharaha amiko lehibe tokony hatrehany Rep.faha-4 nefa dia mahakely finoana ahy ny ahavitany raforsa anzany lasa ko vavany toy ny haron-tabebaka fotsiny mantsy ty filoha ty raha ny P.M aza tsy tapany fa voarebireby mangata-dava fotsiny ary hivaro-boba indray ny harempirenena toy ny 5 taona lasa izay

5. vonynive
(
02/05/2014 06:24)
hery:
Firenena avy (mbola) nandalo krizy Madagasikara ka manana zo hitsabaka daholo aloha hatreto izay te hitsabaka. Hadalàna ve sa fanahinian'ny Gasy izany? Raha hadalàna dia mba ekeko ihany hoe atao ahoana fa donto, fa raha fanahiniana dia misy "haute trahison" ao. Izany hoe misy olona vitsivitsy mivarotra tanindrazana tanteraka. Aleoko ihany indray olona mivarotra tany satria iny hitanao eo no hikarakarany azy fa ny solika sns dia tsy fantatra mihitsy hoe firy no laniny ao sns...
Tsy manan-tsafidy isika e. Efa lasan'ny mpanao politikany fitantanana... ny fanantenana fotsiny dia mba hiasa tsara ny feo fahadimy dia ny mpanao gazety izany ka ho afaka hamoaka araka ny tokony ho izy ny zavatra tsy mety. Raha toa tsy afaka manova zavatra moa izany dia ho tahiry ho an'ny taranaka fara mandimby.
tsy tokony hanantena fotsiny ny "feo fahadimy" isika fa isika rehetra manam-pitiavana sy fitiavana ny tanindrazana dia samy tokony hamoaka izay zavatra tsy mety, ny fokonolona ifotony ange no tena mahita ny zavamisy any ambany ravinkazo any e