"Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany" !

1. riri12 ( 02/07/2013 18:25)
Indraindray rehefa kivy, tsy afa-manoatra ny olona iray dia miantso tody ka milaza hoe: "Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany" !Inona no tena hevitr' io fombam-pitenenana malagasy io? Mifanaraka amin'ny toe-piainana kristiana ve?
répondu par bor2lais le 11/07/2013 09:11
2. sitlo ( 02/07/2013 23:07)
Azo lazainao ve aloha ny anton'ny anontanianao hoe mifanaraka amin'ny toe-piainana kristianina ve? tsy te hamily resaka aho fa mba te hahalala.
3. riri12 ( 03/07/2013 08:51)

sitlo:

Azo lazainao ve aloha ny anton'ny anontanianao hoe mifanaraka amin'ny toe-piainana kristianina ve? tsy te hamily resaka aho fa mba te hahalala.

sao medy diso fandika aho manko dia mba te hahafantatra ny tena hevitr'io fomba fiteny io alohan'ny hiresahako izay mba fanakarako azy na fiheverako azy ka ilazako ny hevitro avy eo raha toa ka azo ampifanarahana amin'ny fiainana kristiana io fiteny io
4. Miharena ( 03/07/2013 09:45)
Raha izy amin'ny fomba fitenenana dia midika faharetana io teny io. Ao ny hoe "Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra an-tampon'ny loha". Izany hoe ny Malagasy dia mihhevitra hatrany fa anisan'ny mijery azy mandrakariva Andriamanitra ary izany no tsy anaovan-dratsy.

Tokony tsy ho tody no itenenana ilay teny fa fampahatsiahivana ny namana fa misy tsy mety no nataony tamin'ny tena.

Ka asa raha toetra Kristianina izay na tsia aloha fa toetra Malagasy io nambara io sady mbola voafaritra ho ny Malagasy afovoan-tany ihany aza angamba raha tsy hoe efa niparitaka eran'i Madagasikara.
5. bor2lais ( 03/07/2013 09:58)
riri12:

"Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany"

Amiko dia azo raisina ho endrika anehoana fa matoky tanteraka ny fitondran'Andriamanitra ny fiainana io teny io, noho izany dia tsy mifanohitra velively amin'ny toe-piaina Kristiana : fanankinana ny fiainana amin'Andriamanitra ! :-)

Matetika anefa dia teny fampiasa rehefa tratry ny hetraketraka na ny tsy rariny izy io, izay angamba no ilazan'ny namana riri12 hoe fiantsoana tody io teny io ! Raha amin'izay lafiny izay indray dia mifanohitra amin'ny toe-piaina Kristiana : tsy miantso tody na manozona izay heveriny fa manisy ratsy azy ny Kristiana ! :-)
6. sitlo ( 03/07/2013 17:17)
Somary diso ny an'i bor2lais satria amin'ny kristianina dia misy filirony atao.
7. endriny ( 04/07/2013 05:53)

riri12:

Indraindray rehefa kivy, tsy afa-manoatra ny olona iray dia miantso tody ka milaza hoe: "Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany" !Inona no tena hevitr' io fombam-pitenenana malagasy io? Mifanaraka amin'ny toe-piainana kristiana ve?

Fampiononan-tena no tena dikan'io. Satria efa tsy hita intsony izay atao fa ny lalana marina natao rehetra toa resin'ny tsy rariny avokoa.
8. bor2lais ( 04/07/2013 14:09)
sitlo:

Somary diso ny an'i bor2lais satria amin'ny kristianina dia misy filirony atao.

Mety tsy diso angamba ny lazainao saingy mba azonao ambara misimisy ve ny tianao ampitaina azafady ?
1. Inona ilay somary diso nolazaiko ?
2. Inona ilay filirony tianao lazaina ?
Misaotra mialoha ô ! :-)
9. riri12 ( 04/07/2013 16:08)

bor2lais:

sitlo:

Somary diso ny an'i bor2lais satria amin'ny kristianina dia misy filirony atao.

Mety tsy diso angamba ny lazainao saingy mba azonao ambara misimisy ve ny tianao ampitaina azafady ?
1. Inona ilay somary diso nolazaiko ?
2. Inona ilay filirony tianao lazaina ?
Misaotra mialoha ô ! :-)

misaotra amin'ny ady hevitra!
ny fomba nanakarako ilay fomba fiteny mantsy raha maheno io fomba fitenenana io dia ohatry ny hoe miantso an'Andriamanitra hamaly ratsy ny hafa satria efa lany haiky tanteraka ilay olona tamin'ny làlana rehetra hitany fa mety.
10. riri12 ( 04/07/2013 16:13)

ny fomba nanakarako ilay fomba fiteny mantsy raha maheno io fomba fitenenana io dia ohatry ny hoe miantso an'Andriamanitra hamaly ratsy ny hafa satria efa lany haiky tanteraka ilay olona tamin'ny làlana rehetra hitany fa mety, ankoatran'ny hoe manambara faharetana ilay fitenenana.
11. bor2lais ( 05/07/2013 08:25)
riri12:

ny fomba nanakarako ilay fomba fiteny mantsy raha maheno io fomba fitenenana io dia ohatry ny hoe miantso an'Andriamanitra hamaly ratsy ny hafa satria efa lany haiky tanteraka ilay olona tamin'ny làlana rehetra hitany fa mety.

Amiko ny toe-piainana Kristiana dia fiainam-bavaka. Rehefa lany haiky tamin'ny ala-nenina ianao dia mivavaka ho azy (sy ho anao koa) no tokony atao (apetraka amin'Andriamanitra ny olana mba tsy hanavesatra ny fo) ! Ka io lazainao io dia tsy vavaka fa ozona : tsy (tokony) an'ny Kristiana izay ! Ny vavaka (amiko) dia firariana ny soa fa tsy ny ratsy akory ! :-)
12. sitlo ( 07/07/2013 07:11)
Ry Bor2lais,

Dia fanirianao tokoa ve ny hamaliako ireo fanontaniana napetrakao ireo?

sitlo
13. bor2lais ( 08/07/2013 09:35)
sitlo:

Ry Bor2lais,

Dia fanirianao tokoa ve ny hamaliako ireo fanontaniana napetrakao ireo?

sitlo

-> Ry sitlo,
Dia fanirianao tokoa ve ny hamaly am-pitiavana ireo fanontaniana napetrako ireo ka mba ho valinteny mahasoa sy mampandroso no omenao (ahy) ?
:-) :-)
14. sitlo ( 08/07/2013 19:52)
Ry Bor2lais,

Ny antony nanaovako hoe somary dia tsy tena voafaritra mazava tsara ny ilay izy ka raha hamaly aho dia azo atao hoe: ka izay ange no nolazaiko e.
Ka ilay hoe:
Amiko dia azo raisina ho endrika anehoana fa matoky tanteraka ny fitondran'Andriamanitra ny fiainana io teny io, noho izany dia tsy mifanohitra velively amin'ny toe-piaina Kristiana : fanankinana ny fiainana amin'Andriamanitra !
dia misababaka eo ihany, satria amin'ny kristianina dia faritany ny hoe Andriamanitra: ny toetrany, ny tiany atao sy ny sisa
Ka raha misy olon-kafa matoky an'Andriamanitra ka tsy amin'ny alalan'i Jesosy dia finoanoam-poana izany amin'ny kristianina. Ireny "condition" isakarazany ireny no tiako nolazaina tamin'ny hoe filirony.
Ny teny hoe "Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany" dia efa miandry valiny sisa. (arakarak'ilay finoana ny filirony, na ny valiny andrasana).
Raha fehezina fohy dia tsy afaka lazaina hoe mifanaraka amin'ny finoana kristianina na tsia io fehezateny io. Arakaraka (izay ilay hoe somary).

Entre pa, ny tody dia tsy voatery ho ratsy, fa azo adika amin'ilay hoe karma. Fa saingy ny teny moa miova ka tsy ifamaliana be loatra.
15. bor2lais ( 09/07/2013 10:34)
Ry sitlo,
misaotra anao namaly ny fanontaniako ! :-)
Azoko tsara ny tianao lazaina saingy ny tiako marihina aminao fotsiny dia ity :

riri12:

Indraindray rehefa kivy, tsy afa-manoatra ny olona iray dia miantso tody ka milaza hoe: "Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andriko ihany" !Inona no tena hevitr' io fombam-pitenenana malagasy io? Mifanaraka amin'ny toe-piainana kristiana ve?

Io fanontaniana farany io no noezahiko nitondrana valiny araka ny fomba fijeriko azy ! :-)
Izany hoe fijery Kristiana mino an'Andriamanitra Ray, Zanaka ary Fanahy Masina ! ;-)

Entre pa, tsy dia mampaninona ny sofinao loatra izany ny resaka tahaka ity :
- dia samy ho tahian'Andriamanitra daholo isika rehetra !
- manodiava e !
:-)
16. Nehemiah ( 09/07/2013 12:43)
Amiko manokana, justice immanente no tokony andikàna ny hoe tody.
17. bor2lais ( 11/07/2013 09:11)
Momba ny tody aloha toa tsy dia misy maniry ny ho tratrany raha ny fomba fiteny malagasy no jerena : "aza manody ..." :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0579