Hajo Andrianainarivelo : Ny antony ijorontsika rehetra eto !!!
1. rirami
(
20/06/2013 12:18)
(…) Sarotra hoy aho ny raharaham-pirenena kanefa isika tsy mba matahotra ny sarotra. Satria isika manantena, satria isika mahafantatra fa isika dia teny tokana ihany no niarahantsika hatramin’izay dia ny fanovana ity firenena ity. Ny fanovana mba hahazoan’ny taranaka faramandimby ny anjara birikiny sy ny anjara-masoandrony amin’ity firenena ity. Dimampolo taona lasa izao no nisy ny fahaleovan-tena teto Madagasikara. Sahintsika ve no miteny, sahintsika ve no milaza fa miha-mitombo ny harin-karena malagasy ? Nahita asa ve ny zanaka Malagasy ? Miditra antsekoly daholo ve ny zanaka Malagasy ? Ary inona ny zava-niseho ? Ny zanaka Malagasy foana no atao fitaovana. Ny zanaka Malagasy foana no atao tohatra fiakarana. Izahay matoa nirotsaka dia tsy manaiky ny atao tohatra fiakarana fotsiny ary izay no ijoroantsika rehetra eto. (Hajo Andrianainarivelo, Ambohimanambola - 16 juin 2013)
répondu par Anjianoro le 23/06/2013 08:36
2. hery
(
20/06/2013 13:27)
Efa minisitra tamin'ny HAT.
Rehefa nandray anjara tamin'io HAT io dia tsy poinsa... ary anisan'izany koa i Mamy Rakotoarivelo
Rehefa nandray anjara tamin'io HAT io dia tsy poinsa... ary anisan'izany koa i Mamy Rakotoarivelo
4. pisoonja
(
21/06/2013 09:27)
Ireo rehetra nilatsaka hofidiana ireo efa nihinana teto Mada daholo ko!!! efa teo @ ra08 i Hajo , mbola nihinana teo @ Fat d mitady hihinan-drery lery , tsa poinsa lery na hanao inona na hanao inona , efa maloto O!o!o!o!
6. sitlo
(
21/06/2013 15:42)
Izao ilay lazaiko hoe mifidy olona. Amin'io lahatsoratra io izao tsy misy mihitsy na kely aza hoeahoana?
7. Alfantomas
(
23/06/2013 06:55)
Kabary ambony vavahady daholo ny an'ireo mpirotsaka hofidiana ireo indrindra ny efa tao anaty fitondrana... Lovan'ny taranaka e,fiovana e,fanarenana an'i gasikara e...ronono an-tavy daholo fa rehefa tonga eo mihinana volam-panjakana daholo ihany... Sady raha mbola eropeanina sy amerikanina no ao ambadika dia tsy lasa fa efa 53 taona izay ireo no mampahantra antsika... Aleo mba tantanan'i aziatika indray hojerena (Ny Rado Rafalimanana kandidan'ny aziatika)
8. Anjianoro
(
23/06/2013 08:36)
Alfantomas:

Samy manana ny safidy io fa raha ny ahy manokana aloha dia aleoko miheritreritra olona toy izao e !! Manam-pahiazana !! Ekeko hoe niara-dia t@ tetezamita izy teo fa rehefa mandinika aho , lalin-tsaina ity kandidà iray ity !! Sady raha tafapetraka teo niaraka t@ ANR izy !! Tsy ho hainy ve ny hanala an'i ANR eo !!!