tokony tsy hahemotra intsony ny fifidianana fa ten...

1. alfantomas ( 20/06/2013 07:53)
tokony tsy hahemotra intsony ny fifidianana fa tena mijaly ny vahoaka Malagasy
répondu par silver5 le 24/06/2013 11:43
2. pisoonja ( 20/06/2013 12:59)
Dia inona ary hoy ianao no tokony hatao ? hiady ve sa hikomy satria raha ny fahitako azy dia tsy nahemotra indray ny fifidianana dia hiverina otran'ilay tondrozotra
3. hery ( 20/06/2013 13:31)
ka teneno izay tompon'andraikitra antony hanemorana io fifidianana io.

Ny mahatonga ny fifidianana hihemotra dia satria tsy mety miala 60 jours mialoha i Rajoelina satria sady te ho prezidà no te hilatsaka hofidiana. Ny CES amin'io tsy sahy manameloka azy dia ahemotra ahemotra foana.

Iza no mahazo tombony? Rajoelina ihany satria izy filoha foana rehefa mbola tsy vita ny fifidianana.
4. nilex ( 24/06/2013 09:50)
aza adino fa ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin'i rajoelina dia ny tsy hisian'ny fifidianana mihintsy aloha.Iny filatsahany iny no hita voalohany,efa fantany ny fiatraikan'iny fa nataony ihany satria mila ravana aloha ny fifidianana.
5. silver5 ( 24/06/2013 11:43)

nilex:

aza adino fa ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin'i rajoelina dia ny tsy hisian'ny fifidianana mihintsy aloha.Iny filatsahany iny no hita voalohany,efa fantany ny fiatraikan'iny fa nataony ihany satria mila ravana aloha ny fifidianana.

Tsy zany ve moa ny fanirian'ny rehetra e!! Iza moa no tompon'andraikitra voalohany tsy maha-tanteraka an'io raha tsy rajoelina irery ihany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.576