Ianareo ve tsy mahita fa mahalasa adala, na mahakaondrana ny finoana diso tafahoatra
1. endriny
(
29/05/2013 13:38)
Namana iray mpanamory fiara manidina, mpivavaka izay no nilaza fa nahita an'i Jesosy teny ampanidinana dia nariana ny asa fa lasa mitory eny amin'ny arabe, lasa Jhony Gasy 3. Mampalahelo ny fianakaviana fa atao ahoana moa.
répondu par miarilala le 01/06/2013 22:00
2. hery
(
29/05/2013 14:05)
Fa iza ny Jhony Gasy 2 ? :-)
Entre pà iny.
Tsy ny finoana no mahalasa adala fa ny finoanoam-poana.

3. Tefigasy
(
29/05/2013 14:07)
endriny:
Namana iray mpanamory fiara manidina, mpivavaka izay no nilaza fa nahita an'i Jesosy teny ampanidinana dia nariana ny asa fa lasa mitory eny amin'ny arabe, lasa Jhony Gasy 3. Mampalahelo ny fianakaviana fa atao ahoana moa.
Paoly : double nationalité, nanana ny asany sy ny fivelomany, lasa fanaka voafidy ho mpitoriteny mpitety tanana rehefa avy nisehoan'i Jeso
Matio : mpamory hetra, mampiditra vola be isan'andro, lasa nanaraka sy niasa ho an'i Jeso
Marka : zanak'olona mpanankarena tao jerosalema, lasa nitety izao vazan-tany rehetra izao, niaraka tamin'i Paoly mba hizara famonjena
Lioka : dokotera nefa lasa nanoratra testemanta maro ao anaty baiboly sy niara-niasa akaiky tamin'i Paoly ihany koa
Zakaiosy : mpamory hetra iray hafa koa, rehefa naniry mafy ny hahita an'i Jeso dia nandray ny famonjena ary nizara ny fananany rehetra ho an'ny malahelo
Tefigasy : miezaka mitory an'i Jeso amin'ny internet rehefa miasa aty andrehivohitra ary manararaotra mitory any ambanivohitra rehetra any rehefa mandeha mission.
==> Mety kaondrana daholo angamba ny fiheveranao an'ireo rehetra ireo satria diso tafahoatra daholo ny finoany, mitety izao vaza-mototra sy kirihitra rehetra izao mba hizara ilay famonjen'ilay mpamonjiny.
Atao ahoana e, izay no iraka sy andraikitra nomen'ilay jeneralinay, izay no sahazan'ny mpanompo, mafy ilay izy nefa tsy maintsy atao mba ho famonjena anao. Betsaka amin'ireo tanisaiko eo ambony ireo no nanaraka mihitsy ny ainy. Nefa izao no tadidio: mihoatra noho ny mpandresy izahay amin'izany rehetra izany satria nomena lova sarobidy, tsy mpanompo intsony fa tonga afaka, tonga zanaka. Na dia tsy mendrika anay aza izany, ary tsy tokony ho sahaza izay asa mba ataonay akory dia notolorana maimaim-poana ary tena lasa zanaka mpandova fiainana mandrakizay .
Asa raha mba maniry izany ianao na tsia !
4. endriny
(
29/05/2013 14:11)
hery:
Fa iza ny Jhony Gasy 2 ? :-)
Johny Gasy 2' ilay Johny Gasy efa nifoha ary efa lasa mpitory.
5. Tefigasy
(
29/05/2013 14:30)
Na izany aza dia mba mahalasa saina ihany ilay mandeha mitory eny amin'ny arabe. Misy fanoharana mikasika ny mpamafy izay nataon'i Jesoa ao amin'ny baiboly ao (Lio.8) : ny voa nafafy teny amin'ny arabe dia lanin'ny vorona, voahitsaky ny olona ary tsy nisy namoa na iray aza ! Ary fantatsika raha aty an-drenivohitra fa fiara mirimorimo daholo ny eny amin'ny arabe fa tsy misy olona mijanona izany, raha tsy hoe olona te hodomin'ny fiara angaha !
Nisy olona koa indray maka nitoriteny teny amin'ny parking: dia fiara tsy misy olona no nivazavazany teo mandrapahariva andro !
Mampalahelo ihany ilay izy satria heri-po very maina, Ary mahalasa saina hoe fanahy toa inona ny ao anatin'izy ireny no zavatra toa izany no tanterahiny !
Raha tena Jesoa no nihaona tamin'ity piloty ity, mino aho fa tsy eny amin'ny arabe izy no hitory fa farafaharatsiny mba eny antsisin'ny arabe, misy olona tokony homena famonjena !

6. bor2lais
(
29/05/2013 14:51)
endriny:
Johny Gasy 2' ilay Johny Gasy efa nifoha ary efa lasa mpitory
Dia iza indray izany ilay Johny Gasy ? :-)
Tefigasy:
Raha tena Jesoa no nihaona tamin'ity piloty ity, mino aho fa tsy eny amin'ny arabe izy no hitory fa farafaharatsiny mba eny antsisin'ny arabe
:-) :-)
7. endriny
(
29/05/2013 15:30)
bor2lais:
endriny:
Johny Gasy 2' ilay Johny Gasy efa nifoha ary efa lasa mpitory
Dia iza indray izany ilay Johny Gasy ? :-)
Tefigasy:
Raha tena Jesoa no nihaona tamin'ity piloty ity, mino aho fa tsy eny amin'ny arabe izy no hitory fa farafaharatsiny mba eny antsisin'ny arabe
:-) :-)
Ahoana re no ilazako anao an'i Johny Gasy e? I Apa aloha no mpanoratra sy mpamaritra sehatra dia i Johny no mihira.... Ilay Raozin'ny paradisa fahiny
8. booboo
(
29/05/2013 17:41)
Raha tena Jesoa no nihaona tamin'ity piloty ity, mino aho fa tsy eny amin'ny arabe izy no hitory fa farafaharatsiny mba eny antsisin'ny arabe,
:-D :-D :-D :-D :-D
9. booboo
(
29/05/2013 17:50)
Ianareo ve tsy mahita fa mahalasa adala, na mahakaondrana ny finoana diso tafahoatra
izaho koa mahatsapa an'izany, dontom-pinoana ouz lay namana izay
10. leva2
(
29/05/2013 19:05)
booboo:
Ianareo ve tsy mahita fa mahalasa adala, na mahakaondrana ny finoana diso tafahoatra
izaho koa mahatsapa an'izany, dontom-pinoana ouz lay namana izay
Velona Jesosy!
Angamba ahitsiko kely : tsy ny finoana diso tafahoatra (sady tsy mitombina rahateo izany, fa na mino, na tsy mino dia izay) no mahalasa adala fa ny finoana diso toerana, na ny finoana diso lalana.
Misy fanazavana kely : Any amin'ny Jeremia 31/33 " Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko."
Manana disc dur karazany roa isika olombelona : ny fo sy ny saina. Rehefa tsy ny Ray no mametraka ny Teniny ao anatin'ireo, fa isika no MIEZAKA mampiditra izany ao, na MANERY ny Soratra Masina hisisika ao dia tsy ho omby velively, ary hitapy ny disc dur ka ho simba mihitsy aza.
11. Miharena
(
30/05/2013 06:19)
Ilay disc dur mihitsy tokoa no fanazavana ity resaka ity namana Endriny.
Ny miaina ara-panahy dia tsy manimba ny disc dur-ny amin'ny adihevitra adaladala fa mahy mihoatra.
Ny olona tratran'ny fihaonana amin'i Krsity toy izany dia voatosika be mihitsy eo amin'ny fitoriana fa tsy manana frein intsony.

12. RBNIR
(
30/05/2013 09:25)
Tefigasy:
endriny:
Namana iray mpanamory fiara manidina, mpivavaka izay no nilaza fa nahita an'i Jesosy teny ampanidinana dia nariana ny asa fa lasa mitory eny amin'ny arabe, lasa Jhony Gasy 3. Mampalahelo ny fianakaviana fa atao ahoana moa.
Paoly : double nationalité, nanana ny asany sy ny fivelomany, lasa fanaka voafidy ho mpitoriteny mpitety tanana rehefa avy nisehoan'i Jeso
Matio : mpamory hetra, mampiditra vola be isan'andro, lasa nanaraka sy niasa ho an'i Jeso
Marka : zanak'olona mpanankarena tao jerosalema, lasa nitety izao vazan-tany rehetra izao, niaraka tamin'i Paoly mba hizara famonjena
Lioka : dokotera nefa lasa nanoratra testemanta maro ao anaty baiboly sy niara-niasa akaiky tamin'i Paoly ihany koa
Zakaiosy : mpamory hetra iray hafa koa, rehefa naniry mafy ny hahita an'i Jeso dia nandray ny famonjena ary nizara ny fananany rehetra ho an'ny malahelo
Tefigasy : miezaka mitory an'i Jeso amin'ny internet rehefa miasa aty andrehivohitra ary manararaotra mitory any ambanivohitra rehetra any rehefa mandeha mission.
==> Mety kaondrana daholo angamba ny fiheveranao an'ireo rehetra ireo satria diso tafahoatra daholo ny finoany, mitety izao vaza-mototra sy kirihitra rehetra izao mba hizara ilay famonjen'ilay mpamonjiny.
Atao ahoana e, izay no iraka sy andraikitra nomen'ilay jeneralinay, izay no sahazan'ny mpanompo, mafy ilay izy nefa tsy maintsy atao mba ho famonjena anao. Betsaka amin'ireo tanisaiko eo ambony ireo no nanaraka mihitsy ny ainy. Nefa izao no tadidio: mihoatra noho ny mpandresy izahay amin'izany rehetra izany satria nomena lova sarobidy, tsy mpanompo intsony fa tonga afaka, tonga zanaka. Na dia tsy mendrika anay aza izany, ary tsy tokony ho sahaza izay asa mba ataonay akory dia notolorana maimaim-poana ary tena lasa zanaka mpandova fiainana mandrakizay .
Asa raha mba maniry izany ianao na tsia !
AMEN
13. RBNIR
(
30/05/2013 09:27)
Misy hafa koa any tokony ho nanana carrière tsara B nefa nodidian'i Jesosy hanao ny sitrapony,
Nahafoy dia lasa pasteur ankehitriny,
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
Nahafoy dia lasa pasteur ankehitriny,
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
14. RBNIR
(
30/05/2013 10:24)
RBNIR:
Misy hafa koa any tokony ho nanana carrière tsara B nefa nodidian'i Jesosy hanao ny sitrapony,
Nahafoy dia lasa pasteur ankehitriny,
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
Na izany aza, miandrasa antso satria ny apostoly dia fidian'i Jesosy mivantana,
Ary IZY ihany koa no tsy maintsy mampianatra mivantana mba tsy ho diso ny fampianarana:
vakio ato
Samia ho tahin'ny Tompo daholo
15. endriny
(
30/05/2013 15:40)
Dia ahoana ireny olona mivavaka, ohatran'ny voky zava-mahadomelina ireny, mihinjakinjaka sy mifanitontsitona ary mihogahoga eran'ny fiangonana ireny? Na ireny mihinjitrinjitra milaza fa misy avelo ireny?
16. leva2
(
30/05/2013 21:21)
endriny:
Dia ahoana ireny olona mivavaka, ohatran'ny voky zava-mahadomelina ireny, mihinjakinjaka sy mifanitontsitona ary mihogahoga eran'ny fiangonana ireny? Na ireny mihinjitrinjitra milaza fa misy avelo ireny?
Velona Jesosy!
Aoka kosa tsy hatao safo be mantsina izy ity namana endriny, fa tsy izay rehetra milaza azy ho mivavaka akory dia izy daholo a. Tokony havahana, ary tsy maintsy hiavaka ny vary sy ny tsimparifary.
Tsara ho fantatra fa any am-piangonana mihitsy indray izao ny devoly no tena misehatra. Efa tena amboadia mitafy hodi-janak'ondry mihitsy izy izao. Milaza azy ho Jesosy kanefa sandoka ihany. Mambabo ny olona amin'ny resaka miracle, mitaona ny olona hikatsaka fahombiazana, fahasalamana, voninahitra, harena fa tsy hikatsaka ny famonjena, fiainana mandrakizay, fanjakan'Andriamanitra.
Ankehitriny, antsimbadiky ny devoly ilay hoe "katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany dia hanampy anao izao rehetra izao", lasa hoe "katsaho aloha izao rehetra izao fa asa aloha raha hanaraka eo ny fanjakany sy ny fahamarinany".
Mangataha amin'ny Tompo mba hanokafany ny masontsika namana isany.
17. endriny
(
31/05/2013 05:13)
Dia ahoana aza ireny seminariste na teolojianina sasany "niala an-daharana" izany no filazana, toa maro tsy dia norm a. Dia hoy ny sasany hoe tsy niala izao iny fa voaroaka fa tsy nahazaka ny onjany... fa mba ady hevitra moa ny ahy a
18. mirananirina
(
31/05/2013 16:27)
endriny:
Namana iray mpanamory fiara manidina, mpivavaka izay no nilaza fa nahita an'i Jesosy teny ampanidinana dia nariana ny asa fa lasa mitory eny amin'ny arabe, lasa Jhony Gasy 3. Mampalahelo ny fianakaviana fa atao ahoana moa.
Mba gravy indray izany!!Ka isika anie asaina mino zvt tsy hita maso!!dia hany ka mamorina ny sasany fa nahita
19. miarilala
(
01/06/2013 22:00)
mirananirina:
endriny:
Namana iray mpanamory fiara manidina, mpivavaka izay no nilaza fa nahita an'i Jesosy teny ampanidinana dia nariana ny asa fa lasa mitory eny amin'ny arabe, lasa Jhony Gasy 3. Mampalahelo ny fianakaviana fa atao ahoana moa.
Mba gravy indray izany!!Ka isika anie asaina mino zvt tsy hita maso!!dia hany ka mamorina ny sasany fa nahita
N andry tefigasy ko anie tsy hay na manandratena ho mpitory na ao anatin'ny le voalaza @ty size ity eh!!!
Marina io voalazan'i endriny io fa manfitohina ny sasany fa mahitsy loatra