Efa nandinika zavatra 1 ka nieritreritra ny fomba namoronan'Andriamanitra ny particules atomiques ao anatiny avy @ habaka ka namorona ny fizotra sy ny angovo izay hahatonga an'ireny particules ireny hifampifantoka ka hanjary ny zaka hitantsika @'izao ? Mahatalanjona ny hery sy ny halalin-tsain'ny Mpahary.
Io Andriamanitra Andriananahary io ihany no namorona antsika hivelona ambonin'ity tany ity mba hibango sy hibanjina ny hery nahariany an'izao tontolo izao.
Raketin'ny bokin'ny Genesisy ny valiny ho an'ny fanontaniana ifotony momba ny nipoirantsika sy ny fisiantsika : taiza no nitrangan'izao, @ fomba ahoana, inona no fifandraisantsika @'Andriamanitra Andriananahary, inona no tanjontsika ety ambonin'ny Tany ary inona no antony mahatonga antsika iharan'ny fahafatesana sy ny fijaliana eo anivon'ny hatsaràna. Ary satria i Andriamanitra mihitsy no nanome antsika ny fijoroany ho vavolombelona momba ny zava-nitranga t@ fiandohan'izao tontolo izao dia manana ny loharano marim-pototra tokana sady marina hamaliana an'ireo fanontaniana ifotony ireo, dia ny Baiboly.