Isaia 43 : 21

1. miarana ( 16/02/2013 07:24)
« Izao olona noforoniko ho Ahy izao no hanambara ny fiderana Ahy. » (Isaia 43:21)

Ndeha hanambara ny FIDERANA AZY fa mendrika izany IZY.
Raha mety ianao dia mametraha izany eto, ary hadinoy ndray aloha ny fifamaliana an-tsoratra fa Andiamanitra no banjino.
novalian'i smileyah ny 27/02/2013 07:04
2. nannie ( 16/02/2013 08:59)
Midera anao aho Andriamanitra ô, fa Ianao no manome ahy fy an'izay rehetra mitranga eo amin'ny fiainako : raha fifaliana, dia mamelombelona ny fanahiko izany, mampitsahatra ahy eo an-tratranao amin'ny fiadanana ; raha alahelo, hatezerana na fahoriana kosa, dia ampianaranao ahy izany. Mahafinaritra ahy ny mikaroka ny sitraponao ao anatin'ireny, zary toa lasa ohatran'ny kilalaom-panahy sy kilalaon-tsaina ho ahy ny mamantatra ny sitraponao ao anatin'ireny zava-manjo ireny. Mamantatra ny sitraponao ao anatin'ny fiainam-bavaka, arak'ilay Teninao hoe : "Miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sy ankasitrahana no marina". Raha tsy hitako ny vahaolana, dia mandrisika ahy hivavaka hatrany izany. Raha hitako kosa dia manome hafaliana tapitr'ohatra sy fiadanana tsy hain'ny teny hotenenina izany. Hany ka manjary te-hidera anao foana aho na inona na inona mitranga eo amin'ny fiainako. Haleloia !
3. miarana ( 16/02/2013 09:19)
Andriamanitra e mahagaga
ny zavatra nataon'ny tananao
ny kintana sy kotrokoran'andro
hampisehoanao ny herinao

Midera Anao andriamanitra oh,
Fa lehibe, fa lehibe !
Midera Anao andriamanitra oh,
Fa lehibe, fa lehibe !
4. toriteny ( 16/02/2013 10:37)
Jehovah no Mpiandry ahy ,tsy hanan-java-mahory aho ,
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy ;
mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
Mamelombelona ny fanahiko Izy ;
mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Eny , na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho ,
dia tsy hatahotra ny loza aho ,
fa Ianao no amiko ;
ny tsora-kazonao sy ny tehinao ireo no mahafa-tahotra ahy.
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Ianao ;
manosotra diloilo ny lohako Ianao ;
ny kapoakako feno dia feno.
Eny tokoa , fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako ,
dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
5. toriteny ( 16/02/2013 10:41)
Mahaiza misaotra sy mankasitraka
Ny Tompo NAhary nifidy anao
Tanatin'ny maro, tanatin'ny tsara misaora
Niangaram-pitiavan'i Jesosy Tompo ianao
NAtorony lalana lavorary
Tsiambaratelony sy ny Ray
Misaora
6. miarana ( 16/02/2013 12:00)
« Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao. » (Salamo 145:10)
7. Nehemiah ( 16/02/2013 12:55)
Tonga nofo i Andriamanitra, nidina hamonjy antsika Izy. Manana fahefana eny an-danitra, aty an-tany, eny, hatrany @ aizim-pito dia eo ambany fahefany. Aoka isika hidera sy hanome voninahitra an'ilay namorona ny ala, ny ranomasina, ny rahona, ny habakabaka, ny masoandro, ny galaxies, hatrany @'ireny quasars any ambodin'ny univers any, naninjitra ny tanany fotsiny Izy hanaovana an'izay. Eny, mendriky ny voninahitra rehetra sy ny fideràna tsy manam-pahataperana Izy.

Izy no Tompon'ny fiainantsika, Izy no Tompon'ny vintantsika. Tsy misy fetra ny heriny. Ary tsy misy fetra koa ny hatsaram-panahiny. Izy irery no afaka hamonjy antsika. Aleloia !
8. leva2 ( 16/02/2013 22:25)
Misaotra ny namana nanokatra ny loha-hevitra.

Te hitodika amin'ny mpamoron-kira fiderana sy hiram-pivavahana manokana aho eto.

Ampitahao ireto :
1- ... Victoire RASOAMANARIVO anie, Asandratra ho reharehanay ... (katolika)
2- ... Tsy misy reharehako afa-tsy ianao Jesosy ô, ... (Hosana Ambohijatovo Fitiavana)

Mpamoratra hiram-piderana ihany koa ny tenako no mahatsapa fa tsy misy tonon-kira tsara indrindra mihoatra ny Tenin'Andriamanitra, dia ny baiboly.

"Hianao, Tomponay sy Andriamanitray,
No mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery;
Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra,
Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy". Apo 04/11
9. didi10 ( 17/02/2013 14:49)
10. miarana ( 18/02/2013 08:40)
« Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. » (Salamo 103:1)
11. smileyah ( 18/02/2013 12:01)
Masina, Masina , Masina ny Tompo Andriamanitry ny hery rehetra. Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra. Hozana any amin'ny Avo indrindra, hosohavina anie ilay avy amin'ny anaran'ny Tompo. Hozana any amin'ny Avo indrindra.
12. miarana ( 19/02/2013 06:30)
« Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hanambara ny fiderana Anao ny vavako. » (Salamo 51:15)
13. Nehemiah ( 19/02/2013 07:17)
"Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; Fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, Ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy." Ap. 4:11
14. smileyah ( 19/02/2013 07:27)
Voninahitra sy dera anie ho an'Andriamanitra loharanom-pitiavana, fiadanana hafaliana ho an'ny olombelona zay tsara sitra-po.
15. smileyah ( 20/02/2013 06:47)
Midera Anao sy misaotra Anao zahay Andriamanitra ô!
Satria Ianao no namonjy anay ka nahazahoanay ny fiainana.
Ny ato anatiko,ry Tompo ô
Midera anao tokoa, ry Tompo ô
Mihira ny asanao, ry Tompo ô
Ny andro iainako, ry Tompo ô.
16. smileyah ( 20/02/2013 07:12)
Midera Anao sy misaotra Anao zahay Andriamanitra ô!
Satria Ianao no namonjy anay ka nahazahoanay ny fiainana.
Ny ato anatiko,ry Tompo ô
Midera anao tokoa, ry Tompo ô
Mihira ny asanao, ry Tompo ô
Ny andro iainako, ry Tompo ô.
17. jobiely ( 20/02/2013 08:12)
Mahaiza misaotra sy mankasitraka ny Tompo nahary nifidy anao
Tanatin'ny maro, tanatin'ny tsara , Misaora,
Niangaran'ny fitaivan' i Jeso Tompo ianao
Natorony ny lalàna lavorary
Tsy ambaratelony avy amin'ny Ray, Misaora,
Amen!
18. smileyah ( 21/02/2013 13:12)
Saotra dera no omena ho Anao Jesoa Mpanavotra,
Ianao nanetry tena mba hanavotra anay.
Dera sy laza anie ho Anao ry Tompo mpandresy,
Dera sy laza anie ho Anao ry Tompo mpandresy.
19. smileyah ( 25/02/2013 08:03)
Misaora ny Tompo ry fanahiko,
ary misaora ny anaraNy masina,ry ato anatiko rehetra!
Misaora ny Tompo ry fanahiko,
ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy.
Fa izy no mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra.
Misaora ny Tompo ry fanahiko.
20. smileyah ( 26/02/2013 05:49)
Hidera ny Tompo aho,
hankalaza Azy mandrakizay,
fa efa nanao zava-mahagaga tamin'ny mpanompoNy Izy.
Na bitika aza aho na tsinotsinona,
notiaviNao aho mpanompoNao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9506