Manara-penitra

1. didi10 ( 13/02/2013 08:06)
Aty Madagasikara dia lasa fomba fiteny io resaka manara-penitra io;
izay te hanamafy fa tsara ny zavatra amidiny na resahiny dia lazaina fa manara-penitra avokoa.

Rehefa nandinika lalina aho anefa dia zava-doza ho an'ny fiainana ara-panahy ity resaka manara-penitra ity noho izao antony manaraka izao:

Apok 13;16-17
16 Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo, na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa, 17 mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran'ny bibidia, na ny isan'ny anarany.

Ho an'izay nianatra "Commerce International" dia samy mahay fa tsy maintsy manaraka ny norme ISO avokoa ny entam-barotra rehetra vao azo amidy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, eny ilaina ny fanarahana ny kalitaon'ny vokatra omena ny mpanjifa fa ity no tena nahagaga ahy: natao ho norme ISO koa fa ny Alatsinainy no andro voalohany ary ny Alahady no andro fahafito (Norme ISO 8601).

http://fr.wikipedia.org/wiki/ISO_8601
http://fr.wikipedia.org/wiki/Dimanche

Tena voamarina eto fa iray ihany ilay bibidia voalazan'ny Daniela 7,25 (Hanova fotoana sy lalàna, hampahory ny olo-masina) sy io Apok 13 16-17 voalaza eo ambony io;

Ankehitriny dia lasa manara-penitra ihany koa ny fanambadian'ny lahy sy lahy ary ny vavy sy ny vavy,

Tena resy lahatra aho fa ilay Bibidia dia ireo "Communauté international" miezaka mampiditra ny olona ao anatin'ny NORME izay noforoniny mba hahafahana mampandohalika izao tontolo izao eo anatrehany, mazava ho azy fa tsy lavitra ao ilay fiangonana Sataniste Illuminati izay ao ambadik'izao rehetra izao.

répondu par bor2lais le 14/02/2013 12:15
2. mirananirina ( 13/02/2013 11:38)

Aty Madagasikara dia lasa fomba fiteny io resaka manara-penitra io;
izay te hanamafy fa tsara ny zavatra amidiny na resahiny dia lazaina fa manara-penitra avokoa.

hihihi
3. didi10 ( 13/02/2013 11:47)

mirananirina:

Aty Madagasikara dia lasa fomba fiteny io resaka manara-penitra io;
izay te hanamafy fa tsara ny zavatra amidiny na resahiny dia lazaina fa manara-penitra avokoa.

hihihi

Mba mandalova kely aty Dago ry Mirananirina raha te ahita anamamy manara-penitra, lasopy sy composé manara-penitra, string manara-penitra...lol :-)
4. mirananirina ( 13/02/2013 11:57)

didi10:

mirananirina:

Aty Madagasikara dia lasa fomba fiteny io resaka manara-penitra io;
izay te hanamafy fa tsara ny zavatra amidiny na resahiny dia lazaina fa manara-penitra avokoa.

hihihi

Mba mandalova kely aty Dago ry Mirananirina raha te ahita anamamy manara-penitra, lasopy sy composé manara-penitra, string manara-penitra...lol :-)

Ho avy tsy hoe ela eh :) , fa aleo aloha mamaky ireo voalazanareo ireo
5. moustaraf ( 13/02/2013 12:03)
salama namana,
Izao aloha no tsara ho fantatra e! ny teny dia mivoatra ary manaraka ny vanin'andro sy ny vanim- potoana ka ny affirmation gratuite dia tokony halavirina ,indrindraindrindra fa rehefa hikitika ny soratra masina;
Ny teny "Manara-penitra " dia mazava be: manaraka fenitra= manara(ka)-(f)penitra,
ka aiza no mariky ny bibidia amin'izany?
manara-penitra= suivant la norme???

Ilay fenitra arahina angamba no mety maha ratsy na maha tsara an'ilay fanarahana azy, fa raha fenitra tsara no ahindraindra dia tsy tokony hisy olana;

MAHEREZA O

6. didi10 ( 13/02/2013 12:11)

moustaraf:

Azonao tsara ny tiako tenenina namana, ary mbola hamafisiko fa raha te-hanara-penitra dia aleo ao amin'ny fenitr'ilay Nahary ny lanitra sy ny tany, fa tsy ilay fenitra mivoaka avy amin'ny didin'olombelona ilay tsy maintsy hankatoavina fa raha tsy izany tsy afaka mivarotra na mividy.
7. sitlo ( 13/02/2013 12:22)
Ilay izy aloha efa ela no nahenoko an'io ISO sy CE hoe mariky ny bibidia. Fa taty aoriana dia ilay bibidia mihitsy no tsy asiko sira. Ohatra ny kakabe sola tamin'ny mbola kely io amiko.
Ry Maranatha ihany no mino an'izany sisa.

Raha ilay illuminati indray dia olona sy fikambanan'olona fa tsy bibidia izany. Anisan'ireo societe secrete toy ny skull and bones sy ny hafa. Efa ela ihany izay no nikarokarohako ny momba an'io fa mino aho fa tena misy io.

Izaho tsy hilaza aminareo hoe aza miditra fiangonana, fa kosa tsara raha olom-pantatrareo no mitarika ny fiangonana, na sekoly... Izay toerana rehetra anovozanareo fahalalana, na tele aza, dia diniho tsara.

Haka ohatra aho, efa nalaza ratsy iny TGV iny taloha. Anisan'ireo voarohirohy tamin'ilay îlot assasin iny aza izy. Ary taty aoriana dia heno fa kay tsy manana bacc akory nedala. Nefa hatr'izay, dia izy foana no nahazo ny loka voalohany tamin'ny meilleur jeune entrepreneur izay nokarakarain'ny BNI CL.
Dia iny hitantsika iny ny tohiny. Ary tsapa fa kay efa hatrizay izy no nofanina fa niandry fotoana fotsiny. Ary izy mihitsy aza no nilaza fa tôt ou tard, nous savons tous qu'il serait president. Izany hoe prince de Madagascar izy dieny mbola kely.
Ary tsy Madagasikara irery no misy an'izany fa manerana an'i Afrika. Ny firenena madroso moa dia efa tsy lazaina intsony. Arao akaiky ange ny zanak'i Bill Clinton e. Mody manao asa soa ety sy ery, manampy an'i Afrika sns. Dia jereo eo ny fitrangany afaka 10 taona eo.
8. didi10 ( 13/02/2013 12:29)
Adinonao angaha ilay Teny hoe: Ringana ny oloKO noho ny tsy fahalalany.
9. sitlo ( 13/02/2013 12:42)
Ilay izy aloha tsy ringana ny tena marina. Fa miasa ho an'ny hafa. Colonialisation manara-penitra.
10. didi10 ( 13/02/2013 14:31)

sitlo:

Ilay izy aloha tsy ringana ny tena marina. Fa miasa ho an'ny hafa. Colonialisation manara-penitra.

:-) :-) Dia fahaverezana manara-penitra ny hiafarany e! hihihi
11. leva2 ( 13/02/2013 17:30)
Velona Jesosy!

Mba hampazava kokoa ny resaka : ilay fenitra arahina anie ka an'izao tontolo izao e, fa tsy avy amin'Andriamanitra velively. Ary izao tontolo izao? moa tsy eo am-pelatanan'ilay ratsy va?

Manaraka izay, resaka materialy no faritan'ity fanaraham-penitra ity (soa ihany), fa ny ara-panahy dia ity no filamatra : "soyez donc farfaits, tout comme votre Père qui est au ciel est farfait" Mat 05/48

Vahaolana : I Jao 02/15-17
"Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany.
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay"
12. Miharena ( 13/02/2013 18:07)
Marina tsy azo lavina ilay vahaolana. Tsy miresaka Satana izy ao fa milaza hoe izao tontolo izao izay mandalo ka tsy tokony hofikirina fa ny Fanahy ihany no izy, izany hoe izay vontoatiny.
Ka izay manao zavatra manara-penitra dia manamboatra avy amin'izao tontolo izao ary azo ampiasaina tsara ireo voary napetrak'Andriamanitra iandraiketantsika olombelona izay nataoNY mitovy endrika AMINY. Ny famitahana no atao hoe manakorontana ao anatin'ny manara-penitra fa raha toa ka lalàna mazava tsara sy madio, inona moa no antony handotoana saina hitadiavana antoko sy andininy ao anaty Baiboly nefa ianao aza mandeha amin'ilay fiara manara-penitra vao afaka mikarama mampidi-bola entinao manao ilay fahafolon-karena?

Ka saoa lahy tafarotsaka amin'y fitsaratsaram-poana isika, indrindra ny fampiasana ny teny ampifanarahana izay mitranga eo amin'y fiainana nefa tsy marim-pototra akory.
13. Miharena ( 13/02/2013 18:10)

14. leva2 ( 13/02/2013 19:16)

Miharena:

1- Ary tsy voarainao namana Miharena ilay déduction nataoko :
ilay fenitra arahina anie ka an'izao tontolo izao e, fa tsy avy amin'Andriamanitra velively. Ary izao tontolo izao? moa tsy eo am-pelatanan'ilay ratsy va?
2- Tsy mandoto saina velively ny mitady toko sy andininy ao anaty baiboly namana, fa vao maika aza hampadio ny saina sy hampazava ny resaka ho tena araka ny Soratra Masina.
3- Averiko ihany fa fenitra ara-materialy fotsiny ihany ity "fenitra" resahina eto ity. Ianao ve namana mihevitra fa maha-aro anao tsy ho azon-doza ny fiara manara-penitra? fa ny tena kristiana namana ny anjelin'ny Tompo no manampy sy miaro azy, ny ran'i Jesosy no antoky ny fiarovana hoazy.
4- Tsy andron'ny fahafolon-karena intsony izao namana fa efa ity : "KOA amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany". Rom 12/01 Dia manaraka hoazy izay mety ho fanananao rehetra ary tsy hisalasala ianao rehefa misy hilan'ny Tompo izany.
15. Miharena ( 14/02/2013 03:40)
Eny namana Leva2 fa mazava ny resakao. Fa ny mametraka ny hoe eo am-pelatanan'ilay ratsy izao tontolo izao no misy tsy mitombina satria voasoratra fa izao rehetra izao dia natao hahasoa izay tia an'Andriamanitra.

Raha ny marina dia ilay laha-kevitra faha-4 ihany no tena manamafy io teny voatanisako io. Ka tsy aleo ve mitaiza ny olona fa Voary miara-mitantana izao tontolo izao izy ka tsy tokony homena ilay atao hoe "ratsy" izany fahefana izany fa omena an'Andriamanitra Mpahary rehefa fantatra fa Fanahy ampahan'ny AZY no ao amin'ny olona tisrairay?

Ny olana mantsy amin'ny fanenjehana mitranga dia olona noharian'Andriamanitra no henjehina fa hoe manao zavatra manara-penitra ary voary toa azy ihany no manenjika azy. Raha io no zohina dia misy fakàna fanafintohinana tovozina ao anaty Baiboly dia entina mitsara ny namana hafa. Izay no nampitandremako izay mivoy tenin'Andriamanitra amin'y fomba toy izany. Ny fo madio no atolotra an'Andriamanitra ary efa voalaza izany hoe raha hanatrika AZY ianao dia mandehana aloha efaho avokoa ny trosanao sy ny fanafintohinana nataonao tami'ny rahalahinao satria Masina Jehovah ka tokony ho masina koa ianao.

Isika Kristianina dia tokony hanana io hitoetra mandrakariva, izany hoe haneho fahendrena tsy manam-petra toa AZY. Izay no mba hananarana namana rehefa tonga ny lohahevitra mitsikera toy izao fa tsy hoe fitiavana hitsipaka hevitra fotsiny akory.
16. tsitialainga ( 14/02/2013 10:29)

didi10:

mirananirina:

Aty Madagasikara dia lasa fomba fiteny io resaka manara-penitra io;
izay te hanamafy fa tsara ny zavatra amidiny na resahiny dia lazaina fa manara-penitra avokoa.

hihihi

Mba mandalova kely aty Dago ry Mirananirina raha te ahita anamamy manara-penitra, lasopy sy composé manara-penitra, string manara-penitra...lol :-)

tori-teny manara-penitra (avec charisme), bracelet manara-penitra (...), fitiavana manara-penitra (mamporafy) sady masin-dahy Valantaina androany ra ts diso aho.
Mbola tsy mety resy lahatra ihany ve isika fa tsy mba mety ho ray aman-dreniny mihitsy fa zana-tany foana @ lafiny rehetra?
N.B : adinoko fa naparitaka indray izao ny lakolosy manara-penitra (electronique).
Farany : Iny ilay statut n'i BOM DOSCO nampandalovina teto iny kosa aloha tsy nanara-penitra satria TENA IZY ilay tànany ankavanana e! Lol!
17. bor2lais ( 14/02/2013 12:15)
radidi:

string manara-penitra...

Aoka lesy baina marina fa raha tsy nareo indray tsy nahita iny fitenenana iny ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0647