Sarotra ve sa mahafaty ny mba manandrana e!

1. tsitialainga ( 04/02/2013 08:42)
Efa lohahevitra niverimberina im-betsaka teto ny mikasika ny anaran'izay Andriamanitra tokony hantsoin'ny Malagasy, marina fa samy naneho hevitra tao daholo izay mpikaroka sy mpandalina sy mpitondra fivavahana sy ireo teolojianina maro isankarazany, eny fa na dia ny olon-tsotra koa aza dia mba nanana ny hevitra navoitrany sy narovany.
Eto àry dia mampanontany tena satria milaza azy ho BABANY avokoa izay rehetra naneho hevitra kanefa ny tsy azon-tsika lavina dia ity : IRAY IHANY NY MARINA ka io marina io no tsy maintsy tadiavin-tsika sy eken-tsika tsirairay vao hivoatra sy ho azo antoka ny fiainan-tsika ara-panahy (Fanjakan'ny Lanitra), eny fa na dia ny ara-javatra sy ny ara-piaraha-monina koa aza (Mat 6/33).
Izao àry, koa satria ny Tanjona VOALOHANY dia ny Fanjakan'ny Lanitra ary ekena tokoa fa tsy misy marimaritra iraisana (compromis) ny FAHAMARINANA kanefa tsy mahafaty anie ny manandrana sy mba manopy maso na mba mihaino ihany ny manodidina sao MBA MARINA ihany ny voalazan'ireny heverin-tsika ho sekta sns ireny.
Tarazo ratsy napetraky ny mpanjanaka teto amin-tsika mihitsy mantsy ny hoe raha vao tsy hevitra avy aty amiko dia diso avokoa, tsy aleo ve mba miova @zany @zay e?

Alohan'ny hatory àry ianao dia vakio ny Sal 34/8, Isa 55/6, Eks 23/13 rehefa vitanao ny vakiteny dia mitokàna ianao mba hivavaka (tsy voatery mandohalika na miankohoka) toy ny efa fanaon'ny rehetra ireny ihany KANEFA : aza ilay anarana fiantsonao Azy iny intsony tononina fa manetre tena kely hoe! dia mba ampiasao @ finoana ilay natoron'ny namana sasany ireny ary afaka mangataka famantarana kely mihitsy àry ianao mandritra ny alina raha marina na diso ny zavatra nataoanao, farano ohatra ny vavaka @ hoe " Amin'ny anaran' IESHUAH Mpamonjy" dia matoria @zay fa tsy an'ny maty IZY fa an'ny VELONA ka tsy maintsy hamaly sy hiseho @ izay mitady Azy fatratra.
Tandremo anefa fa raha hamazivazy ianao dia aleo tsy manao (efa fantatrao ny toko sy andininy) fa kosa raha hitanao ny MARINA dia tandremo mihemotra (Heb 10/26).
Mazotoa daholo àry.

NB: raha menatra ny olona hafa manodidina anao na ny ankohonanao ianao hanonona ilay Anarana dia mitadiava hevitra fa aza atao sakana izany. Averina ihany fa tsy natao ho an'ny MPANARABY izao fa mba hanehoana ny TENA FAHAMARINANA.
Mahezeza daholo izay mpandala sy mpikaroka ny TENA Fahamarinana.
répondu par totoavina le 13/02/2013 15:38
2. Miharena ( 04/02/2013 14:17)
Namana Tsitialainga, nisy filazana avy amin'ireo Silamo nilaza fa isika Mpanara-dia ani' Kristy hono dia olon'ny boky fa tsy olon'ny finoana. Ka asa hoe raha mandavaka ny Anarana iray ve dia anisan'ny manala antsika amin'izany fanamarihana izany sa vao mainka mandentika antsika lalina kokoa?

Ankehitriny ohatra dia tsy fantantsika hoe inona marina no anton"ny nitenenana tamin'i Isaia tamin'ny fotoanandrony hoe : ny Tentrombohitra dia hahetry ary ny lemaka hototofana. Izay milaza ny atao hoe fitoviana lenta izay omen'i Jehovah, na Yahveh, na Yahouah, izay fanononana AZY fa ny vontoatin'ny voalaza no entina ekena. Io fitoviana lenta io dia hahafahana miresaka mivantana AMINY sy mifandray AMINY mandrakariva ho an'ny olona mifoha marina. "Indro hosoratako ao am-pony ny lalàko" hoy IZY. Mba azonao an-tsaina ve hoe inona io hosoratana io? Tsy hisy izany fo hosoratana izany fa tsy maintsy feo na eritreritra mipongatra no azo antoka fa hivoitra ao am-pon'ny olona amin'y fotoana fahafenoany ara-pinoana. Maro koa ankehitriny ny olona manao itony atao hoe faminaniana izay azo avy amin'ny entité iray ivelan'ny tenany ary maro ireo hafatra tsy mandeha amin'y laoniny avy amin'izany. Io raha dinihina tsara dia endrika tsy maneho izay tena fahamarinana izay tadiavina fatratra ery. Ny olana dia rehefa tadiavina anaty boky ilay fahamarinana dia manjary tsy hita. Fa rehefa tsy tadivina IZY dia hita ho azy. Tadivo ao anaty IZY dia ho hitanao ny marina fa raha mbola mijery ivelany ihany ianao dia tsy hisy hiresaka aminao mihitsy fa na io lasa mpilaza fahamarinana mibirioka, na io tena endrika tsy matotra miseho aminao.

Ny gadra izay mahazo ny olona ankehitriny dia eo amin'ny fomba fijery ny fahamarinana ivelan'ny tena fa tsy ny fampahalalàna ny tena sy ny vontoatin"ny ao anatinstika tsirairay avy.

Ka na iza na iza angatahana hampianatra, rehefa tsy manana io fahalalàna anaty io dia tsy hisy fahamarinana azo avy amin'izay antsoina, na io Jeshua, na Jesoa, na Jesosy, na Jehovah sns...
Mila fitaizam-panahy matotra izay vao afaka miala amin'ny adihevitra isika tsirairay avy.
3. moustaraf ( 05/02/2013 06:15)

Salama namana isany,
1. averimberina eto hatrany hatrany fa efa voasoratra ny hoe "hanova anarana sy lalàna" ny Devoly= misy ANARANA maro sy LALANA maro ankoatra an'ilay tena IZY,
ka mahagaga ihany ho antsika mpamaky baiboly ireto no minia mikipy ka sahy milaza hoe "Na anarana iza , na anarana iza no tononina dia METY avokoa": Izay ilay fampianarana RIAKA(rano maloto) avy @ vavan'ilay dragona, ka nivava ny TANY (ny olona rehetra) nitelina azy.

2.vakio ny Apokalypsia fa "ilay marika eo @ tànana sy eo @ handrina" anie ka ANARANA= Miantso an'ilay anarana nomena ho famonjena an'izao tontolo izao ve ianao ,sa miantso dikan'anarana (na anarana novana).

3. Mifikitra mafy amin'io anarana io isika satria IO NO NANAOVAN'NY MPANDIKATENY azy, fa tsy hoe io no tena izy;
ka IREO MPANDIKATENY VE no inoantsika sa ilay version originale??
4. maranatha ( 05/02/2013 10:48)

moustaraf:


Salama namana isany,
1. averimberina eto hatrany hatrany fa efa voasoratra ny hoe "hanova anarana sy lalàna" ny Devoly= misy ANARANA maro sy LALANA maro ankoatra an'ilay tena IZY,

Hanova fotoana sy lalàna no izy aloha fa tsy io nosoratanao io.
moustaraf:

ka mahagaga ihany ho antsika mpamaky baiboly ireto no minia mikipy ka sahy milaza hoe "Na anarana iza , na anarana iza no tononina dia METY avokoa": Izay ilay fampianarana RIAKA(rano maloto) avy @ vavan'ilay dragona, ka nivava ny TANY (ny olona rehetra) nitelina azy.

Ny tena dikan"ny hoe anarana aloha dia fahefana.
Tsy diso akory ny filazanao hoe tsy Jesosy na jeso ilay tena anarany originale tany Israely tamin"izany. Azo atao tsara koa anefa ny manitsy izany. Fa noho ny fahazarana izay efa raikitapisaka amin"ny olona dia ilay jesosy no voatazony. Rehefa tena mahafantatra tsara ny sitrapon"ny Ray ny olona dia ny lanitra no manampy azy hanaraka ny tena izy. Izao aloha dia ny sitrampon"ny Ray no tokony hampahafantarana azy
moustaraf:

2.vakio ny Apokalypsia fa "ilay marika eo @ tànana sy eo @ handrina" anie ka ANARANA= Miantso an'ilay anarana nomena ho famonjena an'izao tontolo izao ve ianao ,sa miantso dikan'anarana (na anarana novana).

Tsy io ny marika namana a. Fa ny fahefana no ahitana ny marika. Ireo fahefana rehatra izay asehon"ny bibidia dia asehony amin"ny alalan"ny fampianarany. Izay manaraka ny fampianarany ka manohitra ny an"ny Avoindrindra no mandray ny marika avy aminy. Izay ilay riaka halefany. Mandiniha tsara. Fa lasa any amin"ny tsy izy ny fahamarinana; anefa ny tena mba miezaka mamerina ny olona hiala amin"ilay anarana diso.
Mahereza

5. Nehemiah ( 05/02/2013 13:22)
Nalaiko t@ namana fb :

Pour ceux qui pourraient tomber dans un Piège "judaïsant" :

Sommes nous d'accord que en hébreu le prénom de Jésus s'écrit
YOD - SHIN - VAW - AYIN ?
Le ayin est un A inaudible
Le Vaw est ici employée comme porteur de voyelles et se prononce OU
Cela donne donc Yeshoua, prononcé Yeshou.
Nous ne sommes pas loin de l'écriture grecque Iesou du prénom du Messie.
6. mandalomiserana ( 05/02/2013 14:24)
ny anarana dia fiantsoana olona na zavatra iray izay natao ho azy manokana; io no hanavahana azy amin'ny hafa; mila fantarina tsara izany ny marina sy ny tena heviny. ny fiteny anefa no mamaritra ny anarana ohatra: pierre (france)= peter (angleterre). mety ho samihafa ny anarana fiantsoana fa raha olona iray na zavatra iray ihany no resahina dia adalana ny mifanditr amin'izany.
ka raha i Jesosy ihany noantsoinareo Jeso na yesoah dia mitovy ihany izany, ny episcopos ihany no pastera, na mpitandrina. fa raha midrikina kosa ianao fa diso ny fiantsonay Jesosy fa ny yesoah na zavatra hafa no izy dia mampieritreritra ihany ny fomba fitorianao ny fitiavanan'Atra satria i dada ihany anie no papa na ray e; koa meteza toy an' i Paoly apostoly : fa i Kristy ihany no tiako ho fantatrareo sy horaisinareo ry rahalahy.
aza variana amin'ny denomination ny fiangonana, fa raha tsy i Jesosy Kristy no ekenao ho Tompo sy Mpamonjy anao, ka handray ny tombon-kasen'ny fanahy masina ianao, noho izany tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny fiainana ianao, mazava ho azy ny farihy mirehitr"afo sy ny solifara no anjaranao mandrakizay. anao ny safidy
7. rabefou ( 05/02/2013 18:42)
ô rey olona e! na Jesoa/Jesosy/Yeshoah, izy daholo io fa isika génération fa 57 raha atao hoe 35 taona no mivadika ny génération. tsara ny manam-pahahalalana fa te hampahafantatra antsika aho fa misy sosie ko anie Izy iny e! ary ny loza dia tsy ny endriny fotsiny no mampitovy azy, fa ny fahafahany manao miracle koa, Adihadio tsara anie e, dia tandremo sao voafitaka hoy ny hiran'ny SLKAF.
8. totoavina ( 13/02/2013 15:38)

rabefou:

ô rey olona e! na Jesoa/Jesosy/Yeshoah, izy daholo io fa isika génération fa 57 raha atao hoe 35 taona no mivadika ny génération. tsara ny manam-pahahalalana fa te hampahafantatra antsika aho fa misy sosie ko anie Izy iny e! ary ny loza dia tsy ny endriny fotsiny no mampitovy azy, fa ny fahafahany manao miracle koa, Adihadio tsara anie e, dia tandremo sao voafitaka hoy ny hiran'ny SLKAF.


Marina ny valazanao ry zoky, tokony tsy ho voafitaka sy voarebireby amin'ny resaka anarana, ny an'ny sasany teny gasy, ny sasany teny anglisy, ny an'ny sasany teny hebreo fa izy aby ireo, io anarana io no andresena an'i satana sy ny forongony (fanahy ratsy), lasa ireo mankany amin'ny farihy mirehira afo amin'ny Anaran' I Jesoa Kristy. JE (Jehovah na Yahveh na YHVH) Soa ( shoua= Mpamonjy) Kristy ( avy amin'ny teny grika Kristos, teny hebreo nadika teny gasy hoe Mesia na voahosotra).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0439