RARY 2013 fa ny tena tsàra mifandraika indrindra ataontsika zanany ho an'i Madagasikara

1. nygasysoafifameno ( 02/01/2013 17:24)
Asaramanitra e taona vaovao 2013!
Manasa antsika zanaka malagasy eto Madagasikara sy manerana izao tontolo izao iaraka mamaky ny RARY 2013 tena tsàra indrindra ho an'i Madagasikara ary mifandraika amin'ny filàny.Ireo zava-doza olana ifotony niainana 53 taona 1960-2013, ny poizina amin'ny mai 2013, sy ny vahaolana anarenana andrandrainy.
Ho itanao na ny amin'ny teny frantsay ho an'ireo zanaka malagasy mbola sahirana miteny gasy, ary ny amin'ny teny malagasy ho an'izay tia an'izany.
aelezo ilazao ireo namana rehetra tongava ary ato amin'ny
www.madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
Mirary soa
Pr Tahina
répondu par adoektam le 20/03/2013 15:07
2. adoektam ( 20/03/2013 15:07)
Misaotra anao nilaza sy nizara e. Mba fangatahana ny ahy ity: asa na azo atao koa ny mandinika ny tetik'ady fampiasan'ireo tany vaventy hoentina mamotika ny mareforefo na tsia. Ny tiako holazaina dia ity:maro amin'ireo mpampianatra lalàna no mahay tokoa ny lalàna iraisampirenena; mahay manazava tsara izy ireo hoe raha izao no zava-mitranga dia izao no ho vokatr'izany, na raha izao no zava-miseho, dia izao no dikan'izany. Tsy mbola nandre anefa aloha aho hatreto hoe: raha izao no zava-mitranga na ny zava-miseho dia izao no tokony hatao. Heveriko fa ny fahalalana sy ny fahaizana ary ny fifehezana an'ireo paik'ady farany lalina indrandra izay toa miafina fonoponosin'ireny trangan-javatra sy karazan-dalàna ireny no tena tokony HATAO mba ahafahana midify azy.
Misaotra e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5398