efa te hananjanaka nefa tsy mety mahazo

1. tiavanafi ( 08/11/2012 13:35)
miarahaba ny namana rehetra
saika mba itady hevitra kely re raha misy manana anampina anay

fa mba te ananjanaka mafy mihintsy fa dia mbola tsy mety mahazo é ! za zao 25 taona telo taona niraisako trano t@ vadiko ; t@ roa taona lasa za nisy zaza tsy @plasiny zany mety lay atao hoe zaza antsosokoditra angamba zany é ?
dia ilay izy mbola kely moa de tsy nodidina za fa natao picure nanesorana an'ilay izy;
t@ io no sambany ka atramin'izao , nefa za tsary manao fisa sady tsary nanala zaza zany , ataoko hoe momba za nefa maninona za nisy anilay zaza t@ roa taona lasa ? dia tsary nisy intsony atramin'izao ; efa nandeha tany @ dokotera fa tsy haiko mihintsy fa hoatrany hoe tsisy problem . matahotra ny tsy iteraka aho, na ny vadiko indraindray efa gaga mihintsy hoe fa maninona , izy mantsy efa niteraka iray t@ vehivavy hafa;
répondu par fiphie le 07/12/2012 14:04
2. Lars ( 09/11/2012 12:43)
Avy aty anaovako azy. Garanti 120%
3. arialy ( 13/11/2012 10:38)
afaka manan-janaka ianao izany matoa efa nanana, fa mahareta kely, mety ho stress no mi bloque koa anie, aza atao anaty loha loatra koa é, kendreo tsara amin'ny période d'ovulation ny fanaovana firaisana, misotroa rano mafana na matimaty foana, miezaha misakafo misy sakamalao kely manafana kibo, dia manaova calme sy sereine foana.
Mirary soa
4. tiavanafi ( 19/11/2012 16:59)
bjr ndry,
mety zay marina fa za tsy dia misotro rano mafana matetika .
misaotra namaly é
mirary soa koa ho anareo an
5. fiphie ( 07/12/2012 14:04)

tiavanafi:

miarahaba ny namana rehetra
saika mba itady hevitra kely re raha misy manana anampina anay

fa mba te ananjanaka mafy mihintsy fa dia mbola tsy mety mahazo é ! za zao 25 taona telo taona niraisako trano t@ vadiko ; t@ roa taona lasa za nisy zaza tsy @plasiny zany mety lay atao hoe zaza antsosokoditra angamba zany é ?
dia ilay izy mbola kely moa de tsy nodidina za fa natao picure nanesorana an'ilay izy;
t@ io no sambany ka atramin'izao , nefa za tsary manao fisa sady tsary nanala zaza zany , ataoko hoe momba za nefa maninona za nisy anilay zaza t@ roa taona lasa ? dia tsary nisy intsony atramin'izao ; efa nandeha tany @ dokotera fa tsy haiko mihintsy fa hoatrany hoe tsisy problem . matahotra ny tsy iteraka aho, na ny vadiko indraindray efa gaga mihintsy hoe fa maninona , izy mantsy efa niteraka iray t@ vehivavy hafa;


Slt!
Zao an!, manantona aloha gynecologue fa aza mijanona fotsiny @'zao fa mety misy probleme hormonal any na zavtr hafa zay eritreretintsika ho zvtr tsy misy dikany.
Efa nanana an'io probleme io koa mantsy zah teo fa zao zah niteraka tsara, fa tsy nahazo zaza zaho raha tsy nanao traitement t@ gyneco an!, 2ans nanaovana traitement zah. Ny ilazako an'zany dia ny mba tsy ahakivy anao fa enao mantsy oatran'efa kivy be zany.
Ialao lavitra ny pensée negative fa ireny koa ne mitondra stress e!.
Mba manaova koa reny ady gasy reny, oatra oe: mihinana vary amin'anana sy akondro manta (andrahoina miaraka @ le vary @anana ao le akondro manta an!) matetika, ao koa vavonin-kena sy ana-mafana dé asiana sakamalaho!, mampafana kibo izy reo, fa rehefa mafana ny kibo dia mora itoeran-jaza!. Aza dé tia zvtr glacé koa an!
Raha resaka renin-jaza aloha tsy dé conseillé'ko olona mba tsy ilazako oe aza mandeha @'reny miintsy !
Ampiaraho @ zay conseil omen'gyneco anao reo fa nahomby aloha izy tamiko fa inoako fa hahomby koa @'nao!
Dia mirary zazakely ho tonga malaky e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2276