ireo karazam-pahagagana...

1. ari.malala ( 24/09/2012 07:02)
Miarahaba ny rehetra indray!

Fanontaniana manitikitika kely mba ilàna valiny azafady! hoanareo mivavaka amin'ireny antokom-pivavahana milaza fa hoe misy fahagagana maro rehefa mandeha mankany hoa, satria rehefa mihaino ilay publicité dia misy hoe 'hatsangana ny maty', d manontany aho, raha toa ve mandalo trano misy fahoriana ny mpitarika ilay antokom-pivavahana, d mandalo ao v k manangana tokoa ilay maty, sa refa am le fotoampivavahana iany vao oe misy fananganana n maty? d efa nisy fianakaviana nanana maty nentina tany v d nitsangan-ko velona tokoa ilay maty? misaotra mialoha mitondra fanazavana
répondu par ari.malala le 27/09/2012 11:11
2. mirananirina ( 24/09/2012 08:01)
Honohono daholo izany ry ari ah!Raha marina izany dia izy izany no zanak'Tra satria mahavita fahagaga!!
Vao omaly mht aho no nahare ity: Inona moa no antony niverenan'i Marie Madeleine tany @ fasan'i Jeso? Satria hono nahita izy t@ Jesoa nofatsiana fa tsy maty dia nalevona, dia niandry 3 andro vao afaka nijery azy tany ampasana (afaka 3 andro vao miala ny mpiambina fasana)tena talanjona aho!!Tiany tenenina hoe tsy nitsangana t@ maty i Jeso fa tsy maty akory !!asa aloha ny fahamarinan'izany
3. didi10 ( 24/09/2012 08:03)
Tsara ny Tompo!
Mahafinaritra ny fanontanian'ny namana ari.malala.

Sao dia tsy azonao tsara aloha ilay hoe hanangana ny maty fa misy hevitra maro samihafa:
1- Hanangana ny maty :tahaka ny nananganan'i Paoly ilay zatovo maty nianjera (Asa 20,9)
2- Hanangana ny maty: ireo mpanota izay maty fanahy no hatsangana mba hibebaka sy hanolo-tena ho an'Andriamanitra.
3- Hanangana ny maty: Fanesorana ireo sakana rehetra tsy hidiran'ny fahasoavan'ny Tompo ao amin'ny fiainan'ilay olona...

Mbola tsy nahita aho loha hoe: mpanompon'Andriamanitra gasy nanao ilay fananganana ny maty karazany voalohany fa ny ankamaroany dia manao ilay karazany fahatelo izay tsy misy maharatsy azy satria mampiseho ny voninahitr'Andriamanitra saingy mamily ny sain'ny mpino sy ny mpitondra any amin'ny fitiavan-karena indraindray.
4. Miharena ( 24/09/2012 08:59)
Raha ny marina dia azo hazavaina avokoa izay lazaintsika fa fahagagana. Eny na dia izay atao hoe fananganana ny maty aza.

Raha tena eo i Kristy dia azoNY atsangana na dia maty aza. Efa maro ihany izay olona efa maty ara-batana mihitsy izao nefa niverina ho velona indray.

Ohatra : Nenilava, Mamavao (izay mbola niteraka ary mbola mijoro vavolombelona mandrak'ankehitriny, ireo maro samihafa izay tsy Malagasy ihany fa eo koa ny vahiny izay mitantara fijoroana vavolombelona.

Raha tena zohina dia izay tena mitady dia hahita fa raha toa kosa ka ho avy ao amin'y fiangonana iray isika nefa tsy manana finoana fa hitsapatsapa fotsiny dia tsy hahita na inona na inona hitranga ho an'ny tenantsika akory.
5. mirananirina ( 24/09/2012 09:11)
ari-malala< tonga tampoka tato atsaiko ity zvt niseho taminay fahiny ity: zandriko faravavy vao teraka dia déclarény dokotera sy sage femme hoe maty dia nitomany sns daholo moa ny fianakaviana!!adiny 1 taty aoriana dia nisy masera vazaha nadalo tao @ hop dia noraisinay t@ tongony ilay faty (izany hoe natsongolony)dia hoe alors votre bébé est mort? ozy vita ny teniny dia nitomany ilay zaza!!!izay mbola velona hatr@ izao!!misy cas hitako toa izany koa,mahagaga dia hoe fahagagana ve sa inn no antony mahatonga izany?
6. ari.malala ( 24/09/2012 13:50)
didi10 raha izany anie tokony mba préciser na kosa hoe fananganana ny maty tahaka ny ahoana ilay ataonareo e! fa tsy mamilivily saimbahoaka toy izany! amiko izao rehefa oe fanangana ny maty d otran nataon Jesoa t@ Lazara, t@ ilay zanaky ny mpitondra tena, t@ zanakavavin Jaira... d zay anie no antony mahatonga anà manontany oe raha toa v ka mandalo ianareo mahita hoe io misy trnaon'olona mis faire part oe misy maty ao, ts adidinareo kosa v n miditra ao k manangana ilay maty raha anananareo marina ilay fahefana hanao izany?

mirananirina, fahazoako ilay zaza atsongoloka d velona akia mety hoe izay ny fomba fi réanimer na zaza, fa n zanako koa natao anizany vao nitomany tam teraka a! na ilay lahimatoa na ilay faralahy samy toy izan daolo ny nanaovan dokotera anazy! sempotra tany ankibo ilay zaza d atsingoloka amizay mahazo aina.
7. methode ( 24/09/2012 14:19)
Publicité daholo ireny ny fahafantarako azy fa raha tena izy tsy mila misehoseho! Tadidio fa ny an'i Jesoa aza nasainy nafenina mihitsy ny fahagagana nataony mba tsy ho lasa olo-malaza izy ka ho veirn'izany ny tenazava-dehibe dia ny fahasoavan'Andriamanitra. Natao hampisehoana fotsiny ireny fahagagana ireny hoe tsy misy hery mihoatra an'Andriamanitra. Tsy manery ny olona hanaraka azy izy avy eo fa ny olona no misafidy malalaka! Tsy izy koa no manao publicité hoe afaka manasitrana olona na manangana ny maty fa ny olona no matoky azy avy hatrany!
8. methode ( 24/09/2012 14:31)
Raha izay rehetra tiana hatsangana amin'ny maty koa dia hatsangana daholo tsy hisy hiainana intsony eto ambonin'ny tany! Hanangana maty ihany ny olona ka maninona no tsy ireo havany maty ireo no atsangany voalohany! Ny an'i Jesoa tokana ihany no tanjona:" Fanehoana ny voninahitr'Andriamanitra sady fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra Ray"!
9. ari.malala ( 24/09/2012 14:34)
miombon-kevitra tanteraka @ Methode aho!
10. didi10 ( 25/09/2012 06:37)
ari.malala:

didi10 raha izany anie tokony mba préciser na kosa hoe fananganana ny maty tahaka ny ahoana ilay ataonareo e! fa tsy mamilivily saimbahoaka toy izany! amiko izao rehefa oe fanangana ny maty d otran nataon Jesoa t@ Lazara, t@ ilay zanaky ny mpitondra tena, t@ zanakavavin Jaira... d zay anie no antony mahatonga anà manontany oe raha toa v ka mandalo ianareo mahita hoe io misy trnaon'olona mis faire part oe misy maty ao, ts adidinareo kosa v n miditra ao k manangana ilay maty raha anananareo marina ilay fahefana hanao izany?


Misaotra ny namana
Tonga dia aleo hijanona aloha ilay "ianareo" satria raha nanazava taminao aho dia tsy midika akory hoe manao izany izahay.

Marina ny tenin'ny namana fa "publicité" ireny isaritana anao hivavaka any amin'ilay fiangonana, tsy mba fanaonay ny mampanantena fahasoavana sy fitahiana rehefa mitory satria na azonao aza izay rehetra irianao eto an-tany amin'ny anaran'i Jesosy dia "tsy migaranti" ny famonjena ny fanahinao izany.
Raha maharaka tsara ny fitoriana ataoko eto ianao dia mahita fa "ho amin'ny famonjena ny fanahy" no tanjona fa tsy ny hidiranao any amin'ny fiangonana misy ahy na hampanantena fitahiana ho an'ny tsirairay satria rehefa mikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra ianao dia hanaraka anao izany rehetra izany.

Ny momba ilay fananganana ny maty indray dia mila mitandrina tsara satria mila miresaka amin'ny Fanahy Masina fa tsy mandeha amin'ny fientanam-po na amin'ny hatanjaha-tsaina koa hoe vao mahita fair-part dia ndeha hanangana ny maty. Tadidio fa ny fahagagana dia tsy natao ho an'ilay iharana ihany fa ho fanehoana ny Voninahitr'Andriamanitra amin'ny manodidina azy ihany koa.
11. hadji ( 25/09/2012 12:38)

samy manana ny finoany ny rehetra fa ny mivavaka amin'ny fo no tsara indrindra pub ireny e
12. niryna ( 26/09/2012 23:49)

mirananirina:

Honohono daholo izany ry ari ah!Raha marina izany dia izy izany no zanak'Tra satria mahavita fahagaga!!
Vao omaly mht aho no nahare ity: Inona moa no antony niverenan'i Marie Madeleine tany @ fasan'i Jeso? Satria hono nahita izy t@ Jesoa nofatsiana fa tsy maty dia nalevona, dia niandry 3 andro vao afaka nijery azy tany ampasana (afaka 3 andro vao miala ny mpiambina fasana)tena talanjona aho!!Tiany tenenina hoe tsy nitsangana t@ maty i Jeso fa tsy maty akory !!asa aloha ny fahamarinan'izany
Izay izany no fomba fahazoanao azy sy ny finoanao ka.odrry taiza ary iza no niteny fa tsy maty i Kristy dia nalevina ha,ha. Azafady fa mampihomehy ahy ilay honohononao.
Iza izany hono no namoha ny fasana sa boritra ilay varavarana ka raha voa lasa ny mpandevina dia nivoaka moramora Izy?
Raha resaka fivavahana amin'ny maha kristiana no lazaina dia izao no tsarovy fa finoana avokoa no niandohan'ny zavatra rehetra ary raha miresaka hoe finoana isika dia zavatra tsy ita maso kanefa azo ampiharina ao anatin'ny fiainana.Kristy dia efa nisy raha mbola tsy niforona aza izao tontolo izao.Raha te handalina kely izany hianao dia jerijereo ao anaty baiboly ao ka avadio ao amin'ny Kolosiana 1:17-20 dia ho hitanao fa Izy no nisian'izao rehetra izao.(Centrality of Christ) Ok
13. niryna ( 27/09/2012 00:06)
Miharena:

Raha ny marina dia azo hazavaina avokoa izay lazaintsika fa fahagagana. Eny na dia izay atao hoe fananganana ny maty aza.

Raha tena eo i Kristy dia azoNY atsangana na dia maty aza. Efa maro ihany izay olona efa maty ara-batana mihitsy izao nefa niverina ho velona indray.

Ohatra : Nenilava, Mamavao (izay mbola niteraka ary mbola mijoro vavolombelona mandrak'ankehitriny, ireo maro samihafa izay tsy Malagasy ihany fa eo koa ny vahiny izay mitantara fijoroana vavolombelona.

Raha tena zohina dia izay tena mitady dia hahita fa raha toa kosa ka ho avy ao amin'y fiangonana iray isika nefa tsy manana finoana fa hitsapatsapa fotsiny dia tsy hahita na inona na inona hitranga ho an'ny tenantsika akory.

Misaotra MIharena a.izay indrindra ilay izy.Ny hoe tsy mbola nisy dia efa voalaza ireo ambony ireo ny ohatra maro.ary ny baiboly koa no efa nanao fanoharana maro ireo maty ara-batana sy mary ara-panahy kanefa velona indray.
Mila mitandrina isika fa ny fanahy ratsy koa dia mahavita ny fahagagana rehetra nataon'i kristy fony izy tety an-tany ary mihoatra lavitra amin'izany aza no ataony ka be no miroboka dia ireny lasa manao fifanekena amin'ny ratsy ireny ary inona no hiafarany ? satria mbola misy ihany no manao fanatitra alatsa-dra amin'izao fotoana hiainantsika izao na dia efa nomen'ny Ray ho antsika aza izany dia ny Zanany.Eny mahavita fahagagana maro izy hoy aho ka mbola mienika eny rehetra eny ny magie-magie ataony ary tena maro tokoa no miroboka .Milaza aminareo aho fa na ireo olona mameno ny fiangonana isaky ny alahady ireo aza dia mbola maro no manana fiarovana ooops

Ho an'i ari
Isan'andro ,isan'ora kristy dia manao fahagagana amin'ny fiainantsika.Misaora Azy fa ny tena mpino Azy dia mibitsika aminy ary mihaino ny feoNY.Tazomy ny finoanao ,eny tsara ny mijerijery fa mila mitandrina satria kristy no efa niteny fa maro no hanao fahagagana amin'ny anaraKo kanefa tsy misy fantatro izy ireny.Dia izao mianaka eto amin'ny firenentsika ny fivavahana milaza fa manangana ny maty.Nahita aho ramatoa izay nanao fampielezana hoe tongava ato aminay fa hiova ny fiainanao.,ny fahantranao sns eo dia tsy menatra eram-poko ,eran-danitra eo mamorona lainga be masaka.Ny olona milaza azy ho olon'Atra kanefa mamitaka an'Atra no tena hianteheran'ny fitsarana mangirifiry indrindra ka aza minomino izay fiangonana milaza fa manao fahagagana etsy sy eroa..Eny hoy aho misy ny fahagagana ao saingy anjaranao no mivavaka sy mizaha na fanahy inona no miasa ao na tsia .
14. niryna ( 27/09/2012 00:13)

mirananirina:

ari-malala< tonga tampoka tato atsaiko ity zvt niseho taminay fahiny ity: zandriko faravavy vao teraka dia déclarény dokotera sy sage femme hoe maty dia nitomany sns daholo moa ny fianakaviana!!adiny 1 taty aoriana dia nisy masera vazaha nadalo tao @ hop dia noraisinay t@ tongony ilay faty (izany hoe natsongolony)dia hoe alors votre bébé est mort? ozy vita ny teniny dia nitomany ilay zaza!!!izay mbola velona hatr@ izao!!misy cas hitako toa izany koa,mahagaga dia hoe fahagagana ve sa inn no antony mahatonga izany?
dia aminao izany fa hagagana izany sa tsia? dia mba nisaotra sy nidera an'Atra ve hianareo satria teo am-pelantanaNy ny ain'ilay zandrinao? Noho izany mbola kely hianao dia efa nasehon'Atra fahagagana sy ,ny voninahiNy ary ny ,fahasoavaNy.Tsy nataotaony fotsiny anefa izany fa nomeny anao mba ahatsiarovanao fa nanao fahagagana tsy takatry ny saintsika izy ka tokony hianao no hijoro vavolombelona anambara izany fitiavan'Atra anareo izany . Ny zavatra rehetra miantra amin'ny fiainantsika dia fanehoany ny fitiavany avokoa ,eny na fahoriana aza izany satria mitady Azy isika ao anaty fahoriana
15. niryna ( 27/09/2012 00:17)

ari.malala:

mirananirina, fahazoako ilay zaza atsongoloka d velona akia mety hoe izay ny fomba fi réanimer na zaza, fa n zanako koa natao anizany vao nitomany tam teraka a! na ilay lahimatoa na ilay faralahy samy toy izan daolo ny nanaovan dokotera anazy! sempotra tany ankibo ilay zaza d atsingoloka amizay mahazo aina.
itan'i ari amin'izay,Ny fahagagana dia omeny antsika isan'andro isan'andro fa indraindray isika tsy mieritreritra ilay fahasoavana nomeny.Fahasoavana hoy aho aminao satria nisy olona izao sempotra tao ambohoka ilay zaza dia saika nanaraka koa ny reniny.Mbola fahasoavana ihany koa izany satria mbola velona ny reniny na dai maty aza ilay zaza.
16. ari.malala ( 27/09/2012 11:11)
niryna, misaotra am valinteny. Raha nametraka ny fanontaniana aho ts midika mintsy akory oe tsy mino. Tsy izay ny objectif ko,fa mba te hahalala hoe mba efa nisy tokoa v nahatanteraka ilay publicité hoe hanangana ny maty.

Amiko, tsy tokony atao publicité ahazoana "client" ny anaran'Andriamanitra, ary ny fivavahana sy finoana tsy itadiavana intérét oe raha tsy izao ts mivavaka! manjary lasa clientélisme ny fivavahana ankehitriny ka tsy mety! tatatataina ery hoe rallye de miracle, hoafaka ny problème nao reetra, sns misy mahasahy miteny hatr@ hoe hatsangana ny maty, ka raha inty moa ka misy tokoa olona mananana havana maty entiny ao, ho tafatsangana tokoa ve??? izay no tiako fantarina marina! fa efa azoko ny valinteny hoe publicité fotsiny ihany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.054