fianakaviana

1. vivi ( 21/08/2012 17:16)
mandefa vola hisambolanana any dago zà isam-bolana ho any mamanay, misy fotoana ka raha vao misy olana lehibehibe d tsy mandefa misi2 , ohatra we ts fahasalamana, adidy ....sns,zà nefa manana anadahy 3, nefa zavatra votsikaritro rehefa mis blem, automatique ry zareo miANTSO we mila vola mama, mila anizao indray, d amizao tsika miteny zao d tonga saina mihintsy zà, fa hotrany zà no manao fa ry zareo toa ts manao fa miantso telefonina fotsiny ny ataony d we mila zao ndray ... d lasa manomboka tezitra zà we maninona ts manao aloha ry zareo rehefa ts ampy ny vola d zay vao mangataka amiko, fa lasa routine lay iz .rehefa aty andafy v d tsy maints manam-bola fona?. ts we mifanjana zà fa tsara raha mba miaraka manao na hifampizarana ilay iz na zà no matsapa-tena we lafo b kosa fa zà no anao misimisy! fanontaniako we zà v no mandefa fisainana lavitra sa zany mihintsy ny fiainana?
répondu par tiris8786 le 13/04/2015 17:49
2. andrywui ( 22/08/2012 00:45)
Vivi à , isika mpetraka aty ivelany aty ane ny marina de zao e , manambola fa tsy manankarena , ny oul any dago manantranobe ,tany ...ka zao le valiny ary , ny 1€ ane ka telo arivo be zao ny vidiny noho zany a tsy mavesatra n mandefa vola ho an ny fianakams any Dago alou e , ny agogo croco zao 22€ ndray mipoka ,nefa ane ka efa 5alina ariary any Dago zay e , donc tsy de vesatra kosa angamba,rah tsy oe isakerinandro le hataka anga vo mety ho valaka iany . Mazoto e
3. vivi ( 28/08/2012 09:38)
misaotra betsaka am valin-teny e!
4. lavatandroka ( 31/08/2012 08:14)

[quote=vivi]
misaotra betsaka am valin-teny e!

Manao ahoana i Vivi, raha ohatra mbola misy ny possibilité akia de ataovy foana satria ho an'i Mama io, asakasak'ireo tsy manao fa nahavita ny adidinao ianao. Refa misy olana de afaka mihato kely aloa, ataoko fa tsy misy hanome tsiny anao, fa aza jerena izay tsy manao na tsy mahavita.

Mazotoa
5. niryna ( 13/09/2012 05:16)

vivi:

mandefa vola hisambolanana any dago zà isam-bolana ho any mamanay, misy fotoana ka raha vao misy olana lehibehibe d tsy mandefa misi2 , ohatra we ts fahasalamana, adidy ....sns,zà nefa manana anadahy 3, nefa zavatra votsikaritro rehefa mis blem, automatique ry zareo miANTSO we mila vola mama, mila anizao indray, d amizao tsika miteny zao d tonga saina mihintsy zà, fa hotrany zà no manao fa ry zareo toa ts manao fa miantso telefonina fotsiny ny ataony d we mila zao ndray ... d lasa manomboka tezitra zà we maninona ts manao aloha ry zareo rehefa ts ampy ny vola d zay vao mangataka amiko, fa lasa routine lay iz .rehefa aty andafy v d tsy maints manam-bola fona?. ts we mifanjana zà fa tsara raha mba miaraka manao na hifampizarana ilay iz na zà no matsapa-tena we lafo b kosa fa zà no anao misimisy! fanontaniako we zà v no mandefa fisainana lavitra sa zany mihintsy ny fiainana?
toa olana mitranga ho an'ny olona mipetraka ivelany avokoa io ka.Eo koa ny fianakaviana manararaotra hoe any an-dafy dia toa raofina amin'ny sobika ny vola,misy tokoa anefa ny tena tsy manana.Ny olona hoy ilay dadatoa izay rehefa tsy manana dia tena tsy manana tokoa fa ny an'ny hafa rehefa milaza tsy manana izy mbola manana ihany.
Misy ny tena manana ary dia mivandravandra eo tokoa ny tranobe sy ny fiara sns,fa vitsy izany saingy maro loatra koa ny fianakaviana gasy ka sarotra ny hoe omeny iry ,ity indray tsy omena ,samy miandry avokoa ny olona.mafy tokoa anie rehefa tsy misy na ny atokona aza e?
Aza mijery ny hafa e,ataovy raha mbola misy ny azonao atao.eny misy indrokely foana ny fiainana fa jereo koa hoe nomen'Atra fahasoavana hianao ka mbola afaka manome ny olona izay mahantra,misy koa anie ka tsy fidiny ho azy no mahantra e.
Misy koa anefa ny hoe hano fa adala tompo,indraindray koa efa zatra mahazo ny olona dia miandry foana,misy aza milaza tsy manana fa rehefa mipoaka ny tranobe-ny vao gaga hianao.Eny e,izay ataon'ny tananao havia aza atao fantatry ny tanana havanana.Manaova raha mbola afaka manao hianao ,dia ataovy amin'ny fo tsy misy tambiny na latsa anie e,ho hitanao izany fahasambarana hoe tsara ny mizara , noho ny mandray
6. tiris8786 ( 13/04/2015 17:49)
izay indrindra ary matetika aza ny havambady no tena manao an'izay. ny tena foana no mandoa an'izao rehetra izao. rehefa misy haloa dia tsy tara mihintsy miteny fa rehefa mba misy ho zaraina dia ianao indray no adinony voalohany. farany moa dia lasa fiangarana mihintsy satria ny fianakaviana iray mahazo foana moa ny an'ny tena toa zara raha tadidy hoe misy. indraindray koa ny ray amandreny na ny rafozana mihintsy no miteraka ilay olana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3055