Zava miseho ao Syrie hatramin izao....sy ao Gasikara

1. saho ( 13/07/2012 20:50)
Faty marobe no hita sy manerana ny tanana ao Syrie , mba betsaka ihany izay firenena arabo nandalo le lohataona arabo araka ny filazan ny journaliste azy, toa Lybie, izay nahafaty ny pres Kadaffi, tao Egypte nandalo fitsarana Moubarak, fa ity ao Syrie ity dia tena enjana ihany, mamono ny vahoakany mihitsy le pres Assad, tsy mitsitsy, mitazana ny UNO, miaro azy ny Russie sy Chine, ny firenena tandrefana eto Europe toa ohatrany tsy misy fahefana....

Dia izao ve no lakile hidirana ny ady sy mampiseho vazana fa zaho tsy mitsoaka fa avelao ho avy izay ho avy

Mihenjana ny tady, ary mahatonga fandrika ny firenena lehibe indrindra fa ny firenena tandrefana ohatrany tsy misy fahefana...

Ny fomba fisehoana any Mada dia soa fa tsy misy faty hita etsy sy eroa amin izao fotoana hanoratana izao, izay no mahasamihafa ny firenena Syriana sy firenena Gasikara. Ny hitovizana dia samy mampihenjana tady raha fijery iraisampirenena satria mitazana ny firenena tandrefana, ny firenena mikambana, ny firenena miray afrikana...

Samy mitazana daholo ireo firenena mikambana sns....asa na rahoviana vao tena hoe vita ny fandraisana andraikitra enjana sady manana lanja eo amin ny firenena malagasy
Rajoelina tsy voafidimbahoaka, ary tsy manana fahefana hitondra ny Gasikara, fa manenjana tady sy didy avoaka fotsiny hoe zaho no tompon ny fahefana eto Gasikara, raha resaka hoe filoha amin ny maha fitondrana tetezamita dia voafetra ao anatin ny fotoana fohy dia fohy izany, raha ela indrindra enimbolana...

Raha atao anefa ny fanadiadiana, dia mitovy ny firenena Syrie i Gasikara, manenjana ny tady, ary maro mpitazana, asa iza no olona hamirapiratra sy misongadina hahatafavoaka ny fitazanana fomba fiseho amin ireo firenena roa ireo

Misy fomba fiteny Malagasy hoe "Andriamanitra tsy andrinareo, andrinay ihany", kanefa koa dia misy fomba fiteny Malagasy hoe "Ela nitoratorahana, ka nahavoa voamason'angatra"

Anjarantsika no mandinika ny zavatra hitranga amin ireo tantara misy ankehitriny ao Syrie sy ao Gasikara
répondu par AndriambyII le 17/07/2012 09:20
2. jentilisa ( 13/07/2012 21:12)
Mino ve ianao fa i Assad irery no mamono olona ao Syria? Aza variana amin'izay soratan'ny gazety tandrefana fa samy mamely daholo na ny avy aiza na ny avy aiza ao...Na mpanohitra io na mpanohana
3. dadabe ( 16/07/2012 17:24)
zah tsy a ala page an
4. AndriambyII ( 17/07/2012 09:20)
Ka io ilay tantara mitohy hatry ny fahagolan'tany kaa!! Tsy misy azo atao afatsy ny mijery baolina . Lol!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2987