Tsy zanakan'ny Merina ny fitondrana firenena fa avereno amin'ny Cotier

1. newyork2007 ( 02/07/2012 12:05)
I Ravalomanana no mpitondra merina voalohany hatramin'izay ary mbola mampisalasala ny hoe voafidy ve izy sa tsia mba tsy hilazako avy hatrany hoe tsy lany izy: Ny olana nandritra ny fitondran-dravalo nikorontana ambony ambany ny firenena, teo ny fanenjehana olona izay tanindrana no akamaroany ka lasa sesitany tany ivelany, ny toejavatra tahak'izany anefa dia tsy mba nataon'ireo filoha teo alohany(Zafy, Ratsiraka tsiranana...), teo ihany koa ny tsy fisian'ny aquitable régionale zany hoe ny zanak'antananarivo no tena maro an'isa tamin'ny governemantany manginy fotsiny ny nanendreny PM teto afovoantany.
Niala Ravalo izay filohampirenena mora naongana indrindra dia tonga i Rajoelina, izay toa ny teo ihany no teo satria toa mbola misy sesitany foana hatramin'izao ary hatramin'izao dia mbola tsy azo ny fankatoavana iraisam-pirenena izay vao sambany nisy teo amin'ny tantaran'ny Madagasika na dia nisy aza tsy fankatoavana fohy ny an-dRavalo dia tsorina fa ity no lava indrindra.Samy tsy mety manaiky ny roa tonta na dia efa nisy aza ny fihaonana in-4 teo amin'izy ireo...tamin'ny androndRatsiraka anefa rehefa nisy ny 13 mai dia nanaiky ny lamina rehetra izy ka niafara tamin'ny covention de 31 octobre izany.
dikany: Tsy mahay mitondra ny merina fa omeo ny tanindrana ny fahefana satria ry zareo nitondra tsy mbola nisy hoatry izao.Mitantana ny Primature no mety amintsika fa raha ny Presidence dia aleo averina amin'ny tompony fa ry zareo no mahazaka an'io.
Mety betsaka ny tsy ho faly nefa dia tsoriko fa marina tsy misy tomika izany!
2. saho ( 02/07/2012 18:58)
newyork
ianao milaza NY gamba mahatsapa tsy normal intsony resaka racisme hidirana mpitondra na manampahefana, na tanindrana no eo na merina hifandimbiasana ny toerana. Ny compétence no miteny, andron ny fandrosoana izao, lazao fa mandroso ny toerana iray raha mifanara tsaina ny mpitondra sy entina. Rehefa misy resaka racisme dia tsy tafavoaka mihitsy, magie noire sy asan ny maizina no manjaka. Ilaina ny Diplomatie raha te hiditra mpitondra ary ny fomba racisme tsy hahavitanjavatra fa io no fototry ny fingana. Toi zany ohatrany mamingana, asiana fandrika, tsy malalaka ny saina ary mino za fa be dia be ny olona malagasy mitovy amin ny fomba famingananao, rehefa manana compétence sy voafidy dia izay ihany no miteny na iza teo na iza....
Soa fianatra ary raha hamingana toa anao no betsaka eto dia indrisy mbola lavitr ezaka ny dia sy lay mentalité maizina toa anao
Gasy samihafa foko, fa Gasy dia Madagasikara iray manontolo anatiny daholo
Raiso hoe ohatrany Bretonne sy Parisienne
Na koa hoe Amerika du nord sy sud
Dia ohatran izay koa Gasikara, avy any avaratra sy atsimo sy afovoany
Ny tantara no aoka hitsara, ny saina samy manana ary ny Gasy tsy ho ambaniana toa ny ataonao zao. Saina ambany izany, tsy lasa lavitra....
Bonne continuation
newyork2007:

I Ravalomanana no mpitondra merina voalohany hatramin'izay ary mbola mampisalasala ny hoe voafidy ve izy sa tsia mba tsy hilazako avy hatrany hoe tsy lany izy: Ny olana nandritra ny fitondran-dravalo nikorontana ambony ambany ny firenena, teo ny fanenjehana olona izay tanindrana no akamaroany ka lasa sesitany tany ivelany, ny toejavatra tahak'izany anefa dia tsy mba nataon'ireo filoha teo alohany(Zafy, Ratsiraka tsiranana...), teo ihany koa ny tsy fisian'ny aquitable régionale zany hoe ny zanak'antananarivo no tena maro an'isa tamin'ny governemantany manginy fotsiny ny nanendreny PM teto afovoantany.
Niala Ravalo izay filohampirenena mora naongana indrindra dia tonga i Rajoelina, izay toa ny teo ihany no teo satria toa mbola misy sesitany foana hatramin'izao ary hatramin'izao dia mbola tsy azo ny fankatoavana iraisam-pirenena izay vao sambany nisy teo amin'ny tantaran'ny Madagasika na dia nisy aza tsy fankatoavana fohy ny an-dRavalo dia tsorina fa ity no lava indrindra.Samy tsy mety manaiky ny roa tonta na dia efa nisy aza ny fihaonana in-4 teo amin'izy ireo...tamin'ny androndRatsiraka anefa rehefa nisy ny 13 mai dia nanaiky ny lamina rehetra izy ka niafara tamin'ny covention de 31 octobre izany.
dikany: Tsy mahay mitondra ny merina fa omeo ny tanindrana ny fahefana satria ry zareo nitondra tsy mbola nisy hoatry izao.Mitantana ny Primature no mety amintsika fa raha ny Presidence dia aleo averina amin'ny tompony fa ry zareo no mahazaka an'io.
Mety betsaka ny tsy ho faly nefa dia tsoriko fa marina tsy misy tomika izany!
3. andrywui ( 02/07/2012 22:09)
io zavatra resahan'i newyork io no tena marina !!

aza mihatsara velatsihy mihitsy ry sahoa a ! io no marina fa resaka tiana hatavy fotsiny zany oe malagasy iray eee isika samy isika e malagasy tokana sns .. fa tsy izany mihitsy no niseho !! fa arak'io resak'i newyork io de tena mande amin'ny zavatra hita maso sy tsapa isan'andro no hamoahany hevitra eto fa tsy resaka fisehosehoana sy fanambonimboniantena na tonga de oe FIHATSARAMBELETSIHY mazava be mihitsy e !! raha misy hilaza fa tsy misy ny fanavahana ny Tanindrana sy ny Tanivo eto amin tanana !!

-- tena tiako ny olona miresaka mazava amin'ny fo madio sy mahitsy otran'i newyork io !! merci less aa !
4. andrywui ( 02/07/2012 22:12)
marina tsisy iadinkevitra mihitsy le tsy fahatahoran i newyork milaza zavatra !

raha mahitsy otranlah zao ny pokna rehetra de tsy hisy fihatsarambeletsihy tsony eto antany !! efa hita fa efa miseho mazava mihitsy ny fanavahana tanindrana sy ny tanivo eo amin'ny Mpitondra indrindra indrindra de mbola misy manafinafi-dratsy sy mbola mirehaka ihany oe malagasy tokana eee isika samy isika ee !
5. ronaldo09 ( 03/07/2012 06:08)
Tsy misy idirana resaka racisme eto ry SAHO a! Ny racisme dia volonkoditra samy hafa: Mainty sy fotsy na mavo sy mena , ny gasy lazaiko anao samy mainty fa tsy misy fotsy izany ary raha ny norm aza ny tanindrana no fotsy ohatra itompoklahy Syllah , Ravony , eo ihany koa ny Jeneraly Vital ry Pierrot Botozaza zay fotsy noho izany aza miresaka racisme eto. Marina tsy misy tomika ny tenin'i Newyork eto ary mbola manoha anizay koa i andrywi !
Ny resaka resahana manko dia hoe iray ny gasy nefa raha ny zanaka merina manambady cotier raikitra ny sakatsakana !Fa maninona???? nefa nge ka nareo ihany no milaza fa iray ny gasy e!!!
Ny zavatra atahoran'ny merina dia ny fivakisan'ny Madagasikara ho roa satria raha sanatria ka izay no tanteraka dia hihanjahanja eo Antananarivo satria saika avy any amin'ny sisiny daholo ny zavatra ilain'ny provincen'ny Tana!!!
Maninona moa raha iray ny Malagasy no tsy olona avy any Vohemar no atao PDS n'Antananarivo ??? Ka iray ny Malagasy ka!!!
Ny ahy dia i Ravalo no nanimba ny fitondrana malagasy na inona voizina eto satria nanilikilika tanindrana izy ary izay no mahatonga ahy tsy ho tia an'iny olona iny !!!
Merci newyork!!!Merci Andrywui!!!!
6. andrywui ( 03/07/2012 16:35)
ok merci ronaldo !!

le izy de izao e ! efa betsaka iany no efa tonga saina ireo mpanohitra ireo !! otrandry sefo zao ohatra ,ry noue ,r'ika ,ry noue tato reo huhuh fa de entinle oe menatra angah na le oe sssshh aleo rangah na ts mety tsony aza de iaramaty am tO eto fona a , aleo ifikirana iany alou i dada na de efa mandady any anaty tatatra aza ,, na defa le toetsaina tia manohitra mits no efa mibahana ao andoha !!

ka izao anie le tiko tenenn ee !! efa hita zao fa na hiaona hiresaka aza ry dada sy ry president de ny lalana mipetraka ihany !tsis olona ambonin'ny lalana eto ! innn io lalana io ??? mazava b ...TSY MAINTSY alefa ny Fitsarana anireny faty olona mikarararna teny ambhtsirohitra ireny de tsy maintsy avoaka ny ampamoakanreo vola des milliards navoaka tamn 2009 refa itan'ny sasany fa tsy ho poinsa tsony le Fitondrany !!

-de le didy anefa efa mipetraka ny mandat d'arret efa nivoaka !!
ka na hifanatrika sy hiresaka toy ny innn eo i dadavalo sy president de efa mazava fa tsy maintsy iakatra fitsarana an'ireo affaires reo alou izy de avy eo amzay vao iresaka fifidianana RAHA madio izy !! si non .... Tsiafahy !!! otran'ny mpandika lalàna rehetra !! Moa ka tsy izany va ????
7. saho ( 03/07/2012 16:43)
andrywi
ny niveau nareo miresaka eto tena tsy ao mihitsy, raha sendra te hiakatra hitondra an i Gasikara mila olona mahay fa tsy miteniteny foana
Mba ampiasao aloha ny coco vao milaza zavatra fa tsy ohatrany bordel eny Isotry sy Andranomanalina
Midira ho fidiana dia ho hita eo na lany na tsy lany izay be resaka tsiss azo raisina hoe hahavitana ny famahana ny crise
vakio tsara ny nolazaiko ery ambony fa ao anatiny daholo ny olana misy any Gasikara, ka mino za fa ohatran ny fambaranareo zao no zavamiseho any Mada, tsy mahagaga raha tsy tafavoaka.
Ny firaisankina no hery#
mazotoa dia mba mieritrereta aloha vao manoratra fa tsy hoe bla bla....
andrywui:

ok merci ronaldo !!

le izy de izao e ! efa betsaka iany no efa tonga saina ireo mpanohitra ireo !! otrandry sefo zao ohatra ,ry noue ,r'ika ,ry noue tato reo huhuh fa de entinle oe menatra angah na le oe sssshh aleo rangah na ts mety tsony aza de iaramaty am tO eto fona a , aleo ifikirana iany alou i dada na de efa mandady any anaty tatatra aza ,, na defa le toetsaina tia manohitra mits no efa mibahana ao andoha !!

ka izao anie le tiko tenenn ee !! efa hita zao fa na hiaona hiresaka aza ry dada sy ry president de ny lalana mipetraka ihany !tsis olona ambonin'ny lalana eto ! innn io lalana io ??? mazava b ...TSY MAINTSY alefa ny Fitsarana anireny faty olona mikarararna teny ambhtsirohitra ireny de tsy maintsy avoaka ny ampamoakanreo vola des milliards navoaka tamn 2009 refa itan'ny sasany fa tsy ho poinsa tsony le Fitondrany !!

-de le didy anefa efa mipetraka ny mandat d'arret efa nivoaka !!
ka na hifanatrika sy hiresaka toy ny innn eo i dadavalo sy president de efa mazava fa tsy maintsy iakatra fitsarana an'ireo affaires reo alou izy de avy eo amzay vao iresaka fifidianana RAHA madio izy !! si non .... Tsiafahy !!! otran'ny mpandika lalàna rehetra !! Moa ka tsy izany va ????
8. andrywui ( 03/07/2012 18:56)
Aaahh saho ...

Sahinao ve manebaka s'y manambany n'y olona eny ambany tanana otrizao ??? Angah ra eny ambany tanana de tsisy dikany ,ambany ?????

Zao zzvatra resahanao zao no tsy hanarahan'olona n'y politikan n'y zanak i dada ...nareo no mi crée anle resaka ambany ambony
9. andrywui ( 03/07/2012 19:00)
Resaka isotry ,andranomanalina ambany ..... Resaka race , mainty ambany ...fotsy ambony zany no mba resakao ????????




Mapalaelo !!!!
10. hery ( 04/07/2012 06:42)
Sao dia tokony hoe tsy vitan'ny tsy nianatra politika no mitondra firenena?

Ny itovizan-dRavalomanana sy Rajoelina koa mantsy dia ny tsy nianarana manokana siansa politika.

Betsaka ny zavatra nitovizan-dRajoelina sy Ravalomanana fa tsy ny maha Merina azy fotsiny. Ireny no mila jerena akaiky fa ny resaka merina sy tsy merina tsy dia hitako izay hidirany amin'ny fitondrana fanjakana.
11. ronaldo09 ( 04/07/2012 08:03)
Saho: Aza manambany olona ianao fa toe-tsaina mirefarefa amy tany zany!Aminao zany tsy misy ilana azy daholo ny olona eny amireo tanana noteneninao ireo?
Hery: Zafy Albert ve nianatra sciences po sa i Tsiranana politologue?Aza afangaro ny politologue sy ny politicien fa tsy mitovy !!!!
Misy idirany amin'ny fitondrana fanjakana ny resaka merina sy tsy merina satria marina ny voalaza ery ambony fa mahay mifandamina ny cotier toy ny tamin'ny 1991 sy 1972 ary 1996 nialan'i Zafy fa ny merina tsy azo alamina nefa aleoko lavitra i Andry Rajoelina toy izay ilay nodimbiasany, amiko iry teo aloha no manakorontana
12. cyril ( 05/07/2012 21:14)
racisme sy raciste mianakavy...
13. ronaldo09 ( 06/07/2012 12:45)
Ianao no raciste e!Ngah ny merina sy cotier misy idiran'ny volon-koditra?Zany hoe ny cotier fotsy fa ny merina mainty???Iza ary no fotsy e:I Vital camille sa Ravalomaanana, I Botozaza sa i Hajo, Ravony sa i Hery Rasoamaromak??
Ny antony tsy misy fotsy sy mainty ny gasy ny atao hoe fotsy dia mitovy amin'i Francois Hollande fa rehefa petak'orona dia mainty!!!
14. cyril ( 06/07/2012 22:36)
f'angah ny volokoditra no atao hoe race?
15. ravatorano ( 11/07/2012 07:03)
hahahahah !
amiko aloha dia na cotier na haut plateau araky ny filazanarteo azy dia sam nitondra sy namarina ity firenena ity tamin ny lalina mangitsokitsoka avokoa ! asa izay tamin'ny andron i Dadabe Tsiranana fa ny tenako mbola kely tamin izany fa ny ray aman dreniko nilaza aloha fa nilamina tamin izany mora ny fiainana nisakafo tsara niasa tsara azo atao hoe niadana ! i Dadabe Tsiranana dia "côtier".Raikitra ny 72 ! aza hadino fa ny malagasy rehetra no nientana tamin iny saingy ny tao antananarivo tao no nitarika azy! Dia iza ary no nandimby azy moa tsy ingahy Ratsirabe Didier Ignace va ? "côtier" koa izy ! moa tsy izany va ? dia samy nahalala ny fandehan'izany mpitondra "mena revolisionera" izany satrtia dia raikitra ny fillaharam-bary savony lafarine,menaka sns ny goavy sy ny paiso sisa no tsy nilaharana ary nanomboka teo, koa dia nisy fiolaharana hatrany amin'ny fandehanan amin'ireny toeram pivoahana antanan dehibe ireny hihihihihi aoka re marna ! d nodimbiasan ingahy Zafy izy rehefa tratran ireny 91-92 ireny ! mbola "côtier" koaz izy ! izey indray moa dia haitsika ny mada raid sns nosahaniny hany ka naongan ireo namany nametraka azy ihany ! najaka tapany izy eh ! d niverina ingahy Ratsiarak ary tratran ireny "premier tour d vita" ireny ary dia niditra indray ny 2001-2001 !
Tafiditra antsehatra amin izay Ravalomana sy ny minoa fotsiny ihany izy indray dia "merinaz haut plateau" izy koa dia nanao izay hafany tamin ny nanafangaroany ny fananany manokana sy ny an ny firenena malagasy hany ka nisafotofoto tao ny volany sy ny volapanjakana ka zary niha nahantra ny vahoaka amin ny ankapobeny ! dia io tratran ny 2009 !
Hatreo fotsiny aloha dia hitako fa saika ireo "côtier" no tena nitondra ny firenenaary tsy nahazaka izany !
Ny amin ny we mora aongana sy ny sarotra aongana dia tsy zava dehibe izany satria raha izay voalaza teo ambony izay fotsiny dia azo lazaina fa nandray anjara betsaka tamin ny fitondran nisy teto madagasikara ny "tanindrana" izay nanana mpanolotsaina avy ety "ampivoatany" !
Amiko dia mila olona manana finiavana tanteraka hanala an i madagasikara ao anatin ny fahoriana ny firenena ka na "tanindrana" io na "anivotany" io dia mety azvokoa satria samy malagasy isika .Io zany tsy resaka foko no mahatsy tafita antsika fa resaka toetsaina .
16. cyril ( 11/07/2012 12:23)
Toetsaina voaloha momba an'izany dia ny fanavahana ny merina sy ny cotier. 18 ve ny foko dia rehefa tsy merina dia cotier? Manisa amin'ny nifin'i tgv ngah?
17. dadabe ( 16/07/2012 17:30)
kayy leuleu.....hisy kombaka ihany raha izao no mitohy ann!! humm
18. pimaso ( 16/07/2012 19:09)
Inona avy aloa ny zavabita t@ izany tsiranana - ratsiraka - zafy izany? rajakombazaha fotsiny

rehefa ra8 dia vita ny lalana satria manana fahaleovantena , arodana satria mampandroso an'i gasikara

radomelina : rajakombazaha bis

Raha te ho tafita Gasikara : any @ Dada ny lakile
19. niryna ( 20/07/2012 16:40)
ravatorano:

hahahahah !
amiko aloha dia na cotier na haut plateau araky ny filazanarteo azy dia sam nitondra sy namarina ity firenena ity tamin ny lalina mangitsokitsoka avokoa ! asa izay tamin'ny andron i Dadabe Tsiranana fa ny tenako mbola kely tamin izany fa ny ray aman dreniko nilaza aloha fa nilamina tamin izany mora ny fiainana nisakafo tsara niasa tsara azo atao hoe niadana ! i Dadabe Tsiranana dia "côtier".Raikitra ny 72 ! aza hadino fa ny malagasy rehetra no nientana tamin iny saingy ny tao antananarivo tao no nitarika azy! Dia iza ary no nandimby azy moa tsy ingahy Ratsirabe Didier Ignace va ? "côtier" koa izy ! moa tsy izany va ? dia samy nahalala ny fandehan'izany mpitondra "mena revolisionera" izany satrtia dia raikitra ny fillaharam-bary savony lafarine,menaka sns ny goavy sy ny paiso sisa no tsy nilaharana ary nanomboka teo, koa dia nisy fiolaharana hatrany amin'ny fandehanan amin'ireny toeram pivoahana antanan dehibe ireny hihihihihi aoka re marna ! d nodimbiasan ingahy Zafy izy rehefa tratran ireny 91-92 ireny ! mbola "côtier" koaz izy ! izey indray moa dia haitsika ny mada raid sns nosahaniny hany ka naongan ireo namany nametraka azy ihany ! najaka tapany izy eh ! d niverina ingahy Ratsiarak ary tratran ireny "premier tour d vita" ireny ary dia niditra indray ny 2001-2001 !
Tafiditra antsehatra amin izay Ravalomana sy ny minoa fotsiny ihany izy indray dia "merinaz haut plateau" izy koa dia nanao izay hafany tamin ny nanafangaroany ny fananany manokana sy ny an ny firenena malagasy hany ka nisafotofoto tao ny volany sy ny volapanjakana ka zary niha nahantra ny vahoaka amin ny ankapobeny ! dia io tratran ny 2009 !
Hatreo fotsiny aloha dia hitako fa saika ireo "côtier" no tena nitondra ny firenenaary tsy nahazaka izany !
Ny amin ny we mora aongana sy ny sarotra aongana dia tsy zava dehibe izany satria raha izay voalaza teo ambony izay fotsiny dia azo lazaina fa nandray anjara betsaka tamin ny fitondran nisy teto madagasikara ny "tanindrana" izay nanana mpanolotsaina avy ety "ampivoatany" !
Amiko dia mila olona manana finiavana tanteraka hanala an i madagasikara ao anatin ny fahoriana ny firenena ka na "tanindrana" io na "anivotany" io dia mety azvokoa satria samy malagasy isika .Io zany tsy resaka foko no mahatsy tafita antsika fa resaka toetsaina .

Misaotra Ravatorano fa mazava be ny hafatrao,
mahavariana tokoa ilay resaka e.
Be fitsongolohana be loatra ireto olona e
Amiko koa anefa dia na mainty na fotsy na mena na mavo na lava na fohy na bota na mahia dia MENA DAHOLO NY RA



Ny olona angamba dia satria fitiavantena no betsaka ka toy ny parasy izay rehetra mitondra ,mitsetsitra ny madinika avokoa,tsy mitady ny tombontsoan'ny vahoaka kanefa izay rehetra miresaka dia milaza fa mitsinjo ny vahoaka,mitady ny tombontsoan'ny vahoaka foana,foana

Samy nisy lesoka avokoa izay rehetra nitondra teto amin'ny firenentsika na mbola tsy nisy aza isika,teo ny mody milaza azy fa nahazo fahaleovantena isika kanefa ny frantsay no ao ambadika.Eny hatramin'izao dia mbola mialokaloka sy manampy ny mpitondra ny frantsay.
Ny vahoaka mitsimpona fako,mihinana sakafo eny amin'ny fako,zara raha mihinankanina indray mandeha ao anatin'ny indray andro kanefa ny vahiny efa voky indray no mbola vokisana,raha nanana ireny volabe namokisana olona ireny tsy nomena ireo mahantra kely eo mbodin'isotry sy andotapenaka sy ny 67 ha,manginy fotsiny ireo mahantra eraky ny nosy,ireo aloha no asehony antsary lava dia ireo no resahiko,betsaka,tsy voatanisa.
Na merina io na tanindrana dia toy ny hoe na ambohoko na amboan' olona rehefa vandana dia kary. Ny biby tsy manandoa tsy mba mandeha ,tsy misy sahy manao vy very ny ainy hanavotra any gasikara ,jereo fotsiny hatramin'izao ,ny firenena manankarena vitsy ny olona mitondra ny fitondrana ary fantatra avokoa ny fananan'izy ireo raha vao miditra eo izy ireo ary raha vao miala eo.Ny antsika ka toy ny tain'alika ka ny avo ihany no tovonana.Izay tafiditra ao dia mameno ny paosiny,mahay miresaka avokoa,tsy misy tandroka ny ratsy fa miseho azy ho tia tanindrazana avokoa.Inona no vokany? mihamahantra ny firenena na dia manankarem-pahasoavana aza ,na dia nomen'Atra harena maro ety an-tany sy ambanin'ny tany aza.
Ao anatin'ny fotoana fohy dia samy manana 4x4 avokoa ny mpitondra,ny villa moa manginy fotisny,ny havany tafiditra ao amin'ny fitondrana avokoa,ny lasantsy moa dia e,e,ny manana ihany no manana
Jereo fotsiny ireny resaka dahalo ireny: iza no mitondra ao,aiza no ahondrana ny omby? iza no tompon'andrakitra manondrana ny omby? Tafiditra ao daholo ireo mpitondra sy manampahefana sasantsany mba tsy ilazako hoe izy rehetra,tsy maintsy misy fifandraisany ao.Ny volamena? mitondra ambozonana ny karana,ny sinoa,tsy voasava,iza no tompon'andraikitra ao,maninona no tsy voasava vao miala eo ivato? Ny fanondranana ny biby sy ny zavaboaary rehetra..Misy fifandraisany avokoa ilay izy tsy tanidrana tsy merina fa ny olona mpitondra izay tia tena,toy ny sakakely omeo ,omeo ihany,hano,hano fa adala tompo.
Inona izany no vahaolona? Ny biby tsy manandoa tsy mandeha-ny mpitondra tsy mametraka ny fitondrana eo ampelatanan'Atra,tsy manana fahatokisana Azy,tsy mitady ny famindrampoNy,tsy mandeha araka ny fahamarinana izay tadiaviNy atao isan'andro,tsy mahatoky Azy fa mbola mandeha atsy sy aroa .Hany ka ny firenena iray manontolo no voakapok'Atra satria manana andriamantra hafa,manana fadifady ,mbola mijanonana amin'ny fombandrazana maro samy hafa.
Ho sahy ve isika e,ho sahy ametraka ny fiainanan'ny firenena ho tantanan'Atra irery tokoa,ho sahy ve isika e,ka hiala daholo ny fombafomba amam-panaho rehetra izay manankana antsika ny fahasoavan'Atra hirotsaka ao amin'ny firenentsika e,ho sahy ve isika ka hitodidoha amiNy tokoa ary hitady sy andeha amin'ny fahamarinana amin'izay ka ny tombotsoan'ny firenena,ny vahoaka no tadiavina.Ho sahy ve isika ka sahy anao vy verin'ny aina andeha amin'ny fahamarinana fa tsy anao ampihimamba sy hameno ny paosy ?
olona matahotra an'Atra no tadiavina hitondra ny firenena
Olona mahafantatra ny fahamarinana no tadiavina hitondra ny firenena
Olona tsy ataon'ny firenena hafa ho fitaovana ankany tombotsoa no tadiavina
Olona mahafantatra ny tsara sy ny ratsy ka mitady ny fanorenana ny firenena izay latsaka ankanterena noho ny fitiavantenanan'ny rehetra.
Olona mahay miara-monina amin'ny olona ary mahalala ny fahorian'ny vahoaka
Olona tsy mitady ny tombotsoany fa mitondra ny firenena amin'ny fo-ny tokoa
Samy mivavaka isika ka mangataha amin'Atra mba omeny olombanona isika fa ny firenena vanonana dia ny firenena izay manankina ny fiainan'ny firenena sy ny fitondrana eo am-pelantanan'Atra irery .
20. odilontodisoa ( 27/08/2017 18:59)
haf ihan wa n foko ef zatra nifehy an madagascr nanomboka tamny fahapanjaka zan aa!! na iza faly na iza tsy faly, satria ef rà mikoriana ao aminy ny fanaovan n soa s tsar hoan rehetra!! notafihiny ireo tanindrana sy ny manodidina an'imerina satria tiny ho iray ny malagasy!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0881