Iza no ambony ny olom-belona sa ny anjely?

1. didi10 ( 05/06/2012 12:42)
Maro ireo olona mieritreritra fa amin'ny zava-boaharin'Andriamanitra dia ambony karazana kokoa ny anjely raha oharina amin'ny olom-belona, toy ny hoe ambony kokoa noho ny biby ny olom-belona, inona ny hevitrao?
répondu par Ranyah le 29/08/2012 21:40
2. rekinbelo ( 05/06/2012 13:09)
Salama namana!
Sarotra ihany ny hamly ny fanontanianao satria raha ny anjely aloha no jerena dia misy karazany efatra, ka eo indrindra no mahavaka ny saina hiteny hoe mitovy na ambony na ambany!
Misy aloa ny arkanjely izay ambony indrindra, avieo ny kerobima,izay andriana, dia manaraka azy ny serafima izay mbola ambony laharana koa ary farany ny anjely tsotra.
Ka iza amin'ireo ary no mitovy amintsika olombelana, ataoko fa tsy misy.
Matoa I JK nanataneraka ny faminanaina hoe "natao ambany noho ny anjely " dia midika izany fa ambany noho ny anjely isika olombelona raha eo @ filaharany zv-boaary io a!
Misy koa ohatra nosoratany Paoly fa" ny vehivavy tsy maintsy misatroka rehefa mampianatra" noho ny anjely. Tsy midika anefa izan fa zv-ambany isika olombelona fa tia Antsika andriamanitra matoa nahafoy ny Zanany lahy tokana izy hamonjy antsika.
Izay no mba hevitro namana fa dia miandry ny avy any aminao indray ary dia mahereza eee!
3. didi10 ( 05/06/2012 14:55)
Misaotra namana

Raha ny hevitro manokana aloha dia mety (mety hoy aho an!) ny fampiakaran'Andriamanitra antsika olombelona ho ambonin'ny anjely no tena nahatezitr a an-dry Satana satria nirahin'Andriamanitra hanompo (miasa) antsika olombelona ireo anjely ireo, jereo anie ilay tantaran'ny zaza mpandany e! rehefa niverina tamin'ny rainy izy, avy nanota sy nandany ny anjara fananany dia tezitra be ilay lahimatoa ary tena nialona ilay zandriny, raha notohizin'i Jesosy ngamba io tantara io dia tsy maintsy fikomian'ilay zokiny tamin'ny rainy no ho tohiny.

Ity koa misy Soratra Masina mampieritreritra ihany:
I Kor 6,3
3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao.

Iza no ambony, ny mpitsara sa ny tsaraina?
4. LazaDaddy ( 06/06/2012 00:53)
Samy eo ambany fahefan'Andriamanitra daholo na ny olombelona na ny anjely ka aoka tsy hiady ho "ambony sy ambany".

"Izay manetry tena no asandratra fa izay manandra-tena kosa no ahetry" hoy ny Soratra Masina.
5. didi10 ( 06/06/2012 07:41)

LazaDaddy:

Samy eo ambany fahefan'Andriamanitra daholo na ny olombelona na ny anjely ka aoka tsy hiady ho "ambony sy ambany".

"Izay manetry tena no asandratra fa izay manandra-tena kosa no ahetry" hoy ny Soratra Masina.


Le vocabulaire hoe "miady" kosa aloha tsy mitombina e! mba faniriana te hahafantatra fotsiny ny an'ny tena sady mba te haneho amintsika namana aho ny valeur 'ny olombelona eo amin'Andriamanitra satria tena tiany isika na dia mpanota aza, tiany noho ireo zava-boahariNY hafa nohariaNy talohantsika, anisan'izany ireo anjely izay toa hivavahan'ny sasany aza indraindray.
6. rahery08 ( 06/06/2012 12:01)
"3 Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika? Mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao."
Ny anjely nivadika no tian'ny Tompo ambara @ io araka ny hevitro!

7. RBNIR ( 06/06/2012 13:49)

Faly miarahaba ny namana rehetra indray e,
Izay mitady no hahita, izay mangataka no omena.....

« Lazaiko aminareo: Amin'izay nateraky ny vehivavy tsy misy lehibe noho Jaona; nefa ny kely indrindra amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia lehibe noho izy. » (Lioka 7:28)

Samia ho tahin'ny Tompo daholo indray namana isany a!

Hendre tsara daholo, matahora an'Andriamanitra, Omeo voninahitra ilay AVO INDRINDRA AMEN!
8. Miharena ( 08/06/2012 04:10)
Miarahaba ny namana rehetra indray,

Raha ny Baiboly no jerena ary raha mandinika ireo zava-mitranga mandrak'ankehitriny izay mahakasika ny anjely sy ny fomba firesany avy dia mitovy lenta ny olombelona sy ny anjely. Azo jerena ao amin'ny Apokalypsy izany raha niankohoka teo anatrehan'ny anjely nampita hafatra azy i Jaona ka nilazany hoe mitsangana fa aza manao izao fa mpanompo toa anao ihany aho.

Ilay hoe mitsara anjely dia mazava fa mahay manavaka ny anjely mamitaka sy tsy mamitaka. Ny fahazoana ny fototra maha-Fitiavana an'Andriamanitra hita taratra ao amin'y anjely no hanavahana azy. Ny anjely ataontsika hoe nisafidy ny haizina dia ireo izay mirehareha mitady ny ho azy ary mitady takalony raha angatahana fahasoavana fa ireo Mazava kosa dia ireo izay mizara sy mampahafantatra antsika ny fahamarinana rehetra momba ny fahatombenam-panahy ao amin'Andriamanitra.

Ankehitriny dia misy ny anjely maro izay manome hafatra ho an'ny olombelona ka mila hay tsara ny manavaka azy avy. Ny fanavahana azy dia hita taratra amin'ny fomba firesany sy ny hafata ampitainy avy.
9. mirananirina ( 08/06/2012 09:47)
Anjely mazava hoazy satria izy tsy hita maso ary mitoetra eo akaikin'Atra araka ny finoantsika
10. hery ( 15/06/2012 03:55)
Mahavonjy ve ny mahalala izany?
11. didi10 ( 15/06/2012 06:38)
Fantaro ny zavatra rehetra ary hazony mafy izay tsara.
12. majesty ( 09/07/2012 06:42)
Anjely : tsy mety maty, nohariana talohan'ny olombelona, mipetraka any an-danitra, irak' Andriamanitra ety an-tany , manampy ny olombelona ,masina......

Olombelona : mety maty, nohariana farany indrindra raha samy zava-boahary, mipetraka eto an-tany, mpanao ratsy sy meloka eo anatrehan' Atra

tsy dia ilàna adi-hevitra firy fa zay, na ny mpamorona ny loha-hevitra aza inoako mahalala an'reo fa asa a, mba mila confirmation fotsiny angah! dia anjaranao no mijery hoe iza no ambony d iza no ambany fa ny itovizana dia izao samy zava-boahary, samy manompo an' Atra.
vita tompoko!
13. Miharena ( 09/07/2012 17:57)
Koa raha ny anjely indray no milaza amin'tsika fa anjely koa isika fa nisafidy hitafy nofo fotsiny ihany dia azo lazaina ve fa mbola ambany noho ny anjely isika? Raha nandohalika teo anoloan'ny anjely i Jaona dia norarany tsy hanao izany. Midika io fa tsy misy tokony hanambonian'ny anjely tena ary tsy misy tokony hanamania'ny olona ny tenany, indrindra fa ny fanahiny izay itovizany amin'ny anjely (=tsy mety maty).
14. majesty ( 10/07/2012 05:03)
Miharena : tsy resaka hoe fanamboaniana na fanambaniana fa fanetre-tena no zava-dehibe satria na ny mpamonjy aza dia tsy nametraka ny tenany ho ambony raha tonga tety an-tany.
Ny fanahy tsy mety maty ??? sure @ zany ve enao " fa ny fanahy izay manota no ho faty hoy ilay boky efa tranainy izay...."
15. Miharena ( 11/07/2012 06:24)
Marina dia marina satria raha dinihina anie Majesty dia tsy hireharehana ny maha-fanahy fa zavatra efa lova iainana satria FOTOTRA e!

Ilay fanavahana no mila esorina tanteraka ary io ihany no baikom-pitiavana araka an'Andriamanitra. Ny hafa dia tsy izy avokoa.
16. Ranyah ( 29/08/2012 21:40)
Olombelona no ambony. satria fanahy manompo ny olona voatendry handova famonjena ( izaho sy ianao ) ny anjely, raha Anjely no manompo antsika.... hainao ny valiny fa mety difficile à croire ftsn aminao.

Mila takatrao fotsiny hoe iza ianao @ Andriamanitra fa na ny anjely noforoniny aza asainy manompo anao ( à condition que zanany nefa à, veut dire efa nanolotra ny fiainany anJeso)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3327