Mampalahelo

1. locl ( 06/03/2012 10:10)
Mikomy ny miaramila fa mitady vola, hampiakarana ny karamany. Fa mba ahoana ireto olon-tsotra mivoaka ny trano isan'andro fa tsy misy mpiady izay mba ho fiakaran'ny karamany.

Fa aiza foana le fampanantenana eee!!!!!sa ve efa hilentika ka dia hoe raha maty aho matesa ra-Malagasy.
répondu par rasomotra le 11/03/2012 09:39
2. Fheno ( 06/03/2012 11:17)
Ka izao anie ,ny miteny anie ka MORA e,Tsena MORA ,Menaka MORA,Trano MORA ,....Inn koa .......? ,malagasy MORA ,andao amidy MORA koa ny tanindrazana fa tsy manambola ny FAT MORA.
3. locl ( 06/03/2012 17:52)
Dia tena mamparikoditra ny mieritreritra izany rehetra izany. Fa rehefa dinihina dia hoe tena nataondry zalahy izay tena mahareraka ny Malagasy dia amin'izay azo ahodina MORA daholo ny zava-drehetra.

Fa agambany raha tamin'ny situation 2008 no nanaovana izao raha tsy feno mpilahatra ny arabe.
4. rasomotra ( 06/03/2012 18:58)
Ny eny amin'ny pelouse dia samy dadany daholo ny mpijery baolina mahalala ny tsy mety sy ny tokony na tsy tokony hatao fa raha mba miakatra an-kianja angamba tsy mahadaka baolina indraipa akory dia mitsirara.
Marina fa manahirana ny raharaha fa tsy vao izao isika no toa izao fa efa hatramin'ny 1979....mbola tsy teraka ny maro aminareo tamin'izany : miakatra an-drenivohitra ny fahasahiranana fa ny any ambanivolo sy ny province efa ela no sahirana ....
Ze te-hiverin-dalana , mahazo miverina .... na avarino any an-kady mihitsy ny fiara raha sahy... fa ny mety atao angamba dia tokony ho samy mandray andraikitra daholo na dia samihafa ara ny vesatry ny andraikitra.

Raha miandry olon-tokana hanavotra anao ianao dia ho antitra eo fa izy rahefa mafy ny onjan-drano lasa milefa mandositra izy : ho avy aho ..... tsy misy farany isan-kerinandro fa taona maro zay .... aiza ihany.

Mahazo midongy ze te-hidongy fa zony izany fa efa hatramin'ny fahazaza no betsaka ny tsy mahalala tsy misy :.... efa noraofin-dry Deba sy Dada malala tao amin'ny banque centrale daholo ny rakitra tao talohan'ny handosirany ary vao voatery mamorona sy mamerina ny banga aloha hatramin'izao : tsy 5000 Fmg akory no haverina fa miliara miliara ary trosa efa lanin-dry zalahy taona maro io.
Alefaso lavitra ny saina fa raha hitomany sy hitaraina lava eo .... dia andraso eo i Andry Rajoelina fa i Beriziky aza manahirana azy
5. andrywui ( 06/03/2012 20:44)
ary tena mahalal zavatra betsaka rasomotra zany a !! - zany ony ry zalah mpiondana a eny amn pemouse ony lisany de mahay oe dakao ankavia de safeleo ankavanana ny bolina ry voavy polin a !! - fa refa lisany no teo ,innn koa ze vitanareo teo fa vao maika aza nahantra ny gasy fa nokendain'i dada ho azy samirery ny asa kely mba nataon'ny gasy ! _

-zao aza ty atao oe tsisy vola miditra ny firenena fa voabloké daholo na fanampiana na fanomezana nefa toa voaloa ihany ny miliara maro karamampanjakana , sy ny vola fanaovana fotodrafitr'asa madinika na salatsalany toy ny asan'ny FER sy ry AGETIP sy ny FID sy ny CRESED sy ny FAO , UPEP ,USAID , GETZ , sy ny sisa !! marina fa tsy volan'ny fanjakana total no hanaovandry zalah ireo asa fa kosa misy 40 na 50 na 60% akory aza no raisin'ny fanjakana !! ...de mahagaga leretsy ka !!! - mety marina ihany le tenin'i mme MISA ary ambadika ary iny oe volana bois de rose no hanodinandry zalah firenena !! tena tsara zany satria natao ho an'ny firenena mihitsy ireny harempirenena ireny !! ...tokony trandrahan'ny fanjakana tsara koa ny safir sy ny rubis sy ny harena be ao ilakaka sy ny vao hita rehetra ao de hatao otran'ny bois de rose ko hanodinana ny firenena , ka na tsy hanome vola tsony aza ireo vahiny defa manana ny ampy isika atsy ho atsy ! merci ry zalah aaa .....ok ok ok ok !!!!
6. locl ( 07/03/2012 07:55)
KA IZAO NO SANTIONANY IZANY RY ZAREO A!! DIA ATAOKO ANGAMBANY FA TSY MISY FIANDRASANA AN'IZA NA IZA FA NY PELOUSE AMIN'NY TENINAO NO MAHATAZANA DIA MILAZA
VAKY BORA-TSINAY ILAHY RY ANDRYWUI

Araka ny vaovao voaray dia nisy ny vola 2 miliara ariary nalaina tao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara alina taorian’ny fihaonan’ny Jly Rakotoarimasy Lucien minisitry ny fiarovam-pirenena an’ny FATE sy Hajo Andrianainarivelo minisitry ny fanajariana ny tany. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana amintsika fa nifamaly teo amin’ny fiantsonan’ny fiara manoloana ny toeram-piasan’i Hajo Andrianainarivelo ny Jly Rakotoarimasy sy ny Jly Ndriarijaona nialoha io fivoriana miafina io. Sorena manko ny minisitry hy fiaorvam-pirenena raha nahita ny cemgam satria « tsy niera » taminy ity farany nialohan’ny nakanesany tany amin’ny fanajariana ny tany. Androany kosa dia fantatra fa i Hajo Andrianainarivelo no nandeha « nangataka » fanampiana tany amina mpandraharaha vahiny koa dia karana sy sinoa maromaro no nivondrona hameno izay tsy ambony ampanga amin’ny 2 miliara ariary noloarana tao amin’ny BCM. Raha ny fitakian’ireo manamboninahitra lefitra mantsy dia matevitevina ihany ka tsy maintsy nitodika tany amin’ireo mpamatsy vola azy ny mpanongam-panjakana.

Inona no hitranga ?
Tsy dia mampiseho ny fivahan’ny olana raha ny fampitam-baovao nozaraina tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny CAPSAT androany hariva. Raha ny voarakitra ao anatiny dia miantso ny ministry ny fiarovana ho tonga eny Soanierana izy ireo rahampitso 06 Martsa alohan’ny mitataovovonana, ireo miaramila kosa dia andrasana eny an-toerana amin’ny 07 ora sy sasany maraina, ora fanaovan’izy ireo « rassemblement ». Tao anatin’ny hetsika izay nataon’ireto manamboninahitra lefitra ireto mantsy dia tsy sahy nifanatrika tamin’izy ireo mihitsy ny Jly Rakotoarimasy ary efa nandeha aza ny resaka fa efa tsy nody tao an-tranony ity minisitry ny FATE ity omaly noho izay tahotra izay. Takian’ireo manamboninahitra lefitra anefa ny hijoroany ho tompon’andraikitra ao anatin’izao raharaha izao. Raha nikasa ny hanao fanelanelanana ihany koa ny CEMGAM sy ny COMGEN tao anatin’izay roa andro izay dia tsy noraisin’ireo manambonahitra lefitra ao amin’ny COSOFAM satria voatondro ho tsy mahavaha olana satria isan’ireo nahazo « grady mora » izay mbola tsy ankatoavin’ny manamboninahitra lefitra ihany koa. Andrasan’ny maro arak’izany ny tohin’ity raharaha ity indrindra fa efa manampy ireo avy eto an-drenivohitra ireo solontena avy any amin’ny Faritra araka ny vaovao fanampiny ary latsaka kely ny 500 no niatrika « rassemblement » androany maraina.

VAOVAO FARANY :
Simbain’i tgv tanteraka ny tafika Malagasy raha ny fahitana azy satria vao re siosio fa hisy ity hetsikin’ny manamboninahitra lefitra ity dia efa nampanantsoina teny Iavoloha ny telo tamin’ireo mpitarika ny COSOFAM ary notambazana vola be hampitsahatra izany fitakiana izany. Ankehitriny indray dia tambazana fiara tsy mataho-dalana (4X4) iray isan’olona ny « Chefs de corps » rehetra hamotika ity hetsika fitakiana ataon’ny manamboninahitra lefitra ity na dia efa ny toe-javatra toa izany aza no mitarika fifandrafesana. Mazava hoazy fa ny hampizarazara sy hampivaky ny « tandroka aron’ny vozona » no tena tanjona amin’izany.
7. locl ( 07/03/2012 15:49)

RASOMOTRA : misaotra ihany aloha tamin'ilay hoe pelouse fa atao ahoana moa fa ny pelouse indray no mahita ny zava-marina fa tsy ny ao andapa
8. andrywui ( 07/03/2012 22:17)
fay elah zay ra locl nanaovan'i rasomotra azy !! ataovy koa fa mbola ho azeran'ny oul avy eny ambony pelouse eny toi ry bainn aaaa ! vaky ny detety bean'i toi io
9. locl ( 08/03/2012 00:03)
Ka hianjera ho aiza indray e!!!!!efa hoe eny pelouse, ka aleoko aloha pelouse fa tsy tany mena ohatry ny TGV
10. andrywui ( 08/03/2012 22:35)

locl:

Ka hianjera ho aiza indray e!!!!!efa hoe eny pelouse, ka aleoko aloha pelouse fa tsy tany mena ohatry ny TGV
ka raha pelouse avo be otran'ny stade de france eto akaikinay eto ty kosa ve no ianjeran'i locl tsy ho taptapaka tsisy taolankalevina tsony ! ...ka matoa kou mbola ts nianjera le pelouse de mafy orina zan le béton mihazona azy ! ka ra hiandry ze ianjerany eo ralocl de lany andro eo ny oul lasa iany miaraka amn lamasinina mirifatra be !!
11. rasomotra ( 09/03/2012 18:22)

Ho henjana ity tetezamita ity satria niova famindra ny gasy....Efa azo atao ny mitokona , azo atao ny mampiely vaovao an-gazety na marina na tsy marina....Tsy azo noeritreretina izany hatrizay ka hatramin'ny 2007.... Hitanareo ny nahazo ireny mpanao gazety , diplomate,magistrat saika hitokona,....rehetra ireny.... Fa efa afaka aloha izao dia samy manao zay afany : samy miteny daholo ,samy mitokona ze te hitokona ,.... dia lasa samy miteniteny foana koa ary azo ambara fa lany lainga ny sasany....Ary io lainga io zao no tena mampihitsoka antsika toa izao...Ze mitokona dia mbola hitokona,ze mandainga de mbola handainga..... ze nandra ihany no maty betsaka .... Fa amin'ny farany " samy hitanty ny vokany" jiaby e !
Fa ny tetezamita tsy maintsy mifarana ary raha ho izay ihany.... tsy aleo faranana tsara !

Aiza ve rangahy dia mandritra ny roa taona ianao miziriziry fa " tsy mila Rajoelina " dia rahefa ilaozan'ny masinina ianao dia manao sonia indray " dia Rajoelina indray no ekenao ho eo "....Tsy maintsy ho tafita aloha ilay tetezamita fa misy ho vaky loha eo mandra-paha ...Tetezamitan-drafilahy mantsy ka tao ahoana fa izay aloha no misy.... Ze tsy mahatanty ...enga anie tsy ho voan'ny apoplexie !
Samia tsarava daholo tompoko

12. mirananirina ( 10/03/2012 09:44)
Ny miaramila aloha dia tena kely karama mht indrindra ireto sous officier!Ny vahoaka izany moa dia tena kely sisa dia hihinana vovoka sy ahitra
Ireto ihany ny lisitra olona be karama(manana trano,fiara,afaka mande resto,manao fiainana)
Ny rehetra ao @ fitondrana
Mpitsara
Mpisolovava
Ny zadary sy polisy indray matavy be daholo @ fanotrana vahoaka!!
Ny mpiasa mpanjakana tsy manao ny asany raha tsy omena vola(ministera,mairie,ecole,sns...)
Ny mpangalatra sy mpisoloky
Indrindra2 ireto vahiny mipetraka sy miasa ao Mada
13. andrywui ( 10/03/2012 10:15)

mirananirina:

Ny miaramila aloha dia tena kely karama mht indrindra ireto sous officier!Ny vahoaka izany moa dia tena kely sisa dia hihinana vovoka sy ahitra
Ireto ihany ny lisitra olona be karama(manana trano,fiara,afaka mande resto,manao fiainana)
Ny rehetra ao @ fitondrana
Mpitsara
Mpisolovava
Ny zadary sy polisy indray matavy be daholo @ fanotrana vahoaka!!
Ny mpiasa mpanjakana tsy manao ny asany raha tsy omena vola(ministera,mairie,ecole,sns...)
Ny mpangalatra sy mpisoloky
Indrindra2 ireto vahiny mipetraka sy miasa ao Mada

ary za adinon I mirana huhuhuhuhhh
14. fafane ( 10/03/2012 11:46)
Ary efa manomboka mikatsika an'i mirana ndray le Andrywui ato, io lay efa nolazaiko io!
15. rasomotra ( 11/03/2012 09:39)

Kely karama ny sous-off sy ny vahoaka tsy mandady harona ....tena marina zany !
Fa ny fomba atao ho ala olana amin'izany no tena sarotra tadiavina.... Ny tena mamohehatra moa dia ny fanararaotana an'izany hamitahana azy...Isika tafahoana eto amin'ny net dia tsy misalasala zahay raha milaza fa anisan'ny tsara vintana satria azo lazaina fa olom-bitsy ihany isika ( 1.000.000 sur 23 millions angamba...)...Ny maro an'isa dia mbola mitrongy vao homana ary mbola maro no tsy mataho-tody mana-sagnagna azy hatramin'izao : esorina amin'ny Frantsay ny firenena dia atsipy any amin'ny Amerkana ary avy eo dia avily any amin'ny SADC indray.... dia efa misy mitady zava-kafa indray.....Dia ny maro an'isa tena miasa sy mamokatra tapenam-bava tsy avela haneho ny safidiny akory....mba hamokarany bebe kokoa ...
Efa misy aloha ireo nijinja ny nafafiny ka sahirana ihany na dia nitondra ny vola be nandositra aza, ...Tsy azo atono mantsy le vola ary tsy azo endasina koa fa dia entina manakarama mercenaire sisa mba ahafahana miverina sy maka ny toerana hanaovana ny fanao teo aloha indray .... Mbay teo ! ..... ary raha tsy miova famindra koa ny mpandimby azy dia minoa an'ahy fa ho avy koa ny anjarany....
Inona ary no mety hatao ....? Hoy Tpkl RAZANAMASY izay tamin'ny 1991 hoe " mbola mahantra be loatra ny madinikatsika ka marefo mora solokiana".... Fa voatery tsy maintsy mitady ala olana amin'izany isika ary tsy vitan'ny kabary zany fa tadidio fotsiny ny an-dry Mendela voatery nigadrana 27 taona vao mba misy masoandro mihiratra....
Ny teny farany fotsiny dia hoe :.... avelao hiandry ny maro an'isa hitroatra ireo tsy mataho-tody ireo dia .... aoka hahatanty ny vokany rahefa avy eo !...

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7042