FFKM sy famahana Krizy politika

1. Miharena ( 18/02/2012 06:04)
Niniana napetraka teto amin'ny lohahevitra fivavahana sy finoana izy ity fa tsy natao tao anatin'ny politika.

Raha nahatsikaritra isika dia manomboka miantso ny FFKM indray ny politisiana hamahana ny krizy eto.

Toy ny mitady dadabe sy nenibe hananatra eo anoloan'ny ditran'ny ankizy tezaina ilay fijery azy. Mampametra-panontaniana izany satria izay nozaraina rehetra nomen'ny Fiangonana ve izany tsy misy voaray fa ditra no setriny? Sa ny Fiangonana mihitsy no tsy mahatafita olom-banona?

Ny zavatra tsapa fotsiny aloha rehefa misy iray manomboka miantso an'Andriamanitra dia fantatra izany fa tapi-dalan-kaleha ihany rehefa miady saina sy mierikerika etsy sy eroa mitady vahaolana.

Rehefa tonga saina toy izany dia mandaitra ilay anatra hoe : Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra dia hanampy anao ny zava-drehetra.

Saingy raha toa ka mbola antso atao amin'ny mpitondra fivavahana ilay izy fa tsy fiantsoana an'Andriamanitra dia mbola tsy hilamina mihitsy.

Sa ahoana hoy ianareo?
répondu par bor2lais le 29/02/2012 09:39
2. locl ( 19/02/2012 22:05)
Raha ny fandinihako azy manokana dia antso toy ny antso rehetra io, izaho manokana dia tsy tia manafangaro ny politika sy Andriamanitra. Raha nanapakevitra ny hiditra handamina ny rahraha ato M/car ny FFKM dia aminy maha Ray aman-dReny mpitondra ny Eglise eto Madagascar no hanaovany izany ary tsy misy maharatsy azy.

Fa kosa tsy tokony hampidirina amin'io ny resaka finoana satria io dia an'ny vatatenan'olona tsirairay, ny resaka politika dia tsy madio mihintsy n'inona n'inona filazana atao, ka aleo angambany atao hoe fampihavanana ataon'ny Ray aman-dReny fa aleo Andriamnitra ho an'ny Malagasy tsirairay ihany
3. LazaDaddy ( 20/02/2012 04:44)
Azo antsoina ho "Kristianina" tokoa ve ny FFKM amin'izao endriny izao? Mahalasa saina ihany ny valin'io fanontaniana io. Fotoana tokony hitodihantsika mpino tsirairay ao anatin'ireo fiangonana ireo amin'i Kristy izao fotoana izao. "Isika mpino no fanasin'ny tany", hoy ny Tompo.

Inona no asa lehibe indrindra nanirahin'ny Tompo antsika? Ilaina ve ny fampihavanana ny "samy dahalo" raha tsy misy fampihavanana azy amin'Andriamanitra sy fibebahany ka ho very ny fanahiny?

Ny tena fiangonan'i Kristy dia mampifanatona ny olona amin'Andriamanitra no imasoany sy omeny laharam-pahamehana. Rehefa tontosa izany dia mihavana ho azy ny "mpiray lova ao amin'ny FanjakaNy". Mahasoa ny olona ve ny mifanatona raha samy ho very ihany izy ireo ka manalavitra ny Tompo?

4. Tefigasy ( 20/02/2012 05:25)
Mba eritrereto ihany ity :
1 - raha tena nandray ny andraikiny ny kristianina tsy ankanavaka teto madagasikara dia tsy nisy izao krizy izao.
2 - Ny fototry ny olana eto madagasikara dia ny kristianina: faly mifanasa vangy sy mifanenjika fotsiny fa ilay tena fizarana ny fanjakan'andriamanitra tsy mandroso hany ka tsy mahagaga raha mbola miaina ao anaty fahotana ny 80% ny malagasy !

5. didi10 ( 20/02/2012 07:41)
Tsara ny Tompo,

Zava-poana ny fanelanelanana raha mbola misy ny fifampiandaniana. Na ny samy ao anatin'ny FFKM aza misy izany ka ataony ahoana ny ho mpanelanelana hikasa vahaolana mahomby?

isika malagasy tsirairay mihitsy no tokony samy ho tonga saina hitodika amin'Andriamanitra irery ihany ka tsy hiandany na amin'iza na amin'iza, samy tokony hahay hamela heloka ary hatoky an'Andriamanitra fa làlana nataony tsy maintsy hodiavintsika malagasy izao krizy izao mba hiverenantsika Aminy.

Jak 3, 16-17

16 Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin'izay asa ratsy rehetra. 17 Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
6. Miharena ( 21/02/2012 14:39)
Marina avokoa ny fanamarihantsika tsirairay avy. Fa mba dinihontsika tsara fa tamin'ny fotoana tena nahavaivay ny fifanenjehana teo amin'ny samy Kristianina no tena nahatonga ilay krizy ka nahatonga ireo mpitondra fivavahana nifampifona ampahibemaso.

Raha ny momba ny hoe tsy tokony hifangaro ny fivavahana sy politika satria lazaina fa maloto ny politika dia azo lazaina fa toa fomba fiheverana natsofoka hatrizay tao andohan'ny olona taty aoriana ihany ihany izy io satria raha mandinika isika ao anaty Baiboly dia nandrindra hatrany ny fiaraha-monina Andriamanitra, noho izany nanao politika izany IZY.

Ilay intégritén'ny olona mihitsy no hodiana tsy hita matoa mody atao hoe resaka politika tsy misy ifandraisany amin'ny fivavahana.

Nefa raha mandinika isika dia fahazoana toetra mahitsy no katsahina raha mivavaka. Ka manjary mampanontany tena ihany hoe ireo mpivavaka be dia be manao politika ireo ve tsy misy mahitsy fo ary mihevitra tokoa fa ratsy ny politika?
7. LazaDaddy ( 21/02/2012 22:20)
Miharena:
Ka manjary mampanontany tena ihany hoe ireo mpivavaka be dia be manao politika ireo ve tsy misy mahitsy fo ary mihevitra tokoa fa ratsy ny politika
Fantaro aloha hoe iza marina no ivavahany fa miankina amin'izay no mampahitsy fo azy na tsia.
8. tsioka ( 24/02/2012 15:46)
Raha ny hevitro manokana dia ilaina tokoa ny ffkm @ fanelanelanana ny antony dia izao ny vahoaka entin'ny fanjaka sy ny fiangonana dia iray ihany fa ny indro kely dia izao ny ffkm dia hikambanan'ny fiangonnana smihafa saingy samy manana ny fotokevitra hijoroany indrindra @ resaka soratra masina nefa ny olana koa dia izao ny anakiray manaiky sy manohana ny fanonganampanjakana ny ilany manohatra , ary misy tsy fahampiana koa eo @ io ffkam io dia ny ireo fiangonana zandriny tokony mba hampidirina ao mba hzaran'ny hevitra
Fa asa eto M/kara na ahoana ny lalana miafina ao fa raha vao ny katolika no tsy mahazo toerana ao @ fitondrampanjakana dia izy no voalohany manohitra nefa izay zavatra izay dia tsy mety @ maha mpivavaka azy , ny olana iray koa anefa dia izao ny fjkm dia mitady ny hanondrotana ny fireneny aloha ary ny Malagasy aloha ao dia olona nationaliste no ankamaroany izay tsisy maha-ratsy azy , fa ny katolika dia ny mitady ny tombotsoan'ny mpanjanaka frantsay izay firenena katolisisme
Fa raha ny hevitro manokana dia tsy ampy ny olona ao anaty ffkm araka io voalazako io ambony io mety hanahirana ihany anefa ny ahatanteraka izany satria efa aty @ vanimpotoana laodikia isika @ fivavahana kristiana izay tokony hisaina kely izy mpitondra fivavahana rehetra hatrany @ zokiny ka hatrany @ zandriny
9. Miharena ( 27/02/2012 12:37)
Arak'io resak'i Tsioka io dia mazava fa mifamahofaho tokoa ny rehetra isa-piangonana.
Fa ilay izy angamba aloha araka ny fihevitro dia misy tsy fahazoana izay atao hoe intégrité na fahafenoana ara-panahy aman-dalàna mihitsy no mahatonga ny olona tsy hanana fahitsiana eo amin'ny fitondram-panjakana. Raha ny tokony ho izy dia tokony ho tsotra ihany ny zava-misy eto amintsika saingy hasarotina ary io dia mahazo ny olona rehetra mihitsy hatrany amin'ny mpitondra fivavahana koa aza.

Toy ny kilalao ihany no ataon'ny olona mpitarika isan-tokony rehefa tazanina izy fa tsy manana mihitsy fahamatorana eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ny famosahan-kevitra hoenti-mandroso amin'ny sehatra tsaratsara kokoa hatrany.
10. bor2lais ( 27/02/2012 13:01)
miharena:

Toy ny mitady dadabe sy nenibe hananatra eo anoloan'ny ditran'ny ankizy tezaina ilay fijery azy. Mampametra-panontaniana izany satria izay nozaraina rehetra nomen'ny Fiangonana ve izany tsy misy voaray fa ditra no setriny? Sa ny Fiangonana mihitsy no tsy mahatafita olom-banona?


Raha tena mipetraka eo amin'ny toerana maha raiamandreny fakan-kevitra sy mpanitsy azy tokoa ange tsy dia misy ny olana amiko. Fa raha nozarina natao taizan-drenibe ny ankizy no sarotra ihany satria ny vokatry ny nataon'ny tena ihany no mipoitra ! Ny olana aza lasa ny zaza inray no mitaiza fa tsy tezaina.

miharena:

Ny zavatra tsapa fotsiny aloha rehefa misy iray manomboka miantso an'Andriamanitra dia fantatra izany fa tapi-dalan-kaleha ihany rehefa miady saina sy mierikerika etsy sy eroa mitady vahaolana.

Efa fiandoham-pahendrena ihany kosa ange izany e !

miharena:

Rehefa tonga saina toy izany dia mandaitra ilay anatra hoe : Fa katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra dia hanampy anao ny zava-drehetra.

Mety ho an'ny rehetra io : na ny tezaina na ny mpitaiza ! ;-)

miharena:

Saingy raha toa ka mbola antso atao amin'ny mpitondra fivavahana ilay izy fa tsy fiantsoana an'Andriamanitra dia mbola tsy hilamina mihitsy.

Izany hoe tsy ny FFKM akory no ahavaha ny "crise" fa METY ho fitaovana (iray) azoNY ampiasaina ihany ! :-)
11. maresaka.com ( 29/02/2012 02:42)
12. bor2lais ( 29/02/2012 09:39)
maresaka:

Tsy ho tanteraka ny fampihavanam-pirenena raha tsy voatsabo aloha ny fihavanana amin'Andriamanitra.

Amiko dia "fondamentale" mihitsy io ! ;-)

Tahaka ny sarety mitarika omby ihany ny fanaovana ny fampihavanam-pirenena alohan'ny fihavanana amin'Andriamanitra ! :-)

Araka ilay efa voambara teto hoe : tsy misy dikany fa mirodana ho azy ilay "mitsivalana" (lakroa) raha tsy eo ilay "mitsangana". :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1061