MIARAMILA FRANTSAY TONGA ETO MADA "Mersenera : tsy sarotiny ny be galona rehefa Frantsay …" hoy ny Gasy Tia Tanindrazana
1. rijadolly
(
10/02/2012 17:03)
09/02/2012 : Mersenera : tsy sarotiny ny be galona rehefa Frantsay …
Nisesy tato ho ato ny fahitana ireo miaramila frantsay miara-miasa amin’ny hery famoretana Malagasy. Nanomboka teny Ivato tamin’ny fitsenana ny Filoha RAVALOMANANA teny Ivato ary mbola tazan’ny mponina tany Manjakatompo Andranomanelatra tamin’ny fanafihana ny fonenan’ny fianakaviana RAVALOMANANA tany an-toerana ny 06 febroary teo. Nampiana isa izany omaly ka miaramila frantsay 48 (eo amin'ny sary) indray no napetraky ny fiaramanidina mpiady tao Nosy Be. Tsy fantatra izay anton-dian’izy ireo fa raha ny fantatra dia efa andiany faharoa izao taorian’ny 24 tonga voalohany izay nolazaina fa hanao fanazaran-tena niaraka tamin’ny tafika Malagasy saingy tsy mbola niverina tany amin’ny tany niaviny hatramin’izao.
Raha ny fantatra dia « légionnaires » Frantsay efa namita fanakorontanana tatsy Mayottes ireo andiany voalohany ireo ary anisan’izany ireo nitifitra nandratra Malagasy teo Ambohijatovo ny 17 janoary 2012. Ny teny Ivato kosa dia tena fotsy hoditra menasofina toy ireo vazaha misalotra fanamiana sy galona miaramila Malagasy.
Nankaiza ?
Mahatalanjona fa tsy misy andrenesam-peo ireo manamboninahitra miseho sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena na dia efa im-betsaka miseho vahoaka aza ireto mpanjanaka ireto. Tsaroana tsara anefa tamin’ny fotoana naharenesana ny fandalovan’ny iraka miaramila avy amin’ny SADC teto Madagasikara. Tsy nisy tsy niteny ireo mpandray vola avy amin’ny FATE ary nitabataba mihitsy fa « manana ny fiandrianam-pirenena Madagasikara ka tsy hanaiky ny hidiran’ny vahiny an-tsehatra velively ». Izany hoe rehefa Frantsay izany dia tsy maha-sarotiny an-dry zareo fa raha avy amin’ny firenen-kafa dia tsy mety aminy.
Côte d’Ivoire 2004
Tsy tokony hadinoina fa ny miaramila Frantsay mihitsy no nandripaka mpanao fihetsiketsehana tany Côte d’Ivoire tamin’ny taona 2004. Rehefa naneho hevitra am-pilaminana manoloana ny hotely nisy ireto miaramila Frantsay ireto ny Ivoariana dia nihanitombo isa ka raiki-tahotra ny mpanjanaka ary dia norarafany tifitra ny tera-tany. Ahiana ho izany ny tanjon’ny FATE amin’ny fanafarany ireto mersenera ireto. Tsy mitsaha-mitombo izy ireo hatreto ary avy any Lafrantsa hatrany fa tsy mba avy amin’ny SADC ahay izay mpandamina ny olana eto Madagasikara.
http://collectif-gtt.org/node/4042

répondu par bodel le 14/02/2012 19:27
2. saho
(
10/02/2012 18:13)
Ny tena mahagaga dia isika Malagasy mbola tsy manana hazondamosina e, toa varotan ny Frantsay fotsiny, mahazo fiarovana ara miaramila sy ara bola mazava b ity Andry Radomelina dia vokany varotra tanindrazana sy mamitaka ny vahoaka....
Aiza ho aiza re zany atao hoe Fahaleovantena, Ratsiraka moa any antanin ny Frantsay, ary raha dinihina dia tena mandohalika mihitsy isika Malagasy
Mbola Reny Malala foana ve ny Colon taloha, tena colonie indirect mihitsy Gasikara malala, moa Radomelina koa manana paps frantsay..., tokony tsy hanankery intsony iny papier frantsay iny, raha miditra Politicien Malagasy. Papier nationalité Malagasy ihany no tokony handaitra, tsy voafehin ny loi Malagasy matotra sy mahaleo tena v izany zava miseho izany
Dia asa ny fisehoany izao zava misy izao, fa raha ho tonga koa ny ankilany Miaramila SADC dia hifandramatra sarin' ady izany ny sehatra ho hita atsy ho atsy
Fanjakana tsy manana hazondamosina no hanaovan ny Mersenera sarin ' ady ny firenena atao hoe Gasikara. Anjaran ny Malagasy no mandray andraikitra akaiky indrindra fa ny manana pouvoir rehetra.
Mitomany ny taniko, Ray ô! Vonjeo ny Malagasy mpiray tanindrazana amiko fa misy tsy rariny voafitaky ny lainga....

3. Fheno
(
11/02/2012 05:26)
Aza mba colonie iany reto a,fa dia colonie hatraminy farany ,ny miaramila gasy anie ka tambazany Fat vola e,dia zay tiany fat iany no ataony , tsy mba misy manamboninahitra tonga saina mihitsy ve ô, jamban'ny vola daôlo angambako (TIA TENA RETO NY MIARAMILA GASY FA TSY TIA TANINDRAZANA )
4. rebiryx
(
11/02/2012 06:19)
Tena ketraka tanteraka aho namana mamaky ireo vaovaonareo ireo ! De ho lafo ambongadiny miaraka amin'ny fahantrantsika ity Nosy ity ? Marina ny anao Fheno an, Tia tena ny Miaramila gasy... Ny FATE sy ny forongony mihitsy no manosika azy ireo hanana io toe-tsaina mamohetra io. Ataoko fa efa azon'i Andry, Ratsirah..., sy ny TGV... ny avances tamin'ireo frantsay matoa izy sahy manalikalika antsika toy izao. Marina fa ny 99 andro dia homena an-dry zareo tokoa hanaovany io ASA RATSINY miaraka amin'ny miaramilan'ny FANJAKANA FRANTSAY io fa ny 1 andro kosa dia antenaiko ho azontsika, hahamontsana tanteraka ny herin'izy ireo. Leo frantsay aho e !
Fheno:
Aza mba colonie iany reto a,fa dia colonie hatraminy farany ,ny miaramila gasy anie ka tambazany Fat vola e,dia zay tiany fat iany no ataony , tsy mba misy manamboninahitra tonga saina mihitsy ve ô, jamban'ny vola daôlo angambako (TIA TENA RETO NY MIARAMILA GASY FA TSY TIA TANINDRAZANA )
5. bodel
(
14/02/2012 19:27)
MOBA REO MIARAMILA FRANTSAY DIA MANDINIHA SY HADIHADIO ALOHA VAO MITENY ;MANDRAY fa raha ny toetranareo mpandray antendrony sy mitady fandresendahatra @tsy marina ireo dia aleo aloha hoy aho mangina no fahendrena
rijadolly: