VAOVAO MATV 21 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 23/01/2012 02:47)
Tsy misy ny Notam napetraka tamin'ny fiaramanidina nitondra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana hoy kosa ny nambaran'ny ministry ny serasera Harry Laurent Rahajason.



Nanomboka t@ 3 ora teo, dia tsikaritra fa nanomboka nisy ireo olona teny @ seranam-pianamandina Ivato no nihazo ny renivohitra rehefa nahare fa nitodi-doha hoan'ny Afrika Atsimo indray ny fiara-manidina nitondra ny filoha teo aloha.



Nisy ny savorovoro izay nitranga teny amin'ny seranam-piaramanidin'Ivato tany amin'ny manodidina ny 5 ora folakandro. Nisy ny fiara izay simba ary nisy ihany koa ny fidirana an-keriny tao amin'ny biraon'ny kaompaniam-pianterana iray teny Ivato.



GAL Ravalomanana



Nahitana mpitandro filaminana nanao fisavana ny teny amin'ny tanànan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Imerikasinina. Nizotra toy ny isan'andro kosa ny fiainan'ny mponina teny an-toerana.



Vao maraina dia efa tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny mpitandro filaminana. Ary nisy ny fandaminana manokana napetraka tamin'ny fidirana tao amin'ny seranam-piaramanidina.



Nisy fandaminana manokana izay napetraka teny amin'ny manodidina ny tobin'ny BANI. Androany dia napetraka ho faritra mena ny teny an-toerana ary nampitomboana ny isan'ireo olona niaro izany.



Ny teto Andrenivohitra, sy ny Ambiance teny Ivato.



Niroso tamin'ny lanonana fifampiarabana noho ny asaramanitra ny antoko Tanora Malagays Vonona omaly alina izay notanterahana teny amin'ny Athana Royal Event Mandrosoa Ivato. Fantatra tamin'izany fa efa manomana ny fiatrehana ny fifidiana samihafa hitranga eto amin'ny firenena ity antoko ity.










© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6974