Point lehibe ho an-dRavalomanana iny

1. hery ( 21/01/2012 16:56)
Mila mandinika kely fotsiny dia mahita hoe very indray ny points azon'ny HAT teo fa nahazo point indray Ravalomanana eo anivon'ny vondrona iraisam-pirenena.

Mety efa fantatr'i Ravalomanana fa tsy maintsy hisy NOTAM fa nisisika ihany izy mba ho hitan'ny rehetra ilay izy. Iny tokoa fa roboka tamin'ny fandrika ny HAT dia namoaka NOTAM na dia efa tsy nanaiky aza i Beriziky.

Dia hitohy indray izany izao ny tetezamita, very indray ilay fankatoavana kely efa azo teo.
répondu par trondrogasy le 21/01/2012 21:07
2. rijadolly ( 21/01/2012 17:19)

hery:

Mila mandinika kely fotsiny dia mahita hoe very indray ny points azon'ny HAT teo fa nahazo point indray Ravalomanana eo anivon'ny vondrona iraisam-pirenena.

Mety efa fantatr'i Ravalomanana fa tsy maintsy hisy NOTAM fa nisisika ihany izy mba ho hitan'ny rehetra ilay izy. Iny tokoa fa roboka tamin'ny fandrika ny HAT dia namoaka NOTAM na dia efa tsy nanaiky aza i Beriziky.

Dia hitohy indray izany izao ny tetezamita, very indray ilay fankatoavana kely efa azo teo.


Izay mihitsy ilay nambarako ao ambany ao, sady misy torohevitra izay mahazatra ahy hatramin'izay ao raha mbola manana amaha ny Krizy ny Mpomba an'Andry.

Rijadolly ao Serge Zafimahova CNOSC mamintina ny toe-draharaha :


Raha ny tokony ho izy raha tena faniriana marina ny hivoahana ny Krizy dia tokony ho foanana tanteraka hatramin'ilay didy fampisamborana aza. Aza mitsifotra aloha ny mpomba an'Andry fa azavaiko ny antony nahatonga ahy hilaza an'izay.

Raha nanaraka tsara ireny Invité du zoma an' Onitiana ireny isika, indrindra rehefa misy invité roa na telo dia matetika mipoitra foana ilay fiverenan' Marc Ravalomanana dia ny fodiany izany. Tsy hiditra ilay hoe Marc Ravalomanana na tsy izy no tompon'andraikitra ny 7 février aho an! izany hoe tsy hamaly izay milaza fa tsy izy aho, na hoe fa iza indray? Fa ny tiako ambara dia ny tsy fetezan'ny fisian'ny fitoniana ara-politika eto mihitsy raha tsy miverina Ravalomanana. Hiarahana mitsara, eny fa na dia ny Minisitry ny serasera aza teo dia vaky vava fa betsaka tokoa ny olona teny, izay tsy hidirako ihany koa ny filazana fa nozaraina vola na tsy ireny olona betsaka ireny.
Raha ny marina sy ny fanadiadiko manokana dia fahatahoran' ireo milaza fa manantanteraka ny didy fisamborana no antony iray nampisy ilay NOTAM tampoka teny am-panidinana. Inona ny antony? Mnana heritreritra ny mpomba an'Andry ao amin' fitondrana fa ho ratsy ny fihetsik'ireo vahoaka ireo eo anoloan'ilay fisamborana, akaotra izay tsy fifanarahana any ambadika any koa mety manery mafy.
Inona ny vokatr'izay rehetra izay? Nanao fahotana mahafaty indray, tsy inona fa ny fandikana izay natao sonia. Nidina indray ny cote eo imason'izao tontolo izao.
Ny tsara indrinda izany izao dia ny fanantanterahana ny TZotra, dia ny and: faha 20, ny fiverenan-dRAVALOMANANA an-Tanindrazana tena tsy misy fepetra marina na dia ny fisamborana azy aza.
Mety tezitra ny mpiondana amin'izany teniko izany, nefa kosa izay ny lalana hipetrahana tsara eo ambony seza maha filohan' tetezamita sisa. Tena sisa io, satria manaiky izay ny Filoha teo aloha rehetra.

Inona ary izany ny fomba ara-diplomasia hampiasana hanakonana izany fanatanterahana izany hevitro izany?

ANDAO HIFANDRAY TANANA DIA HIFAMELA TSY MISY FITAKA KA HIARAKA HITADY VAHAOLANA AMIN'NY KRIZY. ( ao @ io teny io ihany anefa ilay vahaolana hamaha ny krizy)


http://forum.serasera.org/forum/message/m4f1ae09d1f5f3
Serge Zafimahova CNOSC mamintina ny toe-draharaha
3. milamm ( 21/01/2012 18:03)
mihamitombo ny fitakiany rehetra ny fiverenany ary ny hatezerany marobe @ hat taorinany Ambohijatovo, raha averina amimpilaminana toy ireny ary ampitoviana ny 91 ny firotsahana andalambe de vao maika anafaingana ny fodiany filoha Ravalomanana izany
4. trondrogasy ( 21/01/2012 21:07)
victoire be hoan'i ra8 iny androany iny raha resaka politika ,ory ra wiwi e ,mampme be le menace gal fidin'ialahy,ny olona rehetra capable saingy mpanamoly ohatran'itreny raha tonga teo ra8 tsy hita trace,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3821