Serge Zafimahova CNOSC mamintina ny toe-draharaha

1. hery ( 21/01/2012 15:58)
Araka ny famintinan'i Serge Zafimahova izay ao amin'ny CNOSC, napetraka mba hanara-maso ny fanatanterahana ny Tondrozotra dia izy no nasaina nijery akaiky ny toe-draharaha teny Ivato, ka toa izao no namintinany azy:

Natao izay hisakanana ny fiaramanidina ho tonga, nefa tsy nety namoaka NOTAM ny tao amin'ny Governemanta (Minisitry ny fitaterana). Rehefa izany dia ny Filohan'ny Tetezamita avy hatrany no namoaka ny didy telex ho an'ny tomponandraikitry ny seranam-piaramanidina.

Araka izany dia nisy dia nisy tokoa ny tsy fanarahana ny tondrozotra nataon'ny Fitondrana Tetezamita
répondu par trondrogasy le 21/01/2012 22:50
2. rijadolly ( 21/01/2012 16:52)
Raha ny tokony ho izy raha tena faniriana marina ny hivoahana ny Krizy dia tokony ho foanana tanteraka hatramin'ilay didy fampisamborana aza. Aza mitsifotra aloha ny mpomba an'Andry fa azavaiko ny antony nahatonga ahy hilaza an'izay.

Raha nanaraka tsara ireny Invité du zoma an' Onitiana ireny isika, indrindra rehefa misy invité roa na telo dia matetika mipoitra foana ilay fiverenan' Marc Ravalomanana dia ny fodiany izany. Tsy hiditra ilay hoe Marc Ravalomanana na tsy izy no tompon'andraikitra ny 7 février aho an! izany hoe tsy hamaly izay milaza fa tsy izy aho, na hoe fa iza indray? Fa ny tiako ambara dia ny tsy fetezan'ny fisian'ny fitoniana ara-politika eto mihitsy raha tsy miverina Ravalomanana. Hiarahana mitsara, eny fa na dia ny Minisitry ny serasera aza teo dia vaky vava fa betsaka tokoa ny olona teny, izay tsy hidirako ihany koa ny filazana fa nozaraina vola na tsy ireny olona betsaka ireny.
Raha ny marina sy ny fanadiadiko manokana dia fahatahoran' ireo milaza fa manantanteraka ny didy fisamborana no antony iray nampisy ilay NOTAM tampoka teny am-panidinana. Inona ny antony? Mnana heritreritra ny mpomba an'Andry ao amin' fitondrana fa ho ratsy ny fihetsik'ireo vahoaka ireo eo anoloan'ilay fisamborana, akaotra izay tsy fifanarahana any ambadika any koa mety manery mafy.
Inona ny vokatr'izay rehetra izay? Nanao fahotana mahafaty indray, tsy inona fa ny fandikana izay natao sonia. Nidina indray ny côte eo imason'izao tontolo izao.
Ny tsara indrinda izany izao dia ny fanantanterahana ny TZotra, dia ny and: faha 20, ny fiverenan-dRAVALOMANANA an-Tanindrazana tena tsy misy fepetra marina na dia ny fisamborana azy aza.
Mety tezitra ny mpiondana amin'izany teniko izany, nefa kosa izay ny lalana hipetrahana tsara eo ambony seza maha filohan' tetezamita sisa. Tena sisa io, satria manaiky izay ny Filoha teo aloha rehetra.

Inona ary izany ny fomba ara-diplomasia hampiasana hanakonana izany fanatanterahana izany hevitro izany?

ANDAO HIFANDRAY TANANA DIA HIFAMELA TSY MISY FITAKA KA HIARAKA HITADY VAHAOLANA AMIN'NY KRIZY. ( ao @ io teny io ihany anefa ilay vahaolana hamaha ny krizy)
3. trondrogasy ( 21/01/2012 22:50)
le mpanamoly gal fidy aloha tena tsy milay e ,ireny no tsara atao aza lambo voalohany raha te hilamina firenena
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.403