VAOVAO MA-TV 12 JANVIER 2012
1. rijadolly
(
13/01/2012 16:55)
Notanterahana androany ny lanonana fifampiarabana tratry ny taona niaraka tamin'ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika
répondu par rijadolly le 13/01/2012 17:58
2. rijadolly
(
13/01/2012 16:58)
Tamin'ny fandraisam-pitenenana nataony kosa dia nilaza ny zokiolona amin'ny masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika atoa Abdelaziz Benali Cherif, fa nisy ny ezaka vitan'ny mpanao politika malagasy kanefa tsy ampy izany.
3. rijadolly
(
13/01/2012 17:03)
Nitondra fanazavana mahakasika ny fiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazaka ny praiminisitra Omer Beriziky androany nandritra ny resadresaka izay nataony tamin'ny mpanao gazety teny Iavoloha.
4. rijadolly
(
13/01/2012 17:06)
Nitondra ny heviny momba ny fiverenan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana atoa Voninahitsy Jean Eugène, mpikambana ao amin'ny CT sady filohan'ny vondrona politika les AS.
5. rijadolly
(
13/01/2012 17:07)
Vonona hanohana an'i Madagasikara amin'ny fifidianana sy ny tetik'asa samihafa ny vondrona eropeanina saingy miankina amin'ny fanatanterahana ny sori-dalana izany araka ny nambaran'ny solotena ny vondrona eropeanina miasa sy monina eto amintsika andriamatoa Leonidas Tezapsidis.
6. rijadolly
(
13/01/2012 17:12)
Nilaza ny praiminisitra lefitra misahana ny toe-karena sy ny indostria, Botozaza Pierrot fa efa miasa ny comité Ad hoc manara-maso ny fanatanterahana ny sori-dalana eo anivon'ny governeman
7. rijadolly
(
13/01/2012 17:30)
Fanaovana tsinontsinona ny mpiasa mapnjakana ny kabary izay nataon'ny filoha avo ny tetezamita omaly raha ny nambaran'ireo mpiasam-panajakana satria ny vahoaka amin'izao fotoana izao tena efa latsaka ao anaty fahasahiranana manampy izany ny fiakaran'ny vidin'ny fiainana amin'izao fotoana izao.
8. rijadolly
(
13/01/2012 17:31)
Tao anatrehan'ny tsy fananan'asa vokatry ny krizy, dia niroborobo tokoa ny ny fandrarahana ara-bola madinika raha ny fanazavana voaray avy eny anivon'ny CNMF na ny Coordination Nationale de la Microfinance.
9. rijadolly
(
13/01/2012 17:57)
Isan-taona dia misy ny famoriana ireo tompon'andraikitra amin'ny sehatry ny ivon-ketra mba hampitoviana ny fomba fanavaozana nentin'ny tetibolampanjakana taona 2012 ka androany no nanatanterahana izany.
10. rijadolly
(
13/01/2012 17:58)
Mbola nitohy ny fitokonana izay nataon'ireo mpianatra eny Ankatso tamin'ny androany maraina, midika izany fa tsy mbola voavaha aloha atreto ny olana mahakasika ny zava-misy mahazo ny eny amin'ny anjerimanontolo.