VAOVAO MA-TV 04 JANVIER 2012

1. rijadolly ( 05/01/2012 01:38)
Tsy mbola vokatry ny rivo-doza akory io orana avy isan'andro eto amintsika io, raha ny fanazavan'ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro.


Teny filamatry ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ny hoe izay tsara fiomanana tsy tapohan-doza. Efa tsy ao amin'ny sehatry ny fiomanana intsony isika, amin'izao fotoana izao, raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra.


Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fahavaratra isika izao. Vanim-potoana mampirongatra ny aretina ihany koa. Araka ny fanazavan'ny dokotera dia ny aretin-tenda sy ny aretim-pivalanana no tena mamely, amin'izao fotoana izao.


répondu par rijadolly le 05/01/2012 01:53
2. rijadolly ( 05/01/2012 01:39)
Taorian'ny filazana fa mety hiverina hiasa ireo mpitsara mikambana ao amin'ny sendikan'ny mpitsara dia namoaka fanambarana izy ireo ary nilaza fa ny fivoriambe ihany no ahafahana maka fanapahan-kevitra.


3. rijadolly ( 05/01/2012 01:46)
Nisy ihany ny marimaritra iraisana teo amin'ilay sinoa mitana tranom-barotra etsy Analakely sy ireo mpivarotra mpanofa tranoheva. Hisokatra ihany araka izany ny toeram-pivarotana.


4. rijadolly ( 05/01/2012 01:47)
Mitaky ny hanatanterahana araka ny lalàna ny fanoloana ny mpitantana ao amin'ny IGE na Inspection Générale de l'Etat ny mpiasa, raha toa ka hisy marina izany.


5. rijadolly ( 05/01/2012 01:48)
Hatramin'izao dia tsy mbola nahazo ny fanampiana avy amin'ny fanjakana ireo mpampianatra Fram. Izany no takian'izy ireo amin'izao fiandohan'ny taona izao.


6. rijadolly ( 05/01/2012 01:51)
Niarahaba ireo namany mpiasam-panjakana noho ny taom-baovao ny sendikan'ny mpiasa, dia ny F3M. Fotoana ihany koa nanairany ny fitondram-panjakana amin'ny tokony hitsinjovana ny farim-piainan'ny mpiasam-panjakana izany.


7. rijadolly ( 05/01/2012 01:52)
Nankalaza ny andron'ny 3 janoary, andron'ny masimbavy Geneviève izay mpiaro ny zandarimaria, ny zandary malagasy sy frantsay omaly. Fotoana izay nanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta.
8. rijadolly ( 05/01/2012 01:53)
Nanomboka androany ny fampirantiana sary hosodoko izay notanterahan'i Raparivo Ramaherinarivo Roland sy ny zanany. Mpanao hosodoko malagasy nanana ny lazany.


Hivoaka rahampitso alakamisy ny laharana faha-214 amin'ny gazety SOA. Satria alakamisy voalohany amin'ity taona ity io, dia faly manolotra ny fiarahabana antsika rehetra tratry ny taom-baovao 2012 ny gazety SOA.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4653