VAOVAO MA-TV 02 JANVIER 2012
1. rijadolly
(
03/01/2012 14:38)
Mbola hanorana hatrany eto amin'ny faritry ny renivohitra sy ny manodidina mandritra ity herinandro ity, raha ny fanazavana nomen'ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, eny Ampasampito.
répondu par rijadolly le 03/01/2012 14:55
2. rijadolly
(
03/01/2012 14:38)
Niasa dia niasa tokoa ny sampana mpamonjy voina nandritra ny faran'ny taona sy ny taom-baovao. Nifanesy ny fivoahana ary nahatratra am-polony ny fanavotana ain'olona notanterahana.
3. rijadolly
(
03/01/2012 14:39)
Nihena ny isan'ireo nandalo teny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha, ny faran'ny taona sy ny voalohan'ny volana janoary lasa teo. 342 no voatery naiditra hopitaly noho ny antony samihafa.
4. rijadolly
(
03/01/2012 14:41)
Amin'ny ankapobeny dia nilamina ny fetin'ny faran'ny taona teto Antananarivo renivohitra, raha ny nambaran'ny avy ao amin'ny polisim-pirenena. Niezaka ny tsy hanasazy ny tompon'andraikitra, raha tsy efa fandikan-dàlàna nihoa-pefy.
5. rijadolly
(
03/01/2012 14:42)
Nanatanteraka ampahan'asa ny mpiasan'ny fitsarana, indrindra ny ao amin'ny fampanoavana, io maraina io. Mbola nisy fiantraikany hatrany tamin'ny asa anefa ny fitokonan'ny sendikan'ny mpitsara sy ny fialan-tsasatry ny fitsarana.
6. rijadolly
(
03/01/2012 14:44)
Na dia teo aza ny fihatoana kely vetivety teo amin'ny sehatry ny politika, dia nilaza Lalatiana Ravololomanana fa mila miroso amin'ny fampatsiahivana hentitra ny antoko mpanohitra, indrindra mikasika ireo gadra politika.
7. rijadolly
(
03/01/2012 14:49)
Tsy tanteraka ny fanarahana ny tondro zotra nasiana fanitsiana ary tsy mitsahatra maneho hevitra momba izay ireo antoko mpanohitra.
8. rijadolly
(
03/01/2012 14:50)
Fahasoavana goavana ho an'ny fiankaviana iray ny fahazoana zazakely mandritra ny alin'ny faran'ny taona. Raha ny tamin'ity taona ity dia maro tokoa ireo zaza teraka ny 1 janoary.
9. rijadolly
(
03/01/2012 14:50)
Amin'ny maha teraky ny faritra Vatovavy Fitovinany ny minisitry ny Fifandraisana amin'ny andrim-panjakana Victor Manantsoa sy ny minisitry ny Famantarana ny toetrandro sy ny asa vaventy, ny Col Tsara Botomanova, dia nitsidika tany Manakara sy Vohipeno izy ireo.
10. rijadolly
(
03/01/2012 14:51)
Amin'ny maha Asaramanitra ny andro dia maro ireo fianakaviana no nifamory. Nafotaka ihany koa ny fiarahabana ireo raiamandreny. Tokatrano iray tetsy Ankorondrano ary no notsidihana.
11. rijadolly
(
03/01/2012 14:52)
Amin'ny ankapobeny dia samy maniry ny hisian'ny fahombiazana ary fandrosoana ho an'ny firenena ny rehetra amin'ity taona vaovao 2012 ity.
12. rijadolly
(
03/01/2012 14:55)
Tao anaty hafaliana no nanaovan'ireo mpilanona veloma ny taona 2011, ary niarahabana ny taona 2012. Nisy tokoa ireo izay nanapa-kevitra nifaly tany amin'ireny toeram-pilanonana ireny. Anisan'izany ny tany amin'ny Prima Novia Soavinimerina sy ny tetsy amin'ny Espace Dera etsy Tsiadana.
Raha oharina tamin'ny taon-dasa ihany dia nangingina ny fanaovam-beloma ny taona 2011 raha ny teny Analakely manokana. Antony maro no nahatonga izany raha ny fanazavan'ireo olona sendra anay teny an-toerana.
Vory lanona ny mpino tetsy amin'ny fiangonana katedraly Fjkm Analakely omaly, nandritra ny fanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny jobily fisotroan-dronon'ny mpitandrina Ravalomanana mivady.
Raha oharina tamin'ny taon-dasa ihany dia nangingina ny fanaovam-beloma ny taona 2011 raha ny teny Analakely manokana. Antony maro no nahatonga izany raha ny fanazavan'ireo olona sendra anay teny an-toerana.
Vory lanona ny mpino tetsy amin'ny fiangonana katedraly Fjkm Analakely omaly, nandritra ny fanombohana tamin'ny fomba ofisialy ny jobily fisotroan-dronon'ny mpitandrina Ravalomanana mivady.