VAOVAO MATV 21 DEC 2011,
1. rijadolly
(
22/12/2011 03:09)
Araka ny fanambarana ny sedikan'ny mpiasa tsy hiasa ny mpiasa mpanjaka ambony omaly dia hampikatso ny rahraham-panjakana mandritry ny 24ora ny 22dec
répondu par rijadolly le 22/12/2011 03:44
2. rijadolly
(
22/12/2011 03:26)
Manoloana ireo tranga miseho eto amin'ny firenena ary ao anatin'izany ny fifanolanana eo amin'ny mpitsara sy ny polisy, dia nambaran'ny profesora Alain Tehindrazanarivelo fa simba ny fiaraha-monina malagasy.
Mandao tsikelikely an'i Madagasikara ny delegasioninan'ny troikan'ny SADC izay nahitana mpikambana 27.

3. rijadolly
(
22/12/2011 03:38)
Taorian'ny fihaonan'ny filan-kevitra miaramila misahana ny fiarovam-pirenena sy ny vondron'ny firenena mampiasa ny teny frantsay dia nanome ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny Jeneraly Ranto Rabarisoa.
Nihaona tamin'ireo lehiben'ny andrim-panjakana roa androany ny delegasion'ny vondron-tany mampiasa ny teny frantsay na ny OIF.
Mbola mitana ny sain'ny maro hatrany ny raharaha nahafaty ny minisitry ny Mponina teo aloha, Nadine Ramaroson.
Namoaka fanambarana mikasika ny fivarotana andramena Malagasy ny masoivoho amerikana miasa sy monina eto amintsika.

4. rijadolly
(
22/12/2011 03:41)
Feno 75 taona ankehitriny ny lycée J.J Rabearivelo etsy Analakely. Androany maraina no notanterahana ny lanonana fankalazana izany, teo ambany fitarihan'ny ministry ny Fanabeazam-pirenena, Manoro Régis.
Taorian'ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin'ny fikambanan'ny mpampianatra teny rosianina malagasy sy ny fianarana ambony tsy miankina any Kazan, ao Rosia dia hisy manomboka ny volana janoary 2012 ny fampianarana am-pitain-davitra omena ireo mpianatra sy mpampianatra teny rosianina.
Rahampitso 22 desambra no hifarana tanteraka ny telo volana voalohany amin'ny taom-pianarana 2011-2012 ny sekoly miankina amin'ny fanjakana. Betsaka anefa ireo namarana ny fampianarana androany, tamin' ireo sekoly miankina amin'ny fanjakana.
Omaly 20 desambra no daty nanambaran'ny firenena mikambana fa manan-jo ny olona manana fahasembanana. Ho fanamarihana izany sy amin'izao ankatoky ny fetin'ny Noely izao dia nanolotra fanomezana ho an'ireo olona manana fahasembanana ara-tsaina tetsy amin'ny Orchidées Blanches ny CNaPS omaly.

5. rijadolly
(
22/12/2011 03:44)
Noho izao vanim-potoanan'ny asaramanitra izao, dia betsaka ny asa soa notanterahan'ny antoko Maitso Hasin'i Madagasikara, izay natrehan-dramatoa Saraha Georget Rabeharisoa.
Amin'izao ankatoky ny fankalazana ny Noely izao, dia nanao hetsika ho an'ny fianakaviana sahirana ny Lions Club Antananarivo Analamanga.
Mpandresy 12 tamin'ilay lalao Foot ball Mania izay nokarakarain'ny Airtel no notolorana loka io tolakandro io tetsy amin'ny foiben'ny Airtel Ankorondrano.
Hivoaka ho anao rahampitso ny gazety Soa laharana 212 izay miompana indrindra amin'ny fanomanana ny fety krismasy ka lahatsoratra maro samihafa mifandraika amin'izany no atolotra anao.