VAOVAO MATV 20 DEC 2011,

1. rijadolly ( 21/12/2011 02:13)
Manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao, dia hampikatso ny raharaham-panjakana manerana ny Nosy, ny mpiasam-panjakana ambony, ny 24 ora ny alakamisy ho avy izao.


Mbola nikatona avokoa ny lapan'ny fitsarana androany. Manamafy hatrany ny fitakiany amin'ny tokony hanesorana amin'ny toerany ny minisitry ny Filaminana anatiny sy ny fisamborana izay tompon'antoka tamin'ny famonoana mpitsara tany Toliara ny SMM.


répondu par rijadolly le 21/12/2011 02:38
2. rijadolly ( 21/12/2011 02:31)
Tonga nitsidika ny filohan'ny kongresin'ny tetezamita, Atoa Mamy Rakotoarivelo, ny masoivoho frantsay, Atoa Jean-Marc Châtaigner.


Anisan'ny noraisin'ny delegasion'ny troikan'ny SADC ny avy ao amin'ny ankolafy Zafy Albert, androany.


Nosoritan'i Hugues Rajohnson, mpahay toe-karena fa misy fiatraikany amin'ny toe-karena ny fisian'izay fikatsoana eo amin'ny fitsarana izay.


Manoloan'ny toe-draharaha eny amin'ny anjerimanontolo amin'izao fotoana izao dia manana ny ambarany ireo mpianatra avy eny amin'ny polytechnique Vontovorona.


Nampahafantarina omaly, tamin'ny fomba ofisialy, tetsy amin'ny BNGRC Antanimora, ny drafitra ahafahana mandrindra ny asa rehefa vanim-potoanan'ny rivo-dozan ho an'ny 2011-2012.


Mbola maro ireo asa-tanana tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy, eto Madagasikara. Isika dia manana akora ampy ary ahafahan'ireo mpahay asa-tanana mamokatra sy mivelona amin'izany.


Nankalaza ny fetin'ny Noely androany ireo sembana beazina ao amin'ny «Les Orchidées Blanches» Androhibe ary dia nisy ihany koa ny famoahana andiana mpianatra avy ao amin'ny section d'orientation socio-professionnelle


Ao anatin'ny fankalazana ny Noely, dia nizara hafaliana tamin'ireo mpiasa sy ny vady aman-janany ny Banky Foiben'ny Madagasikara, tamin'ny alalan'ny FIMBAFREM.


Roso tamin'ny fifaninanana fanolorana tetik'asa ny sekoly ambony Escame etsy Ambaranjana,io maraina io. Tonga nanatrika izany ireo mpamatsy vola, izay mpitsara ny fifaninanana ihany koa.


3. rijadolly ( 21/12/2011 02:38)
Fahombiazana tanteraka, izay no azo hamintinana izay 5 andro nisian'ny "La grande braderie de Madagascar" izay, araka ny nambaran'ny Madavision, mpikarakara ny hetsika.


Nanomboka omaly ary nifarana androany ny «Salon de la culture maraîchère» etsy Nanisana. Ny fambolena anana sy legioma eto an-toerana no tena nisongadina tamin'ny hetsika.


Ho famaranana ny fankalazana ny faha-20 taona nitsanganany dia nikarakaraka alahady manokana ny antokom-pihira Fanilon'ny Maritiora


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2713