VAOVAO MATV 19 DEC 2011,
1. rijadolly
(
20/12/2011 03:05)
Androany dia nentin'ny zandary sy ny polisy tetsy anoloan'ny lapan'ny fitsarana Anosy ireo olona tokony hiakatra fampanoavana. Mbola nikatona anefa ny varavaran'ny fitsarana.
répondu par rijadolly le 21/12/2011 06:16
2. rijadolly
(
20/12/2011 03:07)
Manoloana ny zava-nisy teny amin'ny fitsarana androany dia manana ny ambarany ny fianakavian'ny olona notazonin'ny mpitandro filaminana. Toy izany koa ny olo-tsotra.
3. rijadolly
(
20/12/2011 03:33)
Mbola mitohy ny fampikatsoana ny fitsarana izay tanterahan'ny mpitsara. Fiarovana azy ireo eo am-panatanterahana ny asany no anisany takian'izy ireo.
4. rijadolly
(
20/12/2011 03:36)
Androany maraina no nivory teny amin'ny Colbert Antaninarenina ny vondrona iraisam-pirenena misahana ny raharaha Madagasikara. Ny Sadc, ny vondron'ny firenena mampiasa sy miteny ny frantsay ary koa ireo masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara no tonga nanatrika izany.
Manoloana ny raharaham-pirenena dia manana ny ambarany ny ankolafy Ratsiraka. Ho azy dia ny fanatanterahana ny fihaonana an-tampony eo amin'ny mpitarika politika ihany no hahafahana mamaha ny olana eto amin'ny firenena.
Misy ny tsy fahombiazan'ny rafitra mipetraka eto amin'ny firenena, hoy dokotera Harrison Razafindrakoto avy ao amin'ny ankolafy Albert Zafy, raha naneho ny heviny mikasika ny raharam-pirenena izy.
Nihaona tamin'ny delegasion'ny OIF androany maraina ny filohan'ny kaongresin'ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Ny toe-draharaham-pirenena amin'ny ankapobeny no nifantohan'ny dinika.

5. rijadolly
(
20/12/2011 03:44)
Nalefa maika ho tsaboina atsy amin'ny Nosy La Réunion ny Lietna kolonely Charles Andrianasoavina, taorian'ny fandidiana azy tetsy amin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona. Nisy ny fandidiana azy fanindroany.
Nanambara ny Jeneraly Ravalomanana Richard fa ao anatin'ny fankalazana ny fetin'ny noely sy ny faran'ny taona dia handray fepetra ny mpitandro ny filaminana ho fitsinjovana ny filaminam-bahoaka.
Nanomboka androany ny fitokonana izay notanterahan'ny mpampianatra mpikaroka SECES araka ny tapaka nandritra ny fifampidinihana nasionaly izay natao herinandro vitsy lasa izay.
Taorian'ny nahafantaran'ireo tombin-dasantsy eto andrenivohitra sasantsasany fa misy taratasin-tsolika sandoka dia nanapa-kevitra izy ireo fa tsy mandray izany intsony.
Tsy azo andoavana taratasin-tsolika sandoka ny volam-panjakana, raha ny fanazavan'ny Tale jeneralin'ny Tahirim-bolam-panjakana mikasika ireo mpaninjara solika tsy mandray ireny.

7. rijadolly
(
20/12/2011 03:51)
Miha-vitsy isan'ireo teknisian'ny ala miasa eto Madagasikara. Ny fikatonan'ny sekoly fampiofanana nandritra ny 30 taona no isan'ny nahatonga izany.
8. rijadolly
(
20/12/2011 03:54)
Tsy tanteraka ny famindram-pahefana teo amin'ny talen'ny sekoly ambony INFP teo aloha Ramarolahy Albert sy ny tale vaovao. Etsy Mahamasina no misy io sekoly io.
Ho fanakaikezana ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy dia nisy ny fanamboarana trano vaovao ho an'ny CNaPS any Ihosy.
Notokanana androany tao amin'ny ministeran' ny Fanabeazanam-pirenena ao Anosy ny Biraon'ny Tahirim-bolam-panjakana misahana ny fampianarana mba hanakaikezana hatrany ireo mpiasa ao amin'ny ministera telo miandraikitra ny fampianarana.
Nizara hafaliana sy fialam-boly ny THB omaly, tetsy Anosy, nandritra ny fahatongan'ireo mpifaninana tamin'ny hazakazaka am-bisikileta andiany faha-8.

9. nilex
(
20/12/2011 13:16)
dinidinika sy fifanakalozan'kevitra nge no atao eto fa tsy hijery ny vaovaonareo e,tsy sehatra filazana vaovao eto fa aza fenoina ireny fotsiny ny page fa mandreraka be.Raha ny fijeriko azy ny olona miditra amin'itony sehatra itony dia olona liambaovao avokoa ka tsy maintsy efa fantany ireny fa aza mandany andro mandefa vaovao eto indray.Aleo ny ady hevitra no atao mafotaka dia milamina.
10. rijadolly
(
21/12/2011 06:16)
Hoy i nilex:
dinidinika sy fifanakalozan'kevitra nge no atao eto fa tsy hijery ny vaovaonareo e,tsy sehatra filazana vaovao eto fa aza fenoina ireny fotsiny ny page fa mandreraka be.Raha ny fijeriko azy ny olona miditra amin'itony sehatra itony dia olona liambaovao avokoa ka tsy maintsy efa fantany ireny fa aza mandany andro mandefa vaovao eto indray.Aleo ny ady hevitra no atao mafotaka dia milamina.
Misaotra an'se aloaha voalohany indrindra nampantsiahy fa dinika fifnkalozan-kevitra ny eto. Ny zavatra tsy azon'se an-tsaina anefa dia io vaovoa io mihitsy no anisan'iray amoahana hevitra sy ady hevitrta, izay tena loha hevitra tsy foronina tahaka ny an'sasany mba hanaratsiana ny tsy ondanany. Mahatsapa tokoa aho amin'izao fa miha vitsy ireo mpanakihana tsy manana antoka fa marina izay lazainy no mihembotra satria efa mivoaka sy mandeha eto daholo ny marina.
Raha eo amin'ilay hoe tsy hijery vaovao indray dia mazava be kosa ilay lohateny alefa mialoha e! VAOVAO, na JOURNAL. tsy voatery hijery izay tsy te-hijery, ka hoe tsy mahazo misokatra ny hevitra hafa raha tsy manokatra an'ilay vaovao.