JOURNAL 17 DEC 2011, VAOVAO 17 DEC 2011
1. rijadolly
(
17/12/2011 18:39)
JOURNAL 17 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-17-decembre-2011-5830379
répondu par rijadolly le 18/12/2011 05:20
2. rijadolly
(
17/12/2011 22:20)
VAOVAO 17 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-17-desambra-2011-5830507
3. rijadolly
(
17/12/2011 23:09)
Torohevitra mikasika ny ny fambolen-kazo, Mahatsikaritra ny tena fa tsy mety eto Madagasikara ny fambolen-kazo amin'ny zana-tsapin. Raha mandinika isika dia manimba tany izay manodidina azy ny sapin.
porofo
- Iray ny tsy fisian'ny zavamaniry madinika manodidina azy satria tsy mahazo aina tahaka ny manodidina ny kininina izy ireny, izay anisany manome aina ny tany sy ny fananany lanja manokana eto amintsika sy ny andraikiny eo amin'ny fitsabona traditionnelle.
- Faharoa, ny tsy fisian'ny biby kely ao anaty tany ihany koa izay manodidina azy io ka afaka hanome tsiro.
Fanahiana
Manahy ihany koa ny tena fa mety anisany antony manova ny teotr'andro sy ny fahataran'ny orana na koa tsy fisian'ny orana betsaka intsony eto amintsika ny fisian'io hazo io betsaka loatra .(hazo nafarana fa tsy nisy teto raha ny fahalalako azy)
Masiaka loatra angamba ny felan'izy ireny izay mihitsana na ny fakany mihitsy ka mahatonga izay tsy fisian'ny zavamaniry sy bibikely manodidina azy izay.
Ny fananany io toetra somary masiaka(mety zv hafa,mety ilay menaka manitra misy ao aminy) io koa no mety mahatonga ny orana ho miantona satria raha ny kininina no resahina dia anisany mitana andraikitra lehibe mampisy ny orana ny felany.(tsy azo lavina anefa ny faharipahan'ny ala)
Aiza ny grand corps handinika io vinavinan-kevitra na volavolan-kevitra io ho an'ny taranaka ho avy, sao dia marina ihany ny ahiahy ny petit corps :-)

4. sitlo
(
17/12/2011 23:39)
Raha ny traikefako aloha dia izao:
Ny sapin (pin no tena izy), na kesika no iantsoantsika azy dia misy lafy tsarany ihany.
Voalohany dia mora volena izy. Ny zana-kesika 3 taona izany dia efa goavana mihitsy raha miohatra amin'ny kininina. Ny olona mijery milaza hoe, aleo zana-boakazo na ilay hazo fahiny ireny no volena raha hamboly ihany. Fa ny hitako dia tsy mahavoa ny kesika ireny.
Faharoa, malomaloka tokoa ny toerana afaka taona vitsivitsy rehefa avy novolena kesika.
Ny olana indray dia ireto. Malemy ny hazo kesika. Tsy mety atao gorodona, tsy mety atao charbon, mora levona rehefa atao kitay, tsy mahataty doro tanety. Ireo no mahatsara kokoa ny hazo kininina.
Fa raha eo amin'ny lafiny sikany indray dia mitovitovy ihany ireo. Ny hazo kininina koa dia masika, sady mitroka rano be mihitsy. Izany hoe raha mamboly hazo kininina maro ianao dia ho hitanao mihitsy ny fienan'ny rano eny amin'ny loharano. Sady ela ny kininina vao lehibe.
Ny hitako tsy mampaniry zavatra ao ambany kesika ihany koa dia ny ravi-kesika milamina manototra ny zavatra rehetra ao ambaniny. "Mulch" no iantsona azy amin'ny teny anglisy.

5. rijadolly
(
18/12/2011 05:20)
Sitlo:
Voalohany dia mora volena izy. Ny zana-kesika 3 taona izany dia efa goavana mihitsy raha miohatra amin'ny kininina. Ny olona mijery milaza hoe, aleo zana-boakazo na ilay hazo fahiny ireny no volena raha hamboly ihany. Fa ny hitako dia tsy mahavoa ny kesika ireny.
Izay ny fahadisoako iray, tsy nitanisa ny fahatsarany aho fa ilay haihaiko avy hatrany any amin'ny ho avy lavitra no nanaitra ahy.
Na izany na tsy izany, raha izay fotsiny ny tombony azo avy amin'ny Kesika dia tokony ho halalinina ihany ireo zavatra izay natahorako ireo ary indridnra indrinda ireo naverinao maha ratsy azy.
Raha eo amin'ilay hoe samy mandritra rano ny fakan'ny Kinina sy ny kesika dia tsy dia olana izay raha ampy tsara rotsak'orana tahaka ny fahiny mbola ireo hazo teto amintsika ihany. Ny olana mampanahy ahy mantsy dia ilay Sapin tsy teto Madagasikara fa tany ivelany no nampidirina mba hameno hanenjika amin'ny maha haingam-pitomboana azy ny velaratany mangadiady fotsiny ihany.
Stilo:
Ny hitako tsy mampaniry zavatra ao ambany kesika ihany koa dia ny ravi-kesika milamina manototra ny zavatra rehetra ao ambaniny. "Mulch" no iantsona azy amin'ny teny anglisy.
Izay mantsy, ny Kininina anefa iny felany iny mihitsy no manampy ny zavamaniry sy ny bibikely ao ambanin'tany ahazony aina tanteraka. Ary azo atao tsara ny maka zezika manodidina ny kininina iray. fa ny an'ny kesika na sapin dia ilay fakabeny iny no aderany aminao sady tsy ahitana hamandoana mihitsy ny manodidina azy.