JOURNAL 10 DEC 2011
1. rijadolly
(
10/12/2011 19:37)
JOURNAL 10 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-10-decembre-2011-5810314
répondu par rijadolly le 11/12/2011 03:37
2. rijadolly
(
10/12/2011 21:10)
VAOVAO 10 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-10-decembre-2011-5810486
3. andrywui
(
11/12/2011 00:55)
merci rija a
efa manomboka mandefa vaovao milay toi alou hatramle nitenenako ani toi oe alefaso daholo na fopla na milay le vaovao !! merci ee zay le mafinaritra amn toi zay

4. rijadolly
(
11/12/2011 03:06)
andrywui:
merci rija a
efa manomboka mandefa vaovao milay toi alou hatramle nitenenako ani toi oe alefaso daholo na fopla na milay le vaovao !! merci ee zay le mafinaritra amn toi zay
Ise no variana manakiana foana fa ny an' TVPLUS tsy tapatapaka ohatry na an' MATV fa ohatry izao foana
Enga anie se ka ho kamo hanakiana atsy ho atsy
Mahereza se!
5. rijadolly
(
11/12/2011 03:29)
Azo lazaina ho nilamina ny tany an-drenivohitr'i Toliara androany, taorian'ny zava-nitranga nahafatesana mpitsara iray. Mbola any an-toerana ny minisitry ny Filaminana anatiny. Nandrasana tamin'io takariva io kosa ny minisitry ny Fitsarana.
Manoloana ny zavatra nahazo ny naman'ireo mpitsara tany Toliara, dia mitokona tanteraka ary tsy hisy ny asa eny anivon'ny Fitsarana nanomboka androany, araka ny fanambarana nataon'ny sendikan'ny Mpitsara.
Efa mandray ny andraikiny kosa ny fanjakana manoloana ity tranga ity, raha ny nambaran'ny Praiministra. Ary nampiany fa tsy misy olona ambonin'ny lalàna eto amintsika.
Anisan'ireo tonga teny amin'ny fitsarana nankahery ary nitondra ny teny fampiononana ireo sendikan'ny mpitsara ny fiombonamben'ny mpiasam-panjakana ambony rehetra eto Madagasikara. Nanao fanambarana ihany koa izy ireo avy eo.
Tafaverina omaly alina avy any Frantsa ny Filohan'ny Fahefana Avon'ny Tetezamita. Ankoatra ny firesahana ny akon'ny dia izay nataony sy ny raharaha politika eto amin'ny firenena, dia anisan'ny noresahan'ny filoha Andry Rajoelina ihany koa ny délestage.
Natao veloma teo anivon'ny ministeran'ny Raharaham-bahiny androany ny ambasadaoro Afrikana Tatsimo, Atoa Mokgheti Samuel Monaisa. Fotoana izay nanamafisana ny fahombiazan'ny fiaraha-miasa nisy nandritra izay 4 taona niasany teto amintsika izay.
Manoloana ny resaka mikasika ny zava-nitranga tany Addis-Abeba nandritra ny fivorian'ny Filankevitry ny filaminana sy fandriampahaleman'ny Vondrona Afrikana, dia nanome fanazavana ny minisitra Pierrot Rajaonarivelo.
Nanainga io atoandro io ho any La Frantsa ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka sy ny vady aman-janany. Anton'izao fivoahana izao ny fizahana ara-pahasalamana atao an-dramatoa Céline Ratsiraka.
Isan'ireo antoko zandriny ary nitondra ny soso-keviny hamahana ny olana eto amin'ny firenena ny antoko Avotra ho an'ny firenena. Feno herintaona tamin'ny 2 desambra teo ny antoko. Manohitra hatramin'ny farany ny fampiharana ny tondrozotra izy.
Niteraka savorovoro tany amin'ny distrikan'Ifanadiana sy Ikongo ny fampiharana ilay dina hentitra tao an-toerana izay novolavolain'ny Ampanjaka sy ny vahoaka ho famaizana ireo olona mangalatra sy mivarotra taolam-paty.
Niteraka adi-hevitra ny feo mandeha mikasika ny asa fikarohana tanterahan'ny orinasa Mailand Trining Ltd ao amin'ny Distrikan'i Manakara. Nidina tany an-toerana ny iraka avy amin'ny ministeran'ny harena an-kibon'ny tany sy ny Tontolo iainana.

6. rijadolly
(
11/12/2011 03:37)
Efa ela no nisy teto Madagasikara ny aretina drepanocytose fa natao ankilabao, raha ny voalazan-dRamatoa Pascal Jeannot, filoha mpanorina ny ONG LCDMF na ny Lutte contre la Drépanocytose Madagascar France.
Androany no notanterahana ny lanonam-panokafana tamin'ny fomba ofisialy tany Miarinarivo Itasy ny taom-pianarana 2011-2012. Fantatra nandritra ity lanonana ity fa nisy fihenana 1%n'ny taham-pidirana an-tsekoly eto amintsika.
Andraina», io no anaran'ny andiana mpiofana avy ao amin'ny Centre de Formation en Commerce International izay navoaka tamim-pomba ofisialy omaly. Fotoana nanambaran'ny minisitry ny varotra fa laharam-pahamehana ny famongorana ireo akora lany daty.
Ao anaty ny fanamarihana ny faha-10 taonan'ny Institut Supérieur Protestant Paul Minault na ISPPM dia nisy ny varavarana misokatra notanterahana nandritra ny 2 andro teto amin'ny foiben'ny FFPM Vohipiraisana.
Hisy ny fanomezana manokana atolotry ny mpitsabo mpikarakara ny zavamaniry bonsaï amin'izao ankatoky ny fetin'ny krismasy izao.