JOURNAL DU 03 DEC 2011; VAOVAO 03 DEC 2011
1. rijadolly
(
04/12/2011 02:51)
JOURNAL DU 03 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-03-decembre-201-5790160
VAOVAO 03 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-03-desambra-2011-5790360

répondu par rijadolly le 04/12/2011 03:06
2. rijadolly
(
04/12/2011 03:06)
Ny herinandro teo dia efa ho lava reny ny fahatapahan'ny herinaratra manodidina ny faritra maro teto an-drenivohitra. Maro ireo nitaraina vokatr'izany, indrindra ireo orinasa mampiasa herinaratra.
Nikarakara lanonana fanaovam-beloma ny Ambasadaoro afrikanina tatsimo miasa sy monina eto amintsika, andriamatoa Mokgethi Monaisa ny masoivohon'ny afrika atsimo ny folakandro teo, tetsy Ivandry.
Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ny Filoha Andry Nirina Rajoelina omaly. Araka ny fanambarana nataony dia manohitra ny hisian'ny fihaonana an-tampon'ny mpanao politika indray ny tenany.
Namoaka fanambarana ny Troikan'ny SADC taorian'ny fametrahana ny parlemantan'ny tetezamita. Nilaza ity fanambarana ity fa efa mizotra mankany amin'ny ara-dalàna i Madagasikara amin'izao fotoana izao.
Tsy voavaha ny olana amin'izao fotoana izao, raha araka ny hevitry ny Vondron'olon-tsotra. Raha tiana hipetraka marina ny fitoniana ara-politika dia tokony avoaka ny gadra politika ary averina ny sesi-tany rehetra, hoy izy ireo.
Foto-drafitr'asa roa sosona no notokanana io maraina io tao amin'ny kaominina Imerintsiatosika, dia ny Birao Iombonana momba ny Fananan-tany sy ny trano fivoahana sy toeram-pidiovana.
Mirongatra ny halatr'omby sy ny tsy fandriampahalemana any amin'ny faritra Bongolava, araka ny nambaran'ny CST any an-toerana. Hisy noho izany ny fametrahana ny dina izay hanomboka ny alatsinainy ho avy izao.
Ho an'ny UNHAM dia tsy tokony hamaivanina ny zava-bitan'ny olona sembana fa afaka mandray anjara amin'ny fampandrosona izy ireny na eo aza ny tsy fahasalamany.
Androany no nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ireo olona manana fahasembanana. Nikarakara hetsika mifanandrify amin'izany ny Fikambanana Avotra etsy Mahavoky Besarety.
Nanomboka androany ny fampahafantarana ny klioba vaovao izay misahana manokana ny fampianarana ireo ray aman-dreny amin'ny fitazaina ny zaza latsaky ny enin-taona.
Notanterahina omaly tolakandro teny Antsahavola ny fanasoniavina ny fiaraha-miasa eo amin'ny Vondrona Telma sy ny tranom-piantohana Aro. Vokatr'izay dia afaka aloa amin'ny alalan'ny MVola ny latsa-kemboka amin'ny resaka fisotron-dronono fanampiny.
Notanterahina omaly tao amin'ny Akademiam-pirenena Tsimbazaza ny famelabelarana siantifika nataon'ny SIMMAD na ny Société d'Imagerie Médicale de Madagascar. Nisy nandritry izany ny vina izay nampahafantarina.
Noho ny fisian'ny fihenam-bidy amin'ireo entana amidy manditra ny hetsika «La Grande Foire de Madagascar» dia maro ny mpitsidika no tonga namaly ny antson'ny mpikarakara hatramin'ity androany ity.
Maro amin'ny mpifankatia no misafidy ny volana desambra hirosoana amin'ny fanamasinana ny fanambadian'izy ireo. Ahitana taratra an'izany ny ao amin'ny fiangonana FJKM Tranovato Anjanahary Martiora.