JOURNAL 01 DEC 2011
1. rijadolly
(
02/12/2011 01:18)
JOURNAL 01 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/journal-du-01-decembre-2011-5785218
répondu par rijadolly le 02/12/2011 04:53
2. rijadolly
(
02/12/2011 04:01)
VAOVAO 01 DEC 2011 http://blip.tv/tv-plus-madagascar/vaovao-du-01-decembre-2011-5786148
3. rijadolly
(
02/12/2011 04:11)
Tena tsy azoko mihitsy ny antony hanafenana ny marina mikasika ny olana ao amin' JIRAMA ao, efa ela izy io no nisy nefa hatramin'izao mbola tsy ampy orana ihany. Tokony hambara ny marina iharahana mamaha fa tena fantiantoka ho an' rehetra mihitsy ilay fahatapahana in-2, in-3 aza indraindray isan' andro, ary dia maharitra ora maromaro mihitsy, mety mivarotra ranona glace angamba no betsaka amin'izao an! lazao ny marina iarahana mamaha e! aza afenina ao ny fery aretina fa manjary mihitatra lasa cancer, tokony tsindrona antibio fotsiny dia efa sitrana, dia lasa fandidina, sa efa miandry ny hafatesany sisa?
4. rijadolly
(
02/12/2011 04:14)
Taorian'ny fanolorana sosonkevitra avy amin'ny mpanao sonia ny soridalana, dia androany no namoahana tamin'ny fomba ofisialy ny anaran'ireo mpikambana eo anivon'ny parlemanta roa.
5. rijadolly
(
02/12/2011 04:30)
Tamin'ity andro androany ity, dia anjaran'ireo vondron'ny mpiasam-panjakana ambony no nihaona tamin'ny Amiraly Didier Ratsiraka, filoha teo aloha.
Tsy azo ihodivirana, hoy atoa Gilbert Raharizatovo, ny fihaonan'ireo filoha 4 mirahalahy nifandimby, dia ny Amiraly Ratsiraka, ny Profesora Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina.
Vita tao Analabe Ambositra ny 23 ka hatramin'ny 27 Novambra lasa teo ny fivorian'ny komity foibe faha-34 sy ny zaikabe faha-fiton'ny Fiombonan'ny fiangonana kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM. Toy ny efa fanao, dia nisy ny hafatra nataon'ny FFKM.
Nanatanteraka fihaonana tamin'ny mpanao gazety io folankandro io ny olom-pirenena teraka Antsiranana. Tao anatin'izany no nitondran'izy ireo ny heviny momba ny raharaham-pirenena.
Androany no nitodi-doha nihazo an'i Afrika Atsimo i John Ferry, izay niara-dia tamin'ny Tojo Ravalomanana. Ny zava-misy teny Ivato indrindra no entina amin'ity fanadihadihana manaraka ity.
Nitsangana tamin'ity androany ity ny fivondronan'ny ambany tànana sy ny mpanao kung-fu.
Naneho ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara amin'ny fampandehanana ny tetezamita i Lafrantsa. Misy indrindra ny vola fanampiana izay nentin'izy ireo ao anatin'ny tetikas

6. rijadolly
(
02/12/2011 04:47)
Olona roa no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny Antanambao, lalam-pirenena faha 3 halina
7. rijadolly
(
02/12/2011 04:48)
Nitokona nanomboka androany ireo mpiasa ao amin'ny Inspection Générale de l'Etat izay tsy mankasitraka ny fanesorana ny tale jeneralin'ny IGE sy ny fanendrena ny tale jeneraly mpisolo toerana.
8. rijadolly
(
02/12/2011 04:53)
Ao anatin'ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny Sida, dia nikarakaraka hetsika fitiliana rà maimaimpoana amin'ny aretina VIH Sida, diabeta sy tosidrà ny fikambanan'ny vehivavy miasa amin'ny sehatry ny fitanterahana eto Madagasikara.
Mbola ezaka lehibe ny fandrarana ny ankabeazan'ny malagasy tsy hanao maloto eny rehetra eny. Roa volana izao no nanombohan'ny tetikasa Fonds Mondial pour l'Assainissement (FAA) eto Madagasikara.
Mbola ezaka lehibe ny fandrarana ny ankabeazan'ny malagasy tsy hanao maloto eny rehetra eny. Roa volana izao no nanombohan'ny tetikasa Fonds Mondial pour l'Assainissement (FAA) eto Madagasikara.