Mampihorohoro izaitsizy ny AV7 manoloana ny fodian' Atoa RAVALOMANANA Marc ; malahelo ny havany maty tokoa ve ?
Fa iza no namono ? Iza no nitondra azy hatao sorona teny Ambohitsorohitra ?
Minia tsy te hahalala ny marina ianareo, satria voatampina an' ilay 200 000ar isam-bolana ny masonareo.
Tsy tokony ho anjaran'ny olom-boatendrin'ny FAT sy ny manodidina azy mihitsy anie ny mandray an-tanana sy mitsara an'iny raharaha iny e. Tsy ahitana ny marina ny hoe sady "juge" no partie; avelao ny CPI no hanao ny fitsarana na miandry ny fitondrana hijoro ao aorian'ny FAT hiandraikitra azy, dia anjarany ny manameloka an'izay tena meloka t@ iny raharaha iny
Tokony hatsahatra koa ny fanomezana an'ilay 200 000ar dia hihiratra ny masonareo ary ho fantatrareo izay tokony henjehina.
Raha mijery tsy miangatra ny masoko dia mampisalasala ahy ny hoe malahelo ny havany maty ireo AV7.
Izao ianareo ataon'ny olona fitaovana hampihorohoroana indray.
Mba fantatrareo koa moa fa maro noho ny maty t@ iny 7 fev iny ny maty t@ ireny fandorana trano sy fandrobana tranombarotra t@ 26-01-2009 ireny ?
Firy ny very asa nanditra an'izay 3 taona latsaka izay ?
Aza adino koa ireo20 tapitrisa no isan' ny lasibatry ny fitiavan-tsezan'ny FAT.