Ilay Teny tonga Nofo

1. niryna ( 26/11/2011 17:43)
Manahoana daholo indray o1 andao ary hovaina kely indray ny lohahevitra ary samy afaka mizara izay mba kely fantany isika hilazana fa efa tany amin'ny fiandohana dia efa niaraka ny Ray sy Ny zanaka ary ny Fanahy Masina,Ka eto dia Kristy no tiako ambara izay Teny tonga Nofo 1- Ahoana tokoa moa izany hoe Teny tonga Nofo izany?

2- Dia mba afaka mizara amin'izay ary isika hoe hatrany amin'ny Testamenta Taloha no efa nisy faminaniana ny fisiaNy ary voasoratra ao anatin'ny Testamenta Vaovao ilay izy avy eo/

Miandry ny teny avy any aminareo ary aho e
Aleo anie atomboko ilay fanontaniana faharoa e
Eto izany dia miresaka ny fihaviany avy amin'ny taranaky ny vehivavy
Ny Testamenta Taloha (TT) no manambara ao amin'ny
Genesisy 3:15 Dia hampirafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany:izy hanorotoro ny lohanao:ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony

Ny Testamenta Vaovao (TV) indray dia manamafy izany :
Galatiana 4:4 Fa rehefa tonga ny fotoan'andro ,dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany,nateraky ny vehivavy,nateraka tao ambanin'ny lalana

Eto indray dia miresaka ny hoe avy any amin'ny taranaky Abrahama
TT
Genesisy 12:2-3 Dia ahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao;ary ho fitahiana tokoa hianao ary hitahy izay nanisy soa anao Aho; fa hanozoana izay manozona anao ;ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany

TV
Galatiana 3:8 Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa ,dia nitory ny filazantsara tamin'ny Abrahama rahateo izy nanao hoe "Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ka dia izay amin'ny finaona notahiana mbamin'ny Abrahama mpino "

répondu par nahomy le 13/12/2011 14:42
2. sitlo ( 26/11/2011 18:58)
Nizara roa ny taranak'i Abrahama.
1- Ny Jiosy
2- Ny Ismaelita izay nihavian'i Mohameda

Jesosy dia jiosy, taranak'i Davida.

Fa saingy, na ny Jiosy, na ny Silamo dia samy tsy mino ny "teny tonga nofo" izany.

Ny tsy tarana'i Abrahama indray no mino.

3. niryna ( 29/11/2011 16:19)

sitlo:

Nizara roa ny taranak'i Abrahama.
1- Ny Jiosy
2- Ny Ismaelita izay nihavian'i Mohameda

Jesosy dia jiosy, taranak'i Davida.

Fa saingy, na ny Jiosy, na ny Silamo dia samy tsy mino ny "teny tonga nofo" izany.

Ny tsy tarana'i Abrahama indray no mino.


ka hoy kirsty hoe ny famonjena dia ho an'ny Jiosy aloha vao ho an'ny Jentilisa.Ka efa nomena azy ireo izany famonjena izany,efa nesorina hiala tany amin'ny tany fanandevozana izy ireo saingy tsy nisy nahatratra ilay tany todra-dronono. Eny na tsy mino aza ny sasany efa betsaka kosa izy ireo ,izay tarana aman-jafy maro taty aoriana no niverina ka
4. niryna ( 09/12/2011 16:56)

sitlo:

Nizara roa ny taranak'i Abrahama.
1- Ny Jiosy
2- Ny Ismaelita izay nihavian'i Mohameda

Jesosy dia jiosy, taranak'i Davida.

Fa saingy, na ny Jiosy, na ny Silamo dia samy tsy mino ny "teny tonga nofo" izany.

Ny tsy tarana'i Abrahama indray no mino.


ka isiika rehetra izay mino dia taranak'i Abrahama ka,avy amin'ny finoana io izay voalazan'ny Hebreo 11 fa finoana no ......Abrahama
5. nahomy ( 13/12/2011 14:42)
teny tonfa nofo marina i Jesoa fa tsy hisalasalako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0723