FIFAMELANA=MIFAMPI-VAVAKA MBA HO SITRANA

1. Maranatha ( 04/10/2011 09:28)
Fiadanana ho aminareo!
Mety efa nandalo trangan-javatra toy izao angamba ny Fiangonanao.

Raha mahita fahotana hataon'ny mpiray fanantenana ianao. Na hianao mihintsy no hiharan'izany. na nisy mpiray fanantenana nahita fahotana nataon'ny hafa (samy ao am-piangonana) Inona no hataonao na hataony ?
Mety efa nifam-pitory teny anivon'ny manam-pahefana (Fitsarana, na FKT, sns..)ve ny samy mpiray fanantenana aminao? na nisy olon-kafa ivelan'ny fiangonana nampihavana azy ireo?

Raha sendra ny trangan-javatra toy izany ahoana no fanao ao amin'ny fiangonana misy anao?

répondu par Maranatha le 10/10/2011 10:54
2. didi10 ( 04/10/2011 11:48)
Misy karazany 2
1- Horizontallement : Heloka atao amin'Andriamanitra ankolaka, heloka atao amin'ny samy mpiara-belona, azo fintinina amin'ny didy faha 5 hatramin'ny faha 10, tsotra mila mifamela sy mifankatia ianareo fa izay no maha-mpianatro anareo hoy ny Tompo. Ataovy izay hilaminan'ny olana anatiny ary aza atao fantatry ny olona aty ivelany fa misy olana ianareo: toy ny fampianaran'i Kristy momba ny fanambadiana. Aza matahotra ny manitsy azy na olona ambony izy na tsia satria mitovy daholo ny olona rehetra hoy ny Tompo (Gal 3, 28)

2- Verticalement: Heloka atao amin'Andriamanitra mivantana, voafintina amin'ny didy voalohany ka hatramin'ny faha 4, tsy afaka manao na inona na inona momba ny aminy ianao afa-tsy ny manoro hevitra azy mba hibebaka tsy hahavery ny fanahiny. Raha ny mpitondra anareo no manana izany toetra izany dia mazava fo azy fa tsy ny Fanahy Masin'Andriamanitra no ao anatiny fa fanahy hafa, dia mbola manaiky taritin'olona ohatr'izany ve ianao? ity omena azy.
Mat 5 : 13 - 16
Hianareo no fanasin'ny tany; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan'ny olona.

3. rijadolly ( 05/10/2011 03:50)
I KORITIANINA 5 :1 Misy aminareo va, raha manana ady amin'ny namany, sahy handeha hotsarain'ny olona tsy marina, fa tsy eo anatrehan'ny olona masina?
4. Maranatha ( 07/10/2011 05:30)

Raha izany valiteninareo izany dia midika fa tsy misy olona mipika ety ivelany mihintsy izany eo amin'ny fiangonana misy anareo?
Nefa sao misy olon-kafa ety ivelany indray mahita fa misy olana eo amin'ny samy hianareo dia ahoana indray ny fandehan'izay? Satria lasa ny hafa ety ivelany no mety mahita fa misy membre
ohatra ao aminareo manota ka hitan'ny tsy mpino, tsy lasa manimba ny fiangonan'Atra ve izany (raha fiangonan'Atra ilay anareo)? dia ahoana ny hevitrareo?
5. didi10 ( 07/10/2011 07:46)
Miarahaba antsika rehetra
Ny Fiadanan'ny Tompo ho aminareo.

Somary manao "va et viens" ihany i Maranatha tena mahafanina,
Efa voafehin'ny lohahevitr'ise ihany ny valin'ny fanontanian'ise rehetra,

Raha misy zavatra tena tianao tenenina dia tonga dia asio "Exemple concret" fa aza miolankolana.
6. Maranatha ( 10/10/2011 10:54)

didi10:

Miarahaba antsika rehetra
Ny Fiadanan'ny Tompo ho aminareo.

Somary manao "va et viens" ihany i Maranatha tena mahafanina,
Efa voafehin'ny lohahevitr'ise ihany ny valin'ny fanontanian'ise rehetra,

Raha misy zavatra tena tianao tenenina dia tonga dia asio "Exemple concret" fa aza miolankolana.


Misaotra an'i didi10
Mahatsapa mantsy ny tena fa ao amin'ny fiangonana iray dia tsy maintsy misy olana, satria tsy voatery ho marina avokoa ny olona ao @ fiangonana iray, izay ilay voalaza ao amin'ny fanoharana hoe misy vary ary misy tsiparifary samy amin'ny toerana na fiangonana iray no misy azy ireo.
Raha mahatsikaritra ary ianao fahotana ataon'ny mambra iray ao amin'ny fiangonanao tsy ilay Matio 18 ve no tokony ho harahana, manatona azy mangingina ka mampiseho azy ilay fahaotana, Matio 18:15 Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao,
fa raha tsy mihaino anao kosa izy dia mihiditra amin'ny Matio 18:16 fa raha tsy mihaino anao kosa izy, dia ento miaraka aminao ny olona iray na roa, mba ho voaorina mafy avokoa ny teny rehetra amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo
Fa raha tsy mihaino ireo izy dia mihiditra amin'ny Matio18:17 Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin'ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
Ireo no baiko nomen'iJesosy mba hampiharina raha sendra ka misy tafalatsaka @ fahotana ny mambra iray ao ampiangonana. Satria aza adino fa iray amin'ny tenan'i kristy ny fiangonana, ny mambra tsirairay ao anatiny.
Ka raha sanatria misy tena tsy azo hanarina ny mambra iray izay nanota ka vita avokoa ireo dingana nampianarin'i Kristy ireo dia tsy maintsy fafana tsy ho isan'ny mambra ao amin'ilay fiangonana izany io nanota io. Na izany aza anefa dia tsy hafoy izy fa hampaherezina foana mba hitraka ka rehefa hita fa afaka tsy manao ilay fahotana intsony dia raisina indray mba ho tonga mpiray amin'ny tenan'i Kristy .
Izay no mahatonga an'i Kristy hiteny ihany koa ny amin'ny fahefan'ny fiangonana hoe Matio 18:18 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na inona na inona fehezinareo etỳ ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanareo etỳ ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra.
Midika izany fa tsy azo hodian-tsy hita ny fahotana hataon'ny mambra tsirairay ao amin'ny fiangonana sao mampisy petipetina ny fiangonana,Izany akory tsy midika hoe hifampitsikilo ny fahotana mety hataon'ny mambra tsirairay ao mpiangonana, fa eo ihany koa ilay teny hoe tsy misy na dia iray akory aza marina, izay dia midika fa samy manana ny fahalemeny ny mambra tsirairay fa samy kosa tokony handresy izay fahalemena izay .
Eo indrindra no tokony hilaina ilay fifampivavahana mba hahasitrana.
Mahereza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3511