hita tany @ helo i Mickael Jackson

1. zokieva ( 29/07/2011 05:40)
Fijoroana vavolombelon'ny ankizy kely vao 10 taona monja teto Antananarivo rehefa nentin'ny Tompo tany @ helo sy ny paradisa izy ka nilazany fa lasa any @ afobe i Mickael Jackson mikiakiaka mafy hoe :"May aho e,may aho e" mila vonjy.
HAFATRA:
Milaza aminao aho ry havana fa na inona lazanao na harenao dia zava-poana izany raha tsy mandray an'i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy @ fiainanao ianao.Araraoty ny fahavelomanao hanomananao ny mandrakizay!
"Indro Izy mitsangana eo am-baravarana ka mandondòna raha misy mihaino ny feony dia hiditra ao aminy Izy ka hiara-hisakafo aminy.
répondu par LoicRedHat le 02/10/2017 05:17
2. hajj ( 07/08/2011 14:47)
manaiky tsara ny hafatra, fa ny amin' yn fijoroana vavolombelona no mampisalasala satria dia betssaka ny mijoro vavolombelona ohatran'io ary dia mitovy daholo ny tantara, fa ny personage foysiny no miova.
3. zokieva ( 08/08/2011 09:55)
Inona moa no tokony hampisalasala an'i hajj: ny fanekena ny hafatra dia manambara fa tokony hino koa,tsy aleo ve mino dia tsy matiantoka!Izay ilay finoana manaiky tsotra tsy misy adi-hevitra!
4. pissoa ( 08/08/2011 10:23)
Ha ha ha ! Ary nazotozoto nankany amin'ny "Helo" mihitsy anie i Jesosy izany tato ho ato e ! LOL
5. zokieva ( 08/08/2011 11:41)
Aza mampihomehy ry pissoa!
6. methode ( 28/09/2011 18:42)

Tokony olona niaina azy mihitsy izao no miditra eto. Hatramin'izao aloha mbola tantara entin'olona no voavaky eto!
7. kloon ( 28/12/2011 07:15)
Ekena fa misy ny Paradisa sy ny elo,

Fanamarihina : niteny gays i Jakson reefa lasa tany am elo,

kloon
8. kloon ( 28/12/2011 07:15)
Ekena fa misy ny Paradisa sy ny elo,

Fanamarihina : niteny gasy zany i Jakson reefa lasa tany am elo?

kloon
9. jajajaly ( 15/02/2012 11:08)
Hoy ny soratra masina:
Mpito. 9:5, 10: «Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona ... Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana,* izay toerana halehanao.» (*«Fiainan-tsi-hita», Prot.; «seoly», Kat.; «toeran’ny maty», DIEM.)
Mahatsiaro fanaintainana ve izy ireo, raha tsy mahalala na inona na inona?

Mifanaraka amin’ny toetran’Andriamanitra ve ny fampijaliana mandrakizay an’ireo ratsy fanahy?
Jer. 7:31: «Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta izay ao amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma izy ireo [ny Jodianina nivadi-pinoana], mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy amin’ny afo, nefa tsy nandidy azy hanao izany aho ary tsy tao an-tsaiko akory aza izany.»
Koa satria tsy tao an-tsain’Andriamanitra mihitsy izany, ho nanao afobe ampijalina olona ary ve Izy?
Fanoharana: Ahoana no fiheveranao ny ray na reny iray mandoro ny tanan-janany amin’ny afo, mba hanasaziana azy noho ny ditrany? Ny ray aman-dreny misaina aza tsy hanao izany, koa mainka fa ilay Andriamanitra fitiavana!—1 Jaona 4:8.

Manendrikendrika an’Andriamanitra ny filazana fa mampijalijaly olona any amin’ny afobe izy. Avy amin’ny Devoly (izay midika hoe «Mpanendrikendrika») àry ilay fampianarana momba ny afobe. Izy mantsy ilay tena mpanendrikendrika an’Andriamanitra. Izy ilay mitondra ny olona hanao voyage astral. Nantsoin’i Jesosy Kristy koa hoe «rain’ny lainga» izy.—Jaona 8:44.
10. kiriah ( 23/02/2012 12:27)
kloon < aza dia mba mahita atao e ! , hihihi!!!!!!!!
11. laloanany ( 11/03/2012 22:41)

kloon:

Ekena fa misy ny Paradisa sy ny elo,

Fanamarihina : niteny gasy zany i Jakson reefa lasa tany am elo?

kloon

Lol, ka i Jakson anie nianatra teny Gasy taty Mada eee.
Nisy zaza 5 taona monja nijoro vavolombelona nahita an'i Jackson nianatra teny Malagasy tao @ IST t@ 2009.
12. zoheri ( 21/03/2012 13:44)

Aza de miteniteny fôna ry zokieva a!
Raha olona tena dinihina ny bible sy ny fiainana dia tena hita fa tsy mitombina miitsy ny zavara resahanareo. Mianara tsara aloha ny bible
Raha Olombelona enao dia :
Inona no atao hoe Maty. Inona no atao hoe Velona
Mbola misy fiainana ve aorian'ny fahafatesana
13. zoheri ( 21/03/2012 13:48)
Tena Marina ny an'ny Jajajaly.
14. ratanty ( 16/07/2012 16:45)
aza mba mandainga fa mickael jackson tsy mahay teny gasy sady le ankizy 10 taona tsy mahay teny amerikanina, raha te halaza de mba zavatra mitombona tsara lazaina
15. Westlove ( 31/08/2012 14:10)
Mety tsy niteny gasy izy fa ampitaina araka ny teny aintsika ny zavatr lazainy
16. yrmia ( 27/12/2012 09:37)
Le anatr lo nena no ten jereko fa ts d le oe vavolombl lotr
17. akamatiana ( 26/01/2013 04:02)
fa firy taona moa izay i MICKAEL JACKSON no maty ? dia firy taona le zaza no nentiny jesosy tany aminy elo ?
18. Nehemiah ( 26/01/2013 05:31)

jajajaly:

Manendrikendrika an’Andriamanitra ny filazana fa mampijalijaly olona any amin’ny afobe izy.

Ny filazàna ny helo tsy hoe "lieu de torture" fa "lieu de tourment". Tsy mampijaly an'iza na iza i Andriamanitra fa ny olona ninia tsy mino an'i Kristy no mijaly satria tonga any @ toerana notadiaviny mandritry ny fiainany : toerana tsy misy an'Andriamanitra, izay loharanon'ny soa sy fahasambarana rehetra.
19. Raharike ( 01/04/2013 20:31)
Michael Jacks aloha mazava be hoe any e! fa izao kosa, be loatra mihitsy tato ato ilay hoe nitsangana t@ maty, ... ny tena tsara dia tsy misy afa-tsy ny mandray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenanao manokana, miaiky ny fahotana vita ary tsy mamerina intsony rehefa avy nibebaka, ary angataka ny Fanahy Masina mba tsy hisaraka aminao satria io no any tokana FANALAHIDY rehefa tonga ny trompetra farany dia izay manana Azy no tafakatra eny @ rahona fa izay tsy manana Azy dia ho tavela ety ambonin'ny tany ary satria tsy misy Fanahy Masina intsony miasa ety ambonin'ny tany amin'io fotoana io (satria efa tafakatra ireo izay nanana) dia afaka manjaka tanteraka ny NOUVELLE ORDRE MONDIALE (fanjakan'ny bibidia) Apokalypse (fin)
20. methode ( 02/04/2013 11:45)

Raharike:

Michael Jacks aloha mazava be hoe any e! ...fin)

Ahoana no ahafahanareo tena manamarina fa any amin'ny afobe Michael Jackson. Hadinonareo ilay jiolahy nilazan'i Jesoa hoe anio alina ihany dia hiaraka amiko any amparadisa ianao? Mba niezaka nanao soa ihany ange izy na dia mpanankarena aza e! Tsy misy afaka mitsara hoe tena any izy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4571