omaly nilamina-androany krizy b-rahampitso vahaolana

1. saho ( 21/07/2011 18:45)
Raha dinihina ry zareo ity fotoana ankehitriny any mada ity, toa tena latsaka lalina ny maritra fiainambahoaka. Ny asa raha misy, ho an ny mpiasa tsotra dia tsy ampy hivelomana. manenjika trosa omaly daholo ny sasany, dia tsy hita indray izay hiainana rahampitso...mitohy foana zany le fomba fiainana trosa etsy sy eroa

Ny fianan olona ampovoany kosa tsy mpiasa tsotra fa mpiasa chef chef, miditra ny vola, resaka corruption etsy sy eroa, misy saosy foana hahitana ny rahampitso fa fady izany hoe misy trosa izany

Ny fiainan oul mpiasa mahaleo tena, miandry ny fidirambola ihany, na misy na tsy misy dia velona eny foana, misy trosa koa

Amin ny akapobeny zany dia le corruption no tena hahazoana fiainana milamina indrindra fa ireo manana fahefana (Justice, Ministra, Polisy/Gendarme, izay membre FAT sns...) Izany hoe isika raha araka ny analyse dia mihoapapana be sy mivily lalana le atao hoe vahoaka no tompon ny safidy, fa tsy olombitsy. Mazana ny tolona fa raha mandeha tsirairay dia miparitaka ohatran ny fasika. Raha mandeha rodombe ny mitambatra ho hery mavesatra be, tsy voatsindrin olombitsy

Jereo anefa ireo firenena tsy nanaiky ny tsindry hazo lena, ohatra Egypte, Lybie na ireo firenena hafa ao Afrika...sahy ry zareo mamoy ny ainy ho an ny taranaka faramandimby mba ho martiora ho afaka amin ny fangezana

Isika malagasy anefa toa miandry foana, asa miandry an iza, kanefa dia mahatsiaro mijaly. Isika ihany no mahavaha ny olana misy ao madagasikara. Raha dinihina izany dia ilaina ny fanampian ireo miaramila ny vahoaka rehetra, satria izay no hahatahoran ny vahoaka tsy hidina eny andalambe, noho ny akitifitifitra etsy sy eroa, noho ity didy jadona FAT misy

Antsika rehetra i Madagasikara ary efa mahaleo tena, fa tsy an olombitsy, anjarantsika no mandray ny sehatra misy, fa mba mangataka anareo Miaramila mba hiaro ny vahoakanareo fa tsy hiaro ny olombitsy mitsetsitra.
Misaotra namaky
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1842