ANTONY?

1. YDIFAS ( 05/07/2011 20:12)
Faly tafaray amintsika amin'ny alalan'izao hafatra izao. Tononina ho amintsika ny fiadanan'i Kristy omban'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Rehefa mitory ny filazantsara isika matetika dia mifototra amin'ny fiovàna. Fanovàna ny toetrantsika ho tsara sy handeha araka ny sitrapon'Andriamanitra.
Mivoitra eo amin'izay ny momba ny helo sy ny paradisa. Inona, ry havana malala, no antony hiarahantsika amin'Andriamanitra?

1) Tahotra ny ho any amin'ny helo ve? sa sao tsy tonga any am-paradisa?
Manitsy antsika indray Jesosy anio: raha tahotra ("peur") no hanompoantsika Azy, dia tsy maintsy hilatsaka amin'ny fihatsaram - bela - tsihy isika. Tsy maintsy lasa enta-mavesatra ho antsika ny vavaka sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Toa tsy misy fifaliana no fahitako izany hetsika ("motivation") izany.
Ny hoe: "tahotra an'Andriamanitra" voalazan'ny baiboly dia midika hoe "fanajàna an'Andriamanitra" fa tsy horohoro tsy akory.
Ohatra: Alaivo sary an - tsaina anie hoe isaky ny mahita ny rainy ity zaza iray dia matahotra. Inoako fa samy hihevitra isika fa tsy hanam-piadanana ity zaza ity. Sao bedy, sao voakapoka... Mitandrina fatratra ny fihetsika rehetra sy ny fiteny aloaka raha hifandray amin'ity rainy. Fantatsika tsara fa tsy toa izany ny fisehoan'Andriamanitra amintsika. Tsarovy fa tsy nampitahotra antsika i Jesosy fa tamim-pitiavana antsika hatrany no nanambarany ny momba ny helo. "Fa toa izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao: Nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay." Jaona 3/16. Tsy ny resaka helo no misongadina eto fa ny Fitiavan'Andriamanitra ny olombelona rehetra.

2) Noho ny fahagagàna ve? Fitahiana? fanambinana? raha izany dia filan-javatra fotsiny no iarahana Aminy. Lasa filan-draha tsy mahita ("pneu de secours") fotsiny Izy raha izany no antony ka rehefa misy olana, rehefa poritra amin'izay mahatery antsika isika vao hiantso Azy. Nefa rehefa azo izay ilaina dia tsipahana indray Izy? Hoy Izy: "Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany" Kolosiana 3/2
Ekena fa ilaina ny harena, ilaina ny fiadanana, ilaina ny fanambinana.Fa: "... raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo" Salamo 62/10
Ny lohalaharana ho antsika zanak'Andriamanitra dia ny harena tsy mety lò, ny fiadanana tsy manam-pahataperana ary ny fiainana mandrakizay.

3) Manarak'efa fotsiny ve? hoe manao ny olona dia mba manao ihany koa?
Alohan'izay mety amin'ny olona (mahamenatra raha tsy manao ny fanaon'ny olona, ohatra) dia ny mety amin'Andriamanitra no tokony imasoantsika. Aoka ialantsika ny hena-maso olona: "Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy." Galatiana 1/10.
Aoka, ry havana malala, handeha araka izay andidian'Andriamanitra antsika isika. Izany hoe, izay lazain'ny Teniny ihany no raisintsika fa marina ho antsika mandrakariva.

Santionany fotsiny ireo fa tsy ho ary voatanisa eto ny antony mety hanosika ny olombelona hanompo an'Andriamanitra.
Fantatsika fa Fitiavana no namonjen'Andriamanitra antsika. Nahafoy ny fiandrianany Izy noho ny fitiavany antsika: "Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao." Jeremia 31/3
Raha tena babon'izany Fitiavan'Andriamanitra izany isika dia tsy hanan-tahotra mandrakizay. Satria fantatsika fa tsy fibedesana na fampitahorana na fanamelohana ny antony nanatonany antsika fa Fitiavana.
Noho izany, aoka hiala tsy ho eo am-bavantsika ny tahotra ny helo ary aoka tsy izany no antony ivavahantsika ka hoe handositra ny afobe.

Raha nahakasika antsika izany Fitiavan'Andriamanitra izany, moa mahafoy ny zavatra rehetra ve isika ka tena hamaly fitia Azy? hanome ny fotsika, hanolotra fanomezana ho Azy am-pitiavana fa tsy hena maso olona na fanantenan-javatra (ohatra: raha manome ho an'Andriamanitra aho mba hambinina sy hotahiana).

Raha fehezina ny tiana hambara dia hoe: aoka ialantsika, raha mbola antony hafa ankoatra ny fitiavana an'Andriamanitra no manosika sy manery antsika hiaraka Aminy.
Aoka ny fitiavana an'Andriamanitra no hanery antsika hanompo Azy, hanome ho Azy. Raha manatona Azy isika dia am-pitiavana sy am-pifaliana ary am-pahatokiana tanteraka no aoka handehanantsika.

Ho an'Andriamanitra irery anie ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Aleloia

Hafatra: "Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana" 1Jaona 4/18
répondu par Maranatha le 14/07/2011 05:32
2. rijadolly ( 06/07/2011 02:22)
Mazava tsara ary dia misaotra an' se amin' fampitana ny hafatra hatrany, AZY irery anie ny voninahitra , laza, ary dera.

3. niryna ( 06/07/2011 05:07)
YDIFAS:

Faly tafaray amintsika amin'ny alalan'izao hafatra izao. Tononina ho amintsika ny fiadanan'i Kristy omban'ny fahasoavan'Andriamanitra.

Rehefa mitory ny filazantsara isika matetika dia mifototra amin'ny fiovàna. Fanovàna ny toetrantsika ho tsara sy handeha araka ny sitrapon'Andriamanitra.
Mivoitra eo amin'izay ny momba ny helo sy ny paradisa. Inona, ry havana malala, no antony hiarahantsika amin'Andriamanitra?

Asa aloha fa raha manana finoana Azy tanteraka isika dia tsy tokony hiahy izany tahotra ho an'ny amin'ny helo izany.Ilay fomba fampizarana ny hafa izay mbola tsy mahalala an'Atra ka mampatahotra azy ireo ny andeha ho any angamba no asiana fiheverana kely.
Ny fitoriana ilay famonjena: mitady vonjy isika ary tsy misy afaka hamonjy antsika ao anatin'ny fahotana afatsy kristy irery ihany.Raha mitady azy isika dia ahita tokoa satria ny fotsika no tiany andray azy.Tsy misy afaka ny ahita an'Atra na iray aza fa mety tsy ho zakantsika ny hazavan'ny voninahiny saingy nomeny ny zanany hanelanelana antsika amiNy ka moa ve isika mino Azy ho Zanak'Atra? ho Atra? ho Mpamonjy ,Mpanjakan'ny mpanjaka?
sa tsy mino izany?

1) Tahotra ny ho any amin'ny helo ve? sa sao tsy tonga any am-paradisa?
Manitsy antsika indray Jesosy anio: raha tahotra ("peur") no hanompoantsika Azy, dia tsy maintsy hilatsaka amin'ny fihatsaram - bela - tsihy isika. Tsy maintsy lasa enta-mavesatra ho antsika ny vavaka sy ny fifandraisana amin'Andriamanitra. Toa tsy misy fifaliana no fahitako izany hetsika ("motivation") izany.
mahavariana ihany izany satria mino aho fa tsy misy mieritreritra izay hoe tahotra ho any amin'ny helo no hivavahako hmmm!
Izaho no nifidy anareo hoy ny Tompo noho izany raha ny safidintsika dia ny anaraka ny lalana mora sy malalaka ary tsy misy fampitandremana saingy Atra dia mbola manome antsika fotoana foana hibebahana ka mizara izany ny hafa izay mbola tsy nandray azy angamba no tokony ho izy fa tsy hampatahotra azy ireo ny helo sy ny hoe matahotra ny helo dia hanompo azy . Lasa mivoana be indray izany na Hors sujet amiko ilay antony hivavahako Aminy ... asa anefa ny an'ny hafa.

Ny hoe: "tahotra an'Andriamanitra" voalazan'ny baiboly dia midika hoe "fanajàna an'Andriamanitra" fa tsy horohoro tsy akory.
ka io no voaloham-pahendrena k'nou.
Dia mba te ho hendry aho dia mila manaja azy,te hiala amin'ny fomba ratsy rehetra izay tsy tian'Atra sy tsy tiany atao.Dia manome olana ve izany raha hendry aho.ha.ha.
Raha mpifoka sigara na mpihinana paraky ilay olona taloha dia niova fo izy ka niala tamin'izany satria mahafantatra izy fa ny tenany dia tempolin'Atra sady mamotika ny fahasalamany izy no mamotika ny tempolin'Atra ihany koa :Dia tsy mba omenao tehaka kely sy mba midera azy kosa ve hianao fa mafy taminy no nanala izany toetra ratsy izany?
Ary ny fomba ratsy rehetra anie dia tsy ho mora ny hiala aminy raha tsy mitady ilay Atra hanome ny fanahy masina hiaraka amintsika e.Angaha vitan'ny hoe 1+1=2 izy io.

2) Noho ny fahagagàna ve? Fitahiana? fanambinana? raha izany dia filan-javatra fotsiny no iarahana Aminy. Lasa filan-draha tsy mahita ("pneu de secours") fotsiny Izy raha izany no antony ka rehefa misy olana, rehefa poritra amin'izay mahatery antsika isika vao hiantso Azy. Nefa rehefa azo izay ilaina dia tsipahana indray Izy? Hoy Izy: "Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany" Kolosiana 3/2
Ekena fa ilaina ny harena, ilaina ny fiadanana, ilaina ny fanambinana.Fa: "... raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo" Salamo 62/10
dia tena vao maika maizina ny tany aman-danitra raha izany: Atra anie dia mbola manao fahagagana amintsika e,fanasitranana,fanavotana,famonjena,fahasoavana.dia tsy tokony hidera sy hankalaza ary hanandratra ny anarany isan'andro kosa ve izay nomeny izany.Na ny rivotra hiainantsika na ny andro iray nomeny hivelomantsika aloha dia hisaorako Azy isan'andro e.

Ny lohalaharana ho antsika zanak'Andriamanitra dia ny harena tsy mety lò, ny fiadanana tsy manam-pahataperana ary ny fiainana mandrakizay.
marina izany fa amin'ny maha olona ny olona dia ny maso mahita,ny sofina mandre,ny lela miboredika mibadabada miantso ny anarany ary misaotra sy midera azy isan'andro noho ny fahasoavana nomeny antsika,hita maso azo tsampaintanana ka aleo aloha ny olona ahita izany fitiavaNy izany dia mandeha miandalana ny fahalalany ny harena tsy mety ho lo na simba. Raha mbola vao rano no nosotron'ny olona,mbola tsy tonga any amin'ny ronono akory ve izy dia asaina mitsako ventikanina sahady.Mandeha miandala ny fampahafantarana ny olona ny tenin'Atra fa tsy azo atao boletra fa manjary malain-komana ny olona .

3) Manarak'efa fotsiny ve? hoe manao ny olona dia mba manao ihany koa?
Alohan'izay mety amin'ny olona (mahamenatra raha tsy manao ny fanaon'ny olona, ohatra) dia ny mety amin'Andriamanitra no tokony imasoantsika. Aoka ialantsika ny hena-maso olona: "Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy." Galatiana 1/10.
Dia anjaranao amin'izay ary no mizara ho anay ny nahatonga anao nino an'Atra,noho ny tahotra ve ? ny ahiahy ve? ireo rehetra nolazainao rehetra ireo mantsy dia tao anatin'ny fonao avokoa ka noho ireo ve no nahatonga anao nitady Azy sa zavatra hafa mihitsy?

Dia izao indray aza: raha misy olona mbola tsy mahafantatra izany hoe kristy izany dia ahoana no fomba hizaranao ny vaovao mahafaly azy? misaotra mialoha.
Misaotra betsaka nizara e
4. rekinbelo ( 07/07/2011 13:41)
miarahaba namana!
Tsotra raha ny ahy hoe inona no antony inoana an'Atra, dia ny fitiavakoazy fotsiny (AGAPE) fa tsy mila tambiny avy aminy akory na mila fahagagana na zvt hafa eo @ fiainana ary tsy mitaky afa-tsy izay koa anie Izy dia ny hoe tia AZY e!
fa anjaranao kosa àizay fotoana izay no mandinika hoe mampifaly azyve enao sa ahoana? tsy manaraka ny fanaon'ny olona ianao fa izay hitanao fa marina sy ekeny baiboly
5. niryna ( 07/07/2011 16:07)

rekinbelo:

izay indrindra
tsy ampitahorana izao afobe izao ny olona fa tsy misy miraharaha izany afobe izany eo raha toa izy ka tsy mahalala ilay fitiavan'Atra.
Fa fahasoavana hoy ny soratra masina no nahatoa izao antsika: Ny fitiavany mitafotafo no mahatonga ahy hidera sy ankalaza azy ary hiantso ny anarany isan'andro isan'andro satria TIA AHY IZY ary mizara aminy koa fa Tiako Izy ka misaotra azy aho noho ny Fitiavana lehibe nomeny ahy
6. rahery08 ( 08/07/2011 11:44)
Miarahaba ny namana rehetra!

Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany*; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy. sal 111:10
7. rijadolly ( 09/07/2011 04:16)
Amiko kosa aloha dia tsy midika fampitahorana ny filazana ny marina e! Io fomba fitaiza io no mahatonga ny ankizy manandrakandrana, fa rehefa voalazanao ny marina ka raha mbola manandrana izy, dia safidiny izay, manao défi izy amin' zavatra ataony. Ary dia ho tsapany tsara fa marina no nitoriana azy.
Tsindriko tsara anefa fa ho zava-poana izany raha toa ka tsy mitory azy miaraka amin'izany, ilay Filazantsara isika ( fanavotana,...)

Ny tsy mety izany dia ny hoe: Ianao aloha dia very any amin'helo e! Tsy misy fanantenana intsony ny aminao, devoly latsaka an-tany ary dia hijinja izay nafafinao ianao.

Dia iza teto ohatra no nanao izany? Tsy mbola nahita aho.
8. bor2lais ( 09/07/2011 09:47)
rijadolly:

Ny tsy mety izany dia ny hoe: Ianao aloha dia very any amin'helo e! Tsy misy fanantenana intsony ny aminao, devoly latsaka an-tany ary dia hijinja izay nafafinao ianao.

Dia iza teto ohatra no nanao izany? Tsy mbola nahita aho.

maranatha:

Mino aho fa azonao tsara ny tiany ho lazaina fa dia ny Papa izany no BIBIDIA( izay Pape rehetra mifandimby eo na iza izy na iza.)
Ny MARIKA ho entiny dia 666 (izay efa voazava eo ambony) sy ny Alahady izay FIANKOHOFANA eo anatrehany.(andro fanaovana fanompoam-pivavahana)
NY SARINY dia tsy inona fa ireo fiangonana Alahadiste rehetra manaiky io fampianarany hoe lasa Alahady ny Sabatan'Atra.
Izay rehetra mandray io marika io eo @ handriny (manaiky be fahatany io) na @ tanany (eo @ asany)dia izy koa no hisotro ny fahatezeran'Atra, izay naidina tao anatin'ny kapoakin'ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijaliana @ afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina, sy eo anatrehan'iZanak'Ondry izy;..... "

:-)
9. rijadolly ( 09/07/2011 10:44)

bor2lais:

Ahoana tokoa moa io?
10. Maranatha ( 11/07/2011 05:54)

[/quote]

Ahoana tokoa moa io?
[/quote]
Io ve mila?
mianatra tsara ny bokin'ny Apokalipsy sy ny bokin'ny daniela ianao dia mazava tsara aminao ireo. Mifanohana tsara ireo Boky anankiroa ireo satria milaza ny zavamisy @ vanim-potoana farany daholo. Mahereza!
11. RBNIR ( 11/07/2011 14:13)
Faly miarahaba namana isany,

Jesosy Tompo no nitory an'ireto :

« Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay. » (Matio 18:8)
« Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny; » (Matio 25:41)
« Ary aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo*.[*Gr. gehena] » (Matio 10:28)
« Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tongotra roa, nefa hariana any amin'ny helo. » (Marka 9:45)
« Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo; » (Marka 9:47)
Afo maharitra mandrak'izay sy helo no toriny eo fa tsy zavatra hafa akory.

Jaona mpanao batisa kosa no nitory ity

« Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo? » (Matio 23:33)

Fomba fandosirana ny helo no nampianarin'i Jesosy Tompo sy Jaona mpanao Batisa fa tsy antony hafa akory.

Samy ho tahin'ny Tompo indray.
12. rijadolly ( 11/07/2011 15:29)
Maranatha a! Fanamariahana be mihitsy aloha fa tsy izao no niteny an' io ambony io izay nataonao rijadolly io. Hitan' se, rehefa hamaly ilay noteneniko se dia tsindrin'se ilay hoe " Valio" eo ambanin'ilay noteneniko, izay se vao mamaly dia tsy mifamadibadika ohatran'io ilay izy. Na tandremana tsara izay esorina indrindra ilay [quôte] mialohan' ilay notenen' izay tian'se haverina sy ny famaranana azy [/quôte], satria mantsy io tenin'se io mihitsy no nahatonga ilay fahamenarako tamin' Bor2lais, fa niseho milay be za hoe tsy misy Mpitory hiteny ilay olona toriany ka
hanao hoe:

Ianao aloha dia very any amin'helo e! Tsy misy fanantenana intsony ny aminao, devoly latsaka an-tany ary dia hijinja izay nafafinao ianao.

Dia iza teto ohatra no nanao izany? Tsy mbola nahita aho.

ary dia namafisiko io fa tsy nisy nanao izany mihitsy teto, ary dia io naverin' Bor2lais io ny teninao satria aho tsy mbola nahita hoy aho. Ary dia izay no nahatonga ahy hanotany hoe ahoana tokoa moa io? Fa tsy hoe tsy nianatra ny Boky na hoe tsy mbola namaky ny Apokalipsy akory.
13. Maranatha ( 12/07/2011 07:05)

Tsy azoko tsara izay tian'ise ho lazaina???

- fa raha mandinika tsara anie isika dia ny tenin'ise (rijadolly) t@ - 09/07/2011 06:16 io naverin'ny Bor2lais ny - 09/07/2011 11:47

- Dia ny tsy fahazahoan''ise (rijadolly) ny teniko, no nahatonga an'ise nanontany hoe dia ahoana tokoa moa io ny - 09/07/2011 12:44 io novaliako (Maranatha) ny - 11/07/2011 07:54 io satria raha namaky aho dia io no noheveriko ho tsy azon'ise.

mahereza r'ise a!
14. rijadolly ( 12/07/2011 11:13)
Tamin' 11/07/2011 07:54 faha-8 io ry se a!Izay nosoratan'se ka nataon' se tao anaty cadre rijadolly io. Izay nambaran' Bord2lais tamin'ny 09/07/2011 11:47 faha- 6 fa tenin'se tany ho any ka naveriny teto fotsiny. tsy teniko io, fa tenin'Maranatha ve?

Ity ilay teny

Mino aho fa azonao tsara ny tiany ho lazaina fa dia ny Papa izany no BIBIDIA( izay Pape rehetra mifandimby eo na iza izy na iza.)
Ny MARIKA ho entiny dia 666 (izay efa voazava eo ambony) sy ny Alahady izay FIANKOHOFANA eo anatrehany.(andro fanaovana fanompoam-pivavahana)
NY SARINY dia tsy inona fa ireo fiangonana Alahadiste rehetra manaiky io fampianarany hoe lasa Alahady ny Sabatan'Atra.
Izay rehetra mandray io marika io eo @ handriny (manaiky be fahatany io) na @ tanany (eo @ asany)dia izy koa no hisotro ny fahatezeran'Atra, izay naidina tao anatin'ny kapoakin'ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijaliana @ afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina, sy eo anatrehan'iZanak'Ondry izy;..... "
Tadidin' se ve fa i se no niteny an'io tany ho any?
15. maranatha ( 13/07/2011 10:40)

Ie tadidiko io ary izaho mihintsy no niteny io fa tsy teto amin'ity lohahevitra ity fa t@ lohahevitra hafa! fa angaha moa tsy isany nanotanian'ise io hoe dia ahoana tokoa moa io hoy ise! dia io novaliako io hoe mila mandalina ny bokin'ny Apokalipsy sy Daniela ise raha te hahafantatra io.
Mahereza ise!
16. rijadolly ( 13/07/2011 16:09)
ka izay indrindra no nahamenatra ahy satria hoy aho hoe tsy misy Mpitory ka hiteny hoe "ianao dia ho very any amin' helo ka tsy misy fanantenana intsony ny aminao" dia hoy ihany aho hoe tsy nisy mpitory tahaka izany mihitsy hoy aho ny eto amin' serasera, dia io nalefan' Bor2lais io ny tenin'se ka dia anjaran' se no mandinika. Lazao am-pitiavana izy raha hita fa diso lalana sao dia mahavonjy azy ilay fanoroana, fa raha ohatra kosa ny hiteny azy hoe tsy misy fika intsony ny aminao, dia diso hevitra isika satria hoy aho foana hoe : efa misy mialoha lalana antsika any amin' Paradisa ny Mpivaro-tena. Fa raha ohatra kosa izy mandra-pialany eto no tsy manana heritreritra hiova dia miandry azy ny anjara asan' tsirairay.

Ekena Maranatha fa efa ho avy ny TOMPO, izany hoe efa miseho ny famatarana sasany izay midika fa mbola tsy ho tonga aloha ny farany, izany hoe mbola mahazo fotoana ny atoko rehetra eto an-tany na ny Firenena mba hitodika Aminy tsy misy fangarony. Izay indrindra no antony Fisiantsika mahalala hanambara am-pitiavana azy ireny ka hampitodika azy am-pitiavana ihany koa amin'Ilay Inoantsika tsy misy fangarony ka nahatonga an' Safidy ilaza hoe
YDIFAS:

Raha fehezina ny tiana hambara dia hoe: aoka ialantsika, raha mbola antony hafa ankoatra ny fitiavana an'Andriamanitra no manosika sy manery antsika hiaraka Aminy.
Aoka ny fitiavana an'Andriamanitra no hanery antsika hanompo Azy, hanome ho Azy. Raha manatona Azy isika dia am-pitiavana sy am-pifaliana ary am-pahatokiana tanteraka no aoka handehanantsika.
17. Maranatha ( 14/07/2011 05:32)

rijadolly:

ka izay indrindra no nahamenatra ahy satria hoy aho hoe tsy misy Mpitory ka hiteny hoe "ianao dia ho very any amin' helo ka tsy misy fanantenana intsony ny aminao" dia hoy ihany aho hoe tsy nisy mpitory tahaka izany mihitsy hoy aho ny eto amin' serasera, dia io nalefan' Bor2lais io ny tenin'se ka dia anjaran' se no mandinika.

Ka inona moa r'ise no ho dinihiko amin'izany fa tenin'Atra ao @ Apok 14 :9-11 io, fa raha mangidihidy sofina amin'izany izy dia Atra no tsara itenenany fa izaho fantsona fotsiny no nitondra izany.

mahereza ise e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4281