Ary maninona raha ny vahoaka no avela hitsara e?

1. rar.dago ( 14/06/2011 12:19)
Hita izao fa tsy mahavita azy ny SADEC. Ny UA moa tsy lazaina intsony. Ary ny UE manao tsobo-dranon-dramiangaly fotsiny.
Koa maninona raha tsapaina ny hevim-bahoaka : référendum.

Samy mandroso ny vahaolany ny mpanao politika dia izany lanin'ny vahoaka no arahina sa tonga dia lany prezida?
répondu par papala le 16/06/2011 12:33
2. rijadolly ( 14/06/2011 16:51)

Samy mandroso ny vahaolany ny mpanao politika

Ka ny mpanao politika mihitsy no tsy mahita vahaolana ko inona indray. Sa ny mpanao politika miray hevitra ny tin' se tenenina. Raha izay indray dia miziriziria ihany eo.
3. locl ( 14/06/2011 17:25)
Tsy ny SADC mihintsy no hanondro ny vahaolana ho antsika aloha e! ary hiasaorana ry zareo ny amin'izany.Nanomé tanana fotsiny izy mba hanamoràna ny tokony hatao fa isika Malagasy izao no tokony hifampijery hoe aiza no hamahàna ny olana.
Raha tsy misy ny fifampidinihana tsy hisy référendum heken'ny be sy ny maro eo.
4. RAR.DAGO ( 14/06/2011 17:46)
rijadolly:

Ka ny mpanao politika mihitsy no tsy mahita vahaolana ko inona indray. Sa ny mpanao politika miray hevitra ny tin' se tenenina. Raha izay indray dia miziriziria ihany eo.

-Ny TGV milaza hoe tsy miverina i Dada fa tonga dia fifidianana.
-Ny Zanak'i Dada milaza fa tokony hiverina izy dia hafaka milatsaka koa.
-Ny ekipan'i Ranjevfa mangataka tetezamita hafa indray koa
- sns
Be dia be izany ny hevitra sy vahaolana aroso. Ka tsy miandry sadec sy ity sy roa intsony fa atao référendum dia hofidiana daholo nizany hevitra mandroso dia izay lany no tonga dia sady arahina no izao nonolotra ny hevitra koa no tonga dia mitondra.

Tsy misy Sadec, UE, UA, sns fa ny vahoaka malagasy no mifidy. TSy izay ve no tokony ho izy?
5. RAR.DAGO ( 14/06/2011 17:53)
locl:

Raha tsy misy ny fifampidinihana tsy hisy référendum heken'ny be sy ny maro eo.

Ka efa hita anie fa tsy hifanaraka mhitsy (incommensurable) ny hevitry ny mpanao politika noho izany TSY HISY MIHITSY marimaritra hiraisana e! Noho izany tsy maintsy misy manapaka : ka ny vahoaka no tokony anao izany
6. rijadolly ( 14/06/2011 18:47)
Raha azoko tsara izany dia ilay hevitra ve aloha no atao référendum hoy i se sa ny Filoha mihitsy.?
7. RAR.DAGO ( 14/06/2011 19:07)
izy roa ry se a! tonga dia miaraka
8. rijadolly ( 14/06/2011 19:09)
dia iza avy ireo Filoha azo fidiana?
Iza no mikarakara sy afaka manaramaso ilay fifidianana?
9. LazaDaddy ( 15/06/2011 00:56)

rijadolly:
vahaolana

Vahaolana = vaha + olana = famahana olana = fanesorana olana

Raha ilay "olOna" no "olAna" dia tsy afaka hanome vahaolAna azo ianteherana mihitsy izy.
10. nilex ( 15/06/2011 08:11)
ny tena marina dia izao,ny foloha mihintsy no olana eto amintsika,ka ny tena mety dia izao aleo tokoa ny vahoaka no hitsara dia izay resy eo dia vita.Izany hoe tokony ho fidiana i Andry sy Ravalomanana dia aleo ny vahoaka haneho ny safidiny malalaka tsy misy halatra,dia ho hita eo amin'izay izay tena tsy tian'ny olona dia mipirina.Raha toa ka tsy tian'ny olona marina Ra8 dia tsy ho voafidy mihintsy izy dia gadraina sy tsaraina.Fa ny olana ankehitriny dia izao,matahotra an'izay ny FAT satria fantany tsara fa vitsy ny olona tia azy ary mbola be ny olona tia andra8.
Ka raha toa ka lany Ra8 avy eo dia matahotra valifaty ry zalahy.
Raha ny fijeriko azy mantsy dia izao,tokony hitady ny marimaritra iraisana amin'dry Ra8 ny fat satria raha izao tsy maintsy ho tafaverina eto ra8 nefa koa ny fat tsy mahavita na inona na inona raha mandeha irery fa be vava fotsiny.Dia aleo miresaka mialoha mba tsy hitsinjovana ny any aoriana.Ny tena olana mantsy dia efa miforitra ihany ny filohan'ny fat fa le mimi be dia be ao aoriany no tena mampirisika azy fotsiny dia tsy afaka manoatra mihintsy izy ,nefa raha toa ka sanatria misy tsy fetezana eo dia mino aho fa mody gisa daholo ireo aoriana ireo dia ho taraiky eo tgv.Misy hafetsena politika lalina be ireo ary tsy miraharaha izay ho tohiny.Ny fahomboazan'ny dinika mantsy dia midika fa tapaka daholo ny tendan'ireo olona ao ambadika ireo.Dia aleony io tsy vita any dia mihinana eo foana izy ireo dia izay alehany any alehany fa tgv no mody atao sorona eo .Ho hita eo ny tohiny fa raha izao mantsy no mitohy tsy maintsy hitroatra indray mandeha indray ny vahoaka satria efa mafy izao.Dia ry tgv sy ny tariny indray no hitifitra olona sy hanao sesitany ny tenany.Samia mandinika.
11. papala ( 15/06/2011 10:25)
de zao ndray zao de mikorapaka be daholo reo saka dia be reo mandre an-DR8 hoe hody: kanefany de amiko ko aloha de tokony ho : RA8 SY JOELINA NO fidina aloha zay lanim-bahoaka eo , de tena ho hita eo marina zay tena izy.

ny sasany ary de efa mamorotra vahoaka mitatatata eraky ny télé sy gazety tsy hay hoe ahoana ny eritreriny fa toa miteniteny foana : ohatra ireto:
- "aleo hody eto hifampitana" hozy daniel ramaromisa (ao @ le courrier)
- "aleoko maty toy zay miverina eto Ravalomanana" hozy voninahitsy jean eugène (tao @ TVM,MATV, TVplus)
- "mikorontana eto raha tonga eto Ravalomanana" hozy alain ramaroson (tao @ MATV)
- de ry joelina zany de mampanao fanambarana @ ireo miaramila sy polisy ary gendarme mihintsy manakana ny fahatongavan-dRa8!

de tena mankaleo sady mampime be mihintsy ny mijery azy, SADY TENA MANDANY ANDRO SY FOTOANA BE MIHINTSY RY ZAREO A. LAY MALAGASY DE TO MIKOROSY FAHANA BE ZANY DAHOLO.
12. RAR.DAGO ( 15/06/2011 14:08)
Ka ny aho indray nyhevitro ohatra hoe tsy misy mahazo milatsaka na i TGV na R8. Tokony mba alefa koa izay hevitra izay fa sao dia izay no tian'ny vahoaka. Izy no ataoko hoe samy manome ny heviny, asiana tour de qualif, dia avy eo izay lany sady ampiarina ny heviny no izy no mitondra
13. nilex ( 16/06/2011 05:44)
mety hiety ihany ilay hoe tsy misy milatsaka nefa raha ny hevitro dia izao;aleo mihintsy miaraka milatsaka eo daholo ho tsarain'ny vahoaka eo dia miala mora izay voa,sady ireto candidat hafa koa anie tsy misy jerena daholo e ary izay no mahafetsy andry zalahy satria raha tsy eo ra8 dia mety ho lany ry zalahy.Ny tena olana anefa dia izao raha izao olana misy amin'ny firenena izao dia tena ra8 mihintsy no tsara averina eo satria izy tena actif be sa enjana @ relation international sady manana methode efficace @ fampandrosoana haingana fa ny sisan'izay olona mampihomehy daholo .Fa amin'izay kosa aloha dia mila miova kely ra8 miala amin'ireo toetra izay nahasosotra ny olona taminy.Fa izy aloha no olona tena itako fa milay sady izy manana fahasahiana manillika ireto frantsay miseho milay ireto.
14. papala ( 16/06/2011 12:33)
tena tohanako mihintsy ny hevitr'i nilex aloha amin'izay e, tena tsara be mihintsy sady Ra8 mora tenenina sy hifampiresahana tsara mihintsy:
- i ra8 sady mahay 'diplomatie ', no Î… commercial" milay EEEEEEEEEE!hiihihihihi!

fa ny sisak'izay tsy hitako zay handraisan'azy!wawawawaw eraky ny tanana fotsiny!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3001