Inona no azo raisina ho TENY FOTOTRA ao anaty Baiboly?

1. Miharena ( 24/05/2011 15:07)
Ny tiana resahana amin'y loha-hevitra dia misy ireo Teny Fototra ao anaty Baiboly ary misy ireo tantara niainan'ny olona voalaza ao. Ataontsika hoe tantara an'arivo taona vitsivitsy no hita ao.
Ny lesona azo tsoahina sy tokony hovoizina dia tokony ho hita taratra ao daholo saingy tokony hisy TENY izay mahalaza na mamintina ny tian'Andriamanitra lazaina ao anatin'io Baiboly io.

Misokatra ary ny fanehoan-kevitra ny amin'ny' fanontaniana hoe Inona no azo raisina ho Teny Fototra ao anaty Baiboly ka tsy hihozongozonan'ny olona satria fantany tsara fa marina tanteraka na aminy, na amin'ireo olona izay tsy mbola namaky akory izany Baiboly izany, ka raha vao miresaka amin'olona tsy Kristiana izy dia handresy lahatra avy hatrany?
répondu par Maranatha le 15/06/2011 07:36
2. rekinbelo ( 25/05/2011 11:55)
Raha zohiana hatrany @ voalohany ka hatramin'ny farany ny Baiboly, izany hoe manomboka eo @ genesisy ka hatramin'ny Apokalipsy esorina ny apokrifa dia ny Fanjakan'Andriamanitra no tena fototra.
Vao tany saha edena mantsy dia efa natao sary ny momba io fanjakan'Andriamanitra io ary any @ boky farany no mamelabelatra ny fahatanterahana feno io fanjakana io.
Antsipirihany ihany ny tantara manondidina sy ny fampianarana isakarazany ao.
NY fampianaran'i Kristy ohatra dia mampihofana antsika mba hanana toe-tsaina afaka miaina eo ambanin'io fanjakana io.
3. Miharena ( 25/05/2011 15:45)
Miarahaba indray Rekinbelo,
Marina dia marina ny filazanao azy ary mamintina tokoa ny Baiboly io fahatsoram-pijery io. Fa mila faritana tsara ny atao hoe Fanjakan'Andriamanitra voambara ao angamba fa manjary tsy maharesy lahatra izay mamaky ny famosahan-kevitra atao.
4. rijadolly ( 25/05/2011 18:15)
Amiko manokana dia tsotra ny fomba namitinako AZY.

1) Ny Fanjakan' Andriamanitra
2) Nisy fifandroitana, fanjakana roa samy hafa
3) Fanavotana
4) Fanjakan' Andriamanitra ( fahaverezan'ireo izay resy )
5. rahery08 ( 26/05/2011 11:05)

miarahaba ny namana rehetra!

TENY FOTOTRA HOY INAO!
Araka ny fampianarana voaraiko dia:

Ny fahasoavana

Araka ny Efes 2: 8, Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;

6. Miharena ( 26/05/2011 12:28)
Misy teny manambara hoe "Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany dia hanampy anao ny zava-drehetra".

Fa ny hany mbola mety mampisalasala ny olona dia ny hoe inona ilay Fanjakana? Io no fototra tadiavina fa raha mbola manjavozavo anefa io dia mazava fa olona misalasala amin'ny heviny no hiseho ka raha vao misy olona hafa manambara aminy hoe aty no misy fahamarinana fa ialao ny toerana misy anao teo aloha dia lasa mankany izy. Nefa matetika somary miova kely fotsiny ny fomba filaza izay fahamarinana lazain'ny mpitarika hafa ilay olona amin'ny fiangonana farany nahavoasarika azy.
Tokony ho tafiditra amin'ny tsoa-kevitra mazava ny fiangonana rehetra rehefa mamaritra io Fanjakana io satria Baiboly iray ihany no vakiany.
7. mpive ( 28/05/2011 17:21)
Mba misy fanontaniana azafady amintsika e, satria sahirana ihany aho rehefa mamaky ny baiboly:
1- azo raisina ara-bakiteny ve izay voasoratra ao amin'ny Baibloly sa ilaina fantarina ny contexte nisiany?
2- Mety ve ny manapatapaka toko sy andininy amin'ny boky samy hafa dia atambatambatra avy eo ka mahazo hevitra vaovao?
8. Miharena ( 30/05/2011 16:18)
Misy lalan-kevitra mila arahina ao anaty Baiboly ao ka raha vao tsy araka iny dia diso daholo ny famaritana hataon'ny olona ary lasa adihevitra tena mifantoka amin'ny hodiny avokoa avy eo fa tsy ny vontoatiny no tafita.

Ka raha ny fanontaniana 1- voalaza dia tsy ara-bakiteny loatra fa ara-kevitra no handraisana ny fanoharana, ny tantara voasoratra. Na izany na tsy izany dia mila fantarina daholo ny toetran'ny olona na personnages rehetra miteny ao anaty Baiboly ao ary mila mahay manavaka tsara hoe iza no tena Tenim-pitiavana ary inona no mety diso fandika araka ny fiheveran'izay nandika ny Hafatra taty aoriana.

Ny manapatapaka toko amin'ny fanontaniana 2- kosa dia raha manana hevitra mafonja manaraka ilay lalan-kevitra dia azo atao tsara ny manindry ireo Teny miverimberina ao.

Raha ny fahaazoako tsara ny fandehan'ny lalan-kevitra ao dia misy ny fiandohana, misy ny fiviliviliana na fahajambàna ary misy ny fiverenana na fahiratana indray. Ohatra : Ny Zanaka adala dia efa mamintina manontolo ny Baiboly dia ny fisian'ny fahadisoana na dia mpandova aza nefa tsy maintsy hiverina an-tranon-dray ihany.
9. bor2lais ( 31/05/2011 11:17)
Teny fototra ?

Amiko, dia ny Fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao !

"16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3.16

Sady toa ao afovoan'ny Baiboly ao no misy an'io e ! :-)
10. Miharena ( 01/06/2011 14:34)
Ny Teny mbola tsy tafavoakantsika dia ny fiandohana mihitsy dia ilay hoe : Andeha Isika hanao olona mitovy endrika Amintsika. Ny olombelona no voary manana fahafahana mieritreritra lalina farany namboarin'Andriamanitra ary mitovy fomba Aminy. Io no tokony hotrandrahana fatratra dia tsy ho voahozongozona isika rehetra fa handeha am-pahatsorana ary hanana fahatsorana be dia be eo amin'ny fanehoan-kevitra momba ny FIAINANA MANDRAKIZAY (Izay Teny Fototra Tena izy ao anaty Baiboly ao).
11. rijadolly ( 03/06/2011 19:56)

Mila dingana lehibe izany Miharena. Tsy ny olona misotro ronono akory dia afaka mitsangana, ny efa mitsangana aza Miharena matetika toa lasa mandady ihany. Inona ny olana? Ilay fandavantena, ny fanamarinantena, tsy fanolorana ilay ota na tsy fahatokisana ilay mi- supprimer azy ao anaty disc dur-nao ao. Any ka lasa misy hefitra mampisaraka anao sy Andriamanitra ka mahatonga anao miray sy manatanteraka ny baikon' ilay ratsy.

Ny mila ho fantra izany na ny fehin' ny voalazan' Baiboly dia ireo ambany ireo

1) Ny Fanjakan' Andriamanitra (Azo raisina tsara ny hevitry Miharena: ny fiandohana)

2) Nisy fifandroitana, fanjakana roa samy hafa (mila mahafantatra ny tsara sy ny ratsy, misafidy)

3) Fanavotana ( fibebahana, fanekena,...)

4) Fanjakan' Andriamanitra ( fahaverezan'ireo izay resy )
12. Miharena ( 05/06/2011 17:43)
Ilay dingana lehibe no misy tsininy kely amiko Rekinbelo satria raha zohina ny mahazaza dia toy ny olona madio tanteraka izay tonga hianatra izay manodidina azy sy ny firafiny araka ny nanefen'ny mpiara-monina ny foto-pisainana sy fiaina eto amboni'n'ny tany. Tsy manan-tsiny ny zaza ary io no antony nilazan'i Kristy hoe : mila toy ny zaza isika vao ho tafiditra ny fanjakan'ny Lanitra. Raha zohina dia tsy dingana tadiavina ilay izy fa fiainana araka ny maha-madio izay mitohy eo amin'ny fiainana eto an-tany ka mizotra mazava amim-pahatokisana amin'iny toetra fototra iny mandrakizay.
13. Maranatha ( 15/06/2011 07:36)

Miharena:

Ny tiana resahana amin'y loha-hevitra dia misy ireo Teny Fototra ao anaty Baiboly ary misy ireo tantara niainan'ny olona voalaza ao. Ataontsika hoe tantara an'arivo taona vitsivitsy no hita ao.
Ny lesona azo tsoahina sy tokony hovoizina dia tokony ho hita taratra ao daholo saingy tokony hisy TENY izay mahalaza na mamintina ny tian'Andriamanitra lazaina ao anatin'io Baiboly io.

Misokatra ary ny fanehoan-kevitra ny amin'ny' fanontaniana hoe Inona no azo raisina ho Teny Fototra ao anaty Baiboly ka tsy hihozongozonan'ny olona satria fantany tsara fa marina tanteraka na aminy, na amin'ireo olona izay tsy mbola namaky akory izany Baiboly izany, ka raha vao miresaka amin'olona tsy Kristiana izy dia handresy lahatra avy hatrany?

bor2lais:

Teny fototra ?

Amiko, dia ny Fitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao !

"16 Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3.16

Sady toa ao afovoan'ny Baiboly ao no misy an'io e !

Tsisy afatsy io an'i Bor2lais io no Teny fototra ao amin'ny Baiboly, Ny foton-kevitry ny Baiboly manontolo dia Fitiavana, Atra dia Fitiavana, Ny nahatongavan'i Kristy tety amboninin'ny tany dia fitiavana antsika olombelona ho fanavotana antsika, Ny anton'ny didy dia fitiavana, sns...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2463