Ahodin'ny zanak'olombelona ny Tenin'Andriamanitra

1. 0uioui ( 13/05/2011 08:48)
- Tena marina io voalazako io fa betsaka ireo Teny izay voasoratra mazava sy raisina aminkitsipo(mahitsy) no misy manodina mba hifanaraka amin'izay eritreretiny sy ahazahoany tombotsoa na tombotsoan'ny fikambanana na fiangonana izay misy azy ,ka na dia ireo Teny ao anaty baiboly izay efa voasoratra mazava aza dia hitadiavana heviny hafa mba hifanaranaraka amin'ny baiboly ,na esorina tsotr'izao :ao amin'ny Apokalypsa misy teny voafafa , ao amin'ny Marka koa misy voafafa !..
-eo koa ireo zavatra izay mamoafady izay sarotsaromana amin'ny hoe: - mba ahamafy orina ny fihavanana sy firaisankin'ny mpinoao aminay no mahatonga ny fiangonanay na ny fikambananay hanao an'io (zavatra mamoafady) io ,--marina tokoa fa fihavanana sy firaisankina no hita sy tsapa --- nefa kosa lafiny ara-tsosialy izay fa tsy ara-panahy (raha vao afangaro ireo dia afaka miovaova hevitra eo ilay anontaniana) satria : -- voalohany aloha dia tsy ao anaty Baiboly mihitsy fa zavatra noforonina vanimpotoana ela taty aoriana be na efa niainana sy nataon'ireo tranainy ara-panahy tao aminy no mbola averina sy tanterahana amin'izao fotoana izao (misy ihany anefa ireo navela rehefa hita fa tena tsy azo atao sy lalandiso ary voararan'ny lalana tanteraka taty aoriana nohon'ny zon'olombelona) ohatra ny famonoan'olona ,fi-torturé_na olona ,fampijaliana sy fanapahandoha ireo izay tsy manaraka na mamorona antokompinoana hafa !...

-
répondu par rijadolly le 25/05/2011 21:40
2. 0uioui ( 13/05/2011 18:09)
dia mbola "ialana tsiny ihany tompoko" amle teniko sy hevitra avoakako mahitsihitsy sy direct fa tsy voalazako mazava izy raha vao ankolaka kokoa noho izao ,zaho koa angamba no tia zavatra mahitsy dia tsara raha manihitsy toy izao no filazako azy koa dia ialana tsiny mialoha e
3. Miharena ( 14/05/2011 14:33)
Ity resaka avoitran'i Ouioui ity dia anisan'ny mahatonga ilay resak'i Gandhi namaky Baiboly ary nilaza fa tsy te-ho Kristiana satria noho ny toetran'ny Kristiana. tsy mandresy lahatra mihitsy ny toetran'ny Kristiana rehefa ireo tanisaina rehetra ireo no zohina.
Ilay izy koa moa dia voalaza ao anaty Baiboly ao daholo fa hanao io toetra io ny olombelona ka dia izao iaraha-mahita izao ny fiainan'ny Kristiana rehetra izay miankina fotsiny amin'ny Baiboly. Indrindra moa ka manaraka fotsiny izay lazain'ny mpitarika sy mpanazava ny Teny fa tsy mamakafaka tsara izay voambaran'ny Baiboly na mitady marina ny Fototra ao anatin"izany Baiboly izany.
4. rijadolly ( 18/05/2011 19:30)
Miharena:

Ilay izy koa moa dia voalaza ao anaty Baiboly ao daholo fa hanao io toetra io ny olombelona ka dia izao iaraha-mahita izao ny fiainan'ny Kristiana rehetra izay miankina fotsiny amin'ny Baiboly.

Mba azon' i Miharena hazavaina na somary velarina kely ve ilay hoe "miankina fotsiny amin' ny Baiboly" na hoe, inona koa mbola azo hiankinana? raha ho antsika Kristianina no jerena.
5. Miharena ( 25/05/2011 09:36)
Rijadolly:

Mba azon' i Miharena hazavaina na somary velarina kely ve ilay hoe "miankina fotsiny amin' ny Baiboly" na hoe, inona koa mbola azo hiankinana? raha ho antsika Kristianina no jerena.


Mila mamantatra ny zava-drehetra izay iainana ny olona fa tsy tokony hifahatra fotsiny amin'ny Baiboly vao afaka hamantatra fa marina izay hifaharany. Raha ara-pamakiana fotsiny ihany koa ny Baiboly dia tsy misy heviny fa raha iainana dia hita porofo hoe inona no marina voambara ao ary inona no tsy ampy raha miaina endri-piainana tsy voambara ao ny olona. Ny hany mba azontsika porofoina dia ny fikorontanana noho ny tsy fitovian-kevitra hita izay efa voambara ao avokoa anefa. Voambara ao koa anefa ny amin'ny Filazan-tsara mandrakizay izay mbola tsy eo am-pelatan'ny olon-drehetra ankehitriny ka lasa zary mifantoka fotsiny amin'ny Baiboly izy ary maro aza no ny ampahany amin'ny Baiboly ihany no entiny handresen-dahatra ny tenany. Ka ao ireo izay maka ratsy (mahita fa Andriamanitra dia loza be rehefa tsy ekena ny sitrapony) ary ao no maka tsara (Milaza fa Andriamanitra dia be famindram-po).

Hevitra roa mifanipaka tanteraka no hita ao anaty Baiboly amin'ny atao hoe fikasan'Andriamanitra raha ireo voatanisa ireo. Noho izany dia mbola araka ny fisainan'olombelona ihany no hamaritana an'Andriamanitra voafetran'ireo toetra roa ireo (voalaza ao anaty Baiboly ankehitriny) fa tsy IZY araka ny tena maha-IZY AZY, dia IIay Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Ilay Be Fitiavana ary mitrotro ny VoariNY na ratsy na tsara (ohatra: Zanaka adala).
Ny fitoriam-pitiavana izany dia araka ny filazan-tsara vaovao mandrakizay izay homena ny olona rahatrizay fa tsy voafetra amin'ny Baiboly izay nisy tantara ratsy ihany tao anatiny izay inian'ny olona hampahatsiahivina hatrany ka manjary mampisavorovoro ny saina amam-panahy, sy tsy hahazona Fiadanana.

Asa na mahavaly azy izay Rijadolly na tsia?
6. rijadolly ( 25/05/2011 21:40)
Misaotra betsaka an' se Miharena nanome fanazavana.

Ny zavatra voaraiko zao dia hoe mila mivelatra mijery hafa isika mba ahafantarantsika hoe mety sa diso ilay hevitra ananatsika. Iraisako hevitra iny.
Ao anatin'izay anefa dia inona no tsapa avy eo? Miverina ao anaty Baiboly ve sa miala tanteraka izay voalazan' ny ao anaty Baiboly ilay hevitra manalasala nitadiavana fahamarinana?

Misy koa ao amin'ny fanazavan'se ao raha voaraiko tsara dia midika hoe, Andriamanitra roa no lazain' ny Baiboly dia Andriamanitralozabe( Mpanasazy, mpandringana,...) sy Andriamanitra be famindram-po. Mialatsiny aho raha diso ny fandraisako azy. Izay midika ihany koa hoe hevitr'olombelona ihany no nanoratana ny Baiboly fa tsy Tenin'Andriamanitra.
Avy ety amin' farany angamba no asiako fanamarihana voalohany. Tena azoko antoka fa trindrimandrin' Andriamanitra ny nanoratana ny Baiboly, satria mampandroso ny FanjakaNY fa tsy mitarika ilay fanjakany ho resy an' ADY amin'izao fotoana ny ADY izao. Tonga dia any amin'Ilay Andriamanitra be famindram-po no lazaiko ny hevitro mba ahazava fa tsy misy ny karazana Andriamanitra ao amin' Baiboly. Amiko dia tsy misy ny atao hoe Famindram-po raha tsy misy ny fanoloran-keloka ho diovina, indrindra ny ota fanahiniana sy tsapa.Manao ahoana izany mirehareha ny fahotana ataony izany? dia ahoana kosa izany mirehareha ny fahadiovan' ny fahotany izany? Ireo zavatra roa ireo dia misy zavatra nialany tanteraka izay mifanipaka. Vokany? an' Andriamanitra ny fitsarana mba hampandrosoNy ny FanjakaNy sy ahazoany antoka indray fa tsy misy mivadika intsony ny 1/3 eo amin' ny FanjakaNy (test). Izany hoe isika no manipaka sy makany amin'ilay andriamanitra iray izay miala sy manalavitra AZY fa tsy hoe ny ataoNy no mifanipaka.

Eo amin'ilay zanak'adala Miarena dia nisy fanoloran-keloka tao vao nisy ny Famindram-po.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.061