FAMINANIANA 3

1. ydifas ( 16/04/2011 02:04)
Ny fiadanan'i Kristy anie no handroso ao anatitsika izay mamaky. Miarahaba antsika.
Indro ny tohin'ilay hafatra ara-paminaniana efa naroso teto.

"Ho avy ny andro, hamangy ny mpitondra fivavahana eto Madagasikara ny Aho amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ka hifanatona izy rehetra. Hanary ny anaram-piangonana izy ; hampitsahatra ny fifanenjahana "ara-pilazantsara" tsy mahasoa izy; hanongotra ny fefy mampisaraka azy avy izy: fihinanana na tsia ny sakafo iray, andro ivavahana, ... ; hankato ilay teny hoe "iray ihany izy rehetra" izy ka hanambatra hery hiantso ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka hivavaka Amiko, hiantso ny olona rehetra hibebaka sy hidera ny Ray Tsitoha. Ary efa manomboka izany ankehitriny.
Ho tonga saina izy fa tena iray tokoa ny famonjena koa noho izany tokana ny vahaolana: Fifankatiavana marina (tsy misy fitaka, tsy misy kilema) araka ny didiko. Tsy misy anarana hafa ary tsy misy làlana hafa mahavoavonjy afa tsy ny Anarako ihany dia Jesosy Ilay Fitiavana.

Hahatsapa ny tsirairay fa zava-poana ny zava-drehetra (araka ny teniko), eny fa na ny fanomezam-pahasoavana aza dia tsinotsinona raha tsy misy FITIAVANA (1Korintiana 13/1 - 3). Hampahiratiko ny masonao sy hosokafako ny sainao hahita sy hahatakatra fa ny FITIAVANA sy FIFANKATIAVANA no hampitsangana Ahy eo amin'ny seza fiandrianako hanatonako anao. Hanaterako eo aminao ny irin'ny fonao.
Tenako sy ratsam-batako ny tsirairay eo aminao. Izaho no Loha hibaiko anao sy hitarika anao amin'ny alalan'ny Fanahiko. Fivavaka mifototra amin'ny fifonana ho an'ny Malagasy sy mba hahatonga ny fibebahana ary fifohazam-panahy ary fandrosoana ara-panahy eto Madagasikara no hasandratra amin'izany. Hitady Ahy amin'ny fonao rehetra ianao ary hanaiky fa Izaho no vahaolana amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainanao sy eo amin'ny taninao, indrindra ny hananana ny fiainana mandrakizay. Izany no hahakasika ny Foko ka hamaly Aho.

Ho ren-tany, ren-danitra ny akon'izany. Hiaiky volana ny firenena hafa ary ho vaky vava mihitsy aza noho ny fahitany ny fivoaranao sy ny fandrosoanao. Tsy hangataka intsony ianao fa ho tanteraka ilay antsoantsonao hoe: "... hiadana sy ho finaritra, he! sambatra tokoa izahay". Ireo firenena hafa ireo indray no hiazakazaka ho aty aminao, hanontany ny tsiambaratelonao. Dia hilaza ianao hoe: "Jehovah no tokiko, Izy no Andriamanitro, Izy no iankohofako ary Izy no miantoka ahy. Miasa eo amin'ny taninao ary miantoka ny fiainanao manontolo mihitsy Izy". Ho vokatr'izany, lasa fitaovana hamonjena azy ireo ihany koa ianao ka hiova fo noho izany izy.

Ry Madagasikarako, tena tia anao Aho ary tsy hahafoy na hahasaraka anao mandrakizay. Efa niantso anao Aho, Ahy ianao. Mampahery anao Aho ankehitriny: mahereza mivavaka, ankatoavy ny teniko fa ho avy tsy ho ela Aho hivimbina ilay fiainana mandrakizay tadiavinao andro aman'alina"
, Hoy Jesosy Malalanao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2811