Mahita ny ratsy fanahy ambinina

1. niryna ( 05/04/2011 05:18)
Mahavariana tokoa io tenin'Andriamanitra io sy ny fampianarana izay omeny antsika.Jereo anie ity e.Tena mahatonga saina satria misy hiainantsika io amin'izao fotoana izao.

Notsongoiko tao amin'ny Salamo 73 izy ity

1 Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo.

2 Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako,

3 Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy.

4 Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny.

5 Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy.


20 Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao.

21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,

22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby* teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]


23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.

24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.


25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.

26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.


27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.


28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.

Amena!
répondu par rijadolly le 05/04/2011 17:41
2. Miharena ( 05/04/2011 05:47)
Miarahaba Niryna a!


21 Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako,

22 Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby* teo anatrehanao aho.[Na: hipopotamosy]

Io no raisiko ho lesona amin'ity tanisa iray ity Niryna. Ny fahaketrenako nijery ny hafa heveriko fa mandroso amin'ny asa ratsiny. Izany hoe kentrina aho satria mitsaratsara foana azy, diso mijery loatra izay ivelany sy ny zava-mitranga fa tsy mahay manana ny anjarako izay omena ahy dia ilay fehezanteny farany hoe:



28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.


Rehefa manana io fehezanteny io ao anaty dia mazava fa mizara fifaliana sy fitiavana sy faniriana tsara fa tsy variana miampanga ny namana ao am-po fotsiny.

Misaotra Niryna a!
3. rijadolly ( 05/04/2011 17:41)
Mahavelom-bolo sy Fanantenana tanteraka mihitsy ny tenin'Andriamanitra...

Aminy maha olona tokoa no mahatonga antsika hanome tsiny an'Andriamanitra matetika.Na hoana ny olona tsy mino an' Andriamanitra indray no mahazo ireo andininy faha 3-4-5 ireo? Hany ka tsy hitantsika ny fahasoavana nomeNY antsika, izany hoe takona tao ambadik'ilay fialonana sy fanomezantsiny.

Koa rehefa miverina amin'ilay andininy voalohany (1) isika dia misokatra amin'izay ny fo ary dia mahatsapa ny fahasoavany izay efa nananantsika avy tany aminy. ka hanambara izao:

23 Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao.
24 Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho.
25 Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.
26 Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.
27 Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao.
28 Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho.


Ny lesoana azoko tamin'io izany raha amiko manoka dia ny filana ny FAHADIOVAM-PO rehefa mandray an'Andriamanitra, izay midika fahatokisana ny fitondraNY tanteraka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0434